- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Andian'olona mitam-piadiana manafika ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fampodiana any amin'ny gara iray an-tanànaitatr'i Hong Kong

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Fanoherana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika
[1]

Andian'olona nanakorontana tao amin'ny garan'i Yuen Long [2] tamin'ny 21 Jolay 2019. pikantsary.

Tamin'ny 21 Jolay, olona an-jatony no nivory ivelan'ny garan'ny tanàna itatra iray ao Hong Kong ary nanafika ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fampodiana-fandroahana olona sy ireo mpandeha tamin'ny tehimby sy kibay — izay niteraka faharatran'olona 45 farafahakeliny.

Tokotokony ho tamin'ny 5 ka hatramin'ny 6 ora hariva, nanomboka nivorivory teo ivelan'ny garan'i Yuen Long [3] ny andian'olona miakanjo fotsy ary mitondra tehimby sy kibay hazo.

Koa satria moa nody ny olona rehefa avy nanatrika famoriam-bahoaka miisa 430.000 [4], nirohotra nankao amin'ny gara ireo andian'olona ireo ary nanomboka nanafika ireo mpanao fihetsiketsehana tsy miakanjo fotsy (miakanjo mainty [5] ny ankamaroan'ny mpanao fihetsiketsehana).

Lahatsary iray navoakan'ny Hong Kong Free Press tao amin'ny Twiitter [2] nampiseho olona miakanjo fotsy manafika mpanao fihetsiketsehana sy mpandeha. Lahatsary iray hafa [6] navoakan'i Jun Pang mampiseho andian'olona midaroka fotsiny izay olona iray. Niditra hatrany amin'ny fiaran-dalamby mihitsy aza ireo andian'olona ireo ary heno ny kiaka arakaraka ny hanafihan-dry zareo mpandeha [7], araka ny hita ao amin'ny lahatsarin'i Denise Ho ao amin'ny Twitter. Misy ireo mpiserasera mihevitra fa mpikambana ao amin'ny fikambanan-jiolahy antsoina hoe triady [8] izay manao ny asany eo amin'ny faritr'i Yuen Long ao Hong Kong ireo andian'olona mpanafika ireo:

Asehon'ny lahatsary an'aterineto ireo mpikamban'ny triady ao Yuen Long ao Hong Kong mivory sy mandrahona ireo mpanao fihetsiketsehana milamina.
Hatramin'ny oviana moa ny governemanta HKSAR sy ny polisin'i HK no hizaka ireo mpikamban'ny Triady ireo? Nahazo filazana tsy nisy fandavana hivory ve ry zareo?

Tsikaritra tao an-toerana ny mpanao lalàna Pro-Beijing Junius Ho [14] nifampiarahaba tanana sy nanangana ankihiben-tanana tamin'ny sasantsasany amin'ireo andian'olona:

“Ianareo rehetra no maherifoko”: mpanao lalàna pro-Beijing Junius Ho hita ho nitehaka, nanome “ankihiben-tanana miakatra” ary nifampiarahaba an-tanana ireo lehilahy miakanjo fotsy. Tonga izany raha nanafika ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fandroahana-fampodiana sy ireo mpandeha MTR ao Yuen Long ireto lehilahy miakanjo fotsy an-jatony ireto.

Hatramin'ny fotoana nanoratana tsy nisy ny fisamborana [5] ary nokianin'ny vahoaka ny polisy tsy namaly haingana ny antsom-piangaviana [5]. Ao amin'ny media sosialy, nilaza ireo mpiserasera fa nametraka fitoriana ry zareo saingy tsy nisy valiny izany. Tamin'ny 11:00 p.m., nilaza ny manampahefanan'ny garan-dalamby fa tsy hijanona ao Yuen Long ny fiaran-dalamby zotra andrefana noho ny fahavoarian'andian'olona amro. Niverina ny tolotra fiaran-dalamby tamin'ny 11:25 p.m. ary tonga ny polisy misahana ny rotaka tamin'ny 11:30 p.m.:

Nobanjinin'ny maro indray ny polisy raha nanontany i Yuen Long hoe taiza ry zareo raha nanafika olompirenena tao amin'ny garan'ny MTR ny jiolahimboto teo alohaloha teo. “Lazaina ho miaro anay ianareo. Fa taiza ianareo?

Namoaka fanambaràna ny governemanta izay manameloka ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fampodiana-fandroahana ao Hong Kong sy ireo andian'olona ao Yuen Long izay nahatonga ny herisetra tao an-toerana. Nilaza [21] ny polisy niandraikitra ny raharaha fa fifandonana teo amin'ny vondrona politika roa no niteraka ny herisetra.

Vao izao: Resaka fohy nataon'ny polisin'i HK momba ny fanafihana tao Yuen Long.
F: Nahoana ny olona miakanjo fotsy no nidaroka olona?
V: Mihevitra aho fa manana fijery politika tsy mitovy ny olona ary nifamaly, ka tavela tao anaty fifandonana ara-batana
F: Ahoana ny hanarahanareo ny mpanafika?

Farafahakeliny olona 45 nonampidirina hopitaly ary iray no tena voa mafy [25] vokatry ny fanafihan'ny andian'olona. Anisan'ny naratra ny mpanao lalàna pro-demaokrasia Lam Cheuk Ting, mpanora-gazety roa avy amin'ny Stand News ary vehivavy bevohoka iray.

Ryan Lau mpanora-gazetin'ny TVB teo aloha. Saripika: StandNews.

Nanafika ihany koa i Ryan Lau mpanao gazety teo aloha ary voavely teo amin'ny lohany. Nanoratra izay nitranga izy tao amin'ny Facebook [26]:

昨天本來是安穩的一天,我沒有去遊行,整天都和小朋友在家玩。直到晚上看到元朗站的直播,才決定出發去幫忙。

睇住元朗嘅市民無辜被毆打,求助無門,作為香港人,我諗我只能夠盡力去幫助他們離開。到達現場後,先載了三位年輕人回家,折返了解仲有無人需要幫助時,就發生了事件。

呼籲大家逃走時,回頭發現有市民落單被圍毆,情況危急,無奈跑回頭想把他拉走。可惜,是不自量力。被四五人圍毆,鐵通打在頭上,血不斷淌,咁大個仔未見過咁多血。打了不知多久,有人走來幫忙叫停,anyway,感謝他。然後就不贅了。

漫長一夜,謝謝很多朋友的問候,原諒我未能逐一回覆。聽得最多的一句,係話「小心呀,屋企有大有細⋯」但係,正正係「有大有細」,我地先要勇敢去守護,不是嗎?

Omaly aho tsy nanatrika ny famoriam-bahoaka fa nilalao niaraka tamin'ny zanako tao an-trano. Ny takariva aho nahita ny mivantana an-tserasera tamin'izay nitranga tao Yuen Long ary nandray fanapahan-kevitra ny handeha any ary hijery izay azo hanampiana.
Rehefa nahita ny mponin'i Yuen Long tafihana tsy misy famonjena avy amin'ny manampahefana aho, amin'ny maha-Hongkonger ahy, tiako fotsiny ny hahatafavoaka azy ireo teo amin'ny toerana. Tonga aho ary nitarika tanora telo hody an-trano. Voatafika aho rehefa niverina.
Tamin'izay fotoana izay aho nandrisika ny olona hivoaka, avy eo aho nahita olona iray darohan'olona vitsivitsy, tonga aho hanala azy tao. Saingy tsy matanjaka aho ka voadarok'olona 4-5 tamin'ny tehimby. Tsy mbola nahita ra nivoaka tamin'ny ratrako tahaka izany aho hatrizay niainako. Tsy haiko hoe naharitra hafiriana aho no voadaroka teo mandrapahatonga ny olona iray hanatsahatra azy ireo. Na izany aza tokony nisaotra azy aho.
Lava dia lava ny alina, mila misaotra ireo namana rehetra nanahy ny nahazo ahy aho. Mety ho tsy nahavaly anareo rehetra aho. Ny hafatra niverimberina indrindra dia hoe “mitandrema, mbola kely anaka ianao sy zokiolona tokony hokarakaraina ao an-trano”. Saingy ny zavamisy momba ny ankizy sy ny zokiolona, mila sahy isika ary miaro azy ireny. Tsy tokony ho izay moa no izy?

Raha te-hamaky betsaka momba ny hetsika fanoherana ny fampodiana-fandroahana olona ao Hong Kong, tsidiho ny pejy fitantarana manokana ato amin'ny Global Voices [27].