Nifarana tamin'ny 2 Septambra ny fialantsasatry ny fahavaratra ary efa niverina any an-tsekoly sy oniversite avokoa ireo mpianatra tao Hong Kong. Maro ny mpanohana ny fitondrana no nanantena fa hanamarika ny fahafatesana tsimoramora ny fihetsiketsehana manelingelina tsikelikely nitranga tao amin'ny tanàndehibe izany.
Mety tsy nampoizin'izy ireo anefa ny fahavononan'ireo taranaka tanora tao Hong Kong satria dia mpianatra an'arivony avy amin'ny lisea sy ny Oniversite no namerina ny fihetsiketsehana an-dalambe tany amin'ny faritry ny anjerimanontolo .
Sarivongan'ny demaokrasia tao amin'ny “Oniversiten'ny Mpirotaka”
Tamin'ny 31 Aogositra, natsangana tao amin'ny Oniversite Shinoa tao Hong Kong ny “sarivongan'ny demaokrasia”. Mampiseho mpanao fihetsiketsehana eo amin'ny lohalaharana vonona miaraka amin'ny fiarovan-doha, satroka, solomaso fiarovana ary saron-tava fiarovana amin'ny etona, mitazona elo amin'ny tanany ankavanana sy saina miaraka amin'ny teny faneva, “Avereno Hong Kong. Revolisiona amin'ny Vanim-potoana Iainantsika ” ity sarivongana ity, izay asa-tànana notohanan'ny fitia tsy mba hetra an-tserasera,.
Tany am-piandohan'ny volana Jona, nopetahana anarana (amin'ny teny Shinoa) hoe “Oniversiten'ny Mpirotaka” ao amin'ny sarintany Google ny Oniversite Shinoa ao Hong Kong ho mariky ny hetsika fanentanana manohitra ny fandraisana anjaran'ny mpianatra ao amin'ny oniversite amin'ny fihetsiketsehana manohitra ny fampodiana. Saingy samy faly nandray ny marika tamim-pireharehana ireo mpianatra sy ireo maintimolaly tao amin'ny CUHK .
Lasa fanamiana iraisana ny T-shirt mainty sy ny fitaovam-pihetsiketsehana manokana nandritra ny fitarihan-dàlana nataon'ny sendikan'ny mpianatry ny oniversite tamin'ny mpianatra vaovao:
What freshers’ orientation in Hong Kong looks like this year
Photo from CUHK Local Society#antiELAB #HongKongProtests pic.twitter.com/soNO4X7shR
— Victor Ting (@VictorTing7) August 28, 2019
Toy izao ny endriky ny fitarihan-dàlana natao tamin'ireo mpianatra vaovao tamin'ity taona ity.
Ny anjerimanontolo no toeram-pivoriana nanaovana ankivy ny fampianaran'ny oniversite amin'ny andro voalohany fanombohan'ny taom-pianarana vaovao:
Incredibly long banners at today’s #antielab class boycott assembly at the Chinese University of #HongKong (CUHK) on the first day of new school term. Photos by MP Weekly. https://t.co/3XXPyLYrRY pic.twitter.com/6cFVJDmXoc
— Carmen Ng 吳嘉文 (@Carmen_NgKaMan) September 2, 2019
Sora-baventy tena lava mahavariana tamin'ny fivoriana nanaovana ankivy ny fampianarana androany tao amin'ny Oniversite Shinoa ao Hong Kong (CUHK) tamin'ny andro voalohany nanombohan'ny fotoam-pianarana vaovao. Saripikan'ny MP Weekly.
Tohivakan'olombelona tany amin'ny lisea
Mpianatra avy amin'ny lisea miisa 180 teo ho eo no nanatevin-daharana ihany koa ny hetsika fanaovana ankivy ny fampianarana. Satria tohanan'ny biraom-panabeazam-panjakana ny ankamaroan'ny lisea dia tsy maintsy niatrika famoretana bebe kokoa ireo mpianatra eny amin'ny lisea rehefa nandray anjara tamin'ny hetsika izy ireo. Nanome toromarika ny biraom-panabeazana talohan'ny nanombohan'ny taom-pianarana nitaky ireo tompon'andraikitry ny sekoly tsy hanao ankivy ny fampianarana, tsy hiresaka politika ao an-dakilasy, ary hitatitra momba ny fihetsiketsehana any amin'ny birao. Tsy nampihemotra ireo mpianatra anefa izany.
Tamin'ny andro voalohany an-tsekoly, mpianatra avy amin'ny sekoly ambony an'arivony no nivory tao afovoan-tanàna mba hanatrika ny fivoriambe hanaovana ankivy ny lakilasy:
HK school students strike rally underway in Central, the crowd dressed in either white school uniforms or black resistance uniforms, chanting slogans of the movement. 1/2 pic.twitter.com/KCxXaL7Wc2
— Antony Dapiran (@antd) September 2, 2019
Ny mpianatra tao HK teo am-panaovana fihetsiketsehana tao afovoan-tanàna, nanao fanamian'ny sekoly fotsy na akanjo fanamiana mainty ny olona marobe sady nihiaka nihira ny teny filamatry ny hetsika.
Tamin'ny andro faharoa dia niverina an-tsekoly izy ireo ary nanao tohivakan'olombelona sy namerina namaky ny fitakiana lehibe dimy tamin'ny hetsika manohitra ny fampodiana, ao anatin'izany ny fanesorana tanteraka ny volavolan-dalàna, ny fanadihadiana mahaleotena momba ny tranga, ny fanavaozana politika demaokratika, sns…:
Children are our future.
Why are these HK students holding demonstrations at school? All because they know too well: Freedom is Priceless! Democracy must not be abused!
.#HongKongProtests #antiEALB #FreedomHK pic.twitter.com/Gkfebn7pTR— Jennifer HY Chan ??⛱ (@Jennifer_hk2019) September 3, 2019
Ny ankizy no hoavintsika.
Nahoana ireo mpianatra ao HK ireo no manao fihetsiketsehana any am-pianarana? Satria fantatr'izy ireo tsara izany rehetra izany: Sarobidy ny Fahalalahana! Tsy tokony hitsakitsahana ny demaokrasia!
Tena niavaka ary mampihetsi-po ny sasany tamin'ireo fihetsiketsehana. Tao amin'ny sekoly iray, nihira ny mpianatra hoe “Renareo ve ny vahoaka mihira?” rehefa nihira ny hiram-pirenena Shinoa ny tompon'andraikitry ny sekoly nandritra ny lanonana fanokafana:
#TearjerkerAlert Secondary students singing “Do You Hear The People Sing” instead of the Chinese national anthem during the school Inauguration ceremony. They remained silent when the school anthem was played & chanted slogans afterwards. #BackToSchool #HongKongProtests #antiELAB pic.twitter.com/HWxtUXsSk0
— Freedom HK (@FreedomHKG) September 4, 2019
Ireo mpianatra avy amin'ny lisea nihira hoe «Renareo ve ny Vahoaka Mihira» fa tsy ny hiram-pirenena Shinoa nandritra ny lanonana fanokafana ny taom-pampianaran'ny sekoly. Nangina izy ireo rehefa nalefa ny hiram-pianarana ary nihorakoraka ny teny filamatra avy eo.
Sekoly vitsivitsy ihany no namela ireo mpianatra hanao hetsika iombonana tao amin'ny faritry ny anjerimanontolo.
Secondary school students gathered at the basketball court and the corridors on each floor, chanting “there are no rioters, only tyranny” and “#Hongkongers, add oil!”
video clip from telegram yesterday#FreedomHK #antiELAB #HongKongProtests #ClassBoycott #HongKong pic.twitter.com/ligvTSabC4
— Freedom HK (@FreedomHKG) September 3, 2019
Nivory teo amin'ny kianja filalaovana basikety sy teny an-davarangan'ny sekoly isaky ny rihana ireo mpianatra avy amin'ny lisea, ary nihorakoraka hoe “tsy misy mpirotaka eo, fa tsirefesimandidy no misy ” ary ny hoe “#Ampio menaka ry Hongkongers!”
lahatsary nalaina tao amin'ny telegram omaly
Tsy nomena ny fahalalahana. Tany amin'ny sekoly ambaratonga ambony sasany, nivory teo ivelan'ny anjerimanontolo ireo maintimolaly mpanohana ny fitondrana mba hampitahorana ireo mpianatra. Ny tena ratsy kokoa aza dia nisy mpitantana ny sekoly maromaro niantso ny mpitandro filaminana mba hampiato ny mpianatra tsy hanao fihetsiketsehana. Nisy zazalahy mpianatra iray naratra mafy ary nampidirina hopitaly rehefa nanenjika azy tao anatin'ny anjerimanontolo ny polisy .
A high school in TaiPo, the Principal refused to let anti-government students get inside the school area this morning. Police came and recorded ID no. of some students. A boy was hurt when taking down by police. #HongKong #HKPoliceState #HongKongProtests pic.twitter.com/2QHnNO9olD
— Freedom HK (@FreedomHKG) September 3, 2019
Nandà tsy hamela ireo mpianatra manohitra ny governemanta hiditra tao anatin'ny faritry ny sekoly androany maraina ny tale tao amin'ny lisea iray ao TaiPo. Tonga ny polisy ary naka ny karapanondron'ny mpianatra sasany. Naratra ny ankizilahy iray rehefa nentin'ny polisy.
Raha tokony handinika ny politikan'i Shina ao Hong Kong dia namerina nilaza ny filàna hanamafisana ny fanabeazana hitia tanindrazana ao Hong Kong ny Biraon'ny Misahana an'i Hong Kong sy Macau ao Beijing. Nanabe an'i Joshua Wong sy ireo vondron'ireo mpikatroka mpianatra manodidina azy ny tolo-kevitry ho an'ny fandaharam-pianarana momba ny fanabeazana ara-moraly sy nasionaly ao Hong Kong izay tsy maintsy atao ho an'ny rehetra tamin'ny taona 2012 . Nitondra taranaka mpianatra mpanao fihetsiketsehana mahazaka kokoa ny fihetsiketsehana manohitra ny fampodiana olona amin'izao fotoana izao. Afaka mifehy ny ankehitriny, fa tsy ny hoavy ny politikan'ny famoretana.