Pelaka ao anaty fifaliana an-kira (T & T)

Diabem-pireharehana tao Port of Spain, Trinite tamin'ny 31 Jolay 2019. Sary avy amin'i Maria Nunes. Nahazoana alalana.

Ity manaraka ity dia dika nasiam-panovana tamin'ny lahatsoratra fohy navoakan'ilay poeta Trinidadiana Shivanee Ramlochan tao amin'ny Facebook, noho ny faharoa taonan'ny fankalazana ny Diabe ao Trinite sy Tobago.

Ny fireharehana eo amin'ny lambam-pandriana miaraka amin'ny.lanjan'ny olon-tiana izay silaky ny tenanao. Ny fireharehana ao amin'ny efi-pivoriana miaraka amin'ny hanitra ao amin'ny akanjo maranitra. Ny fireharehana ao amin'ny karavasy miolanolana toy ny bibilava matory eo akaikin'ny fihirananao, mitoetra anaty vatasarihana misy ny kilaotinao tsara indrindra fitondra any am-piangonana. Ny fireharehana ao amin'ny toeram-pijanonan'ny fiara ao amin'ny rihana fahadimy amin'ny tranobe ao Port of Spain, aorian'ny sakafo hariva lafo vidy, alohan'ny hodiana any an-trano amin'ny fiara, mankafy izay efa nohaninao, fisaorana malefaka ao amin'ny tendanao ho an'ilay lehilahy nandalo teo anelanelan'ny molotrao ary niantso fa tsara, sakafo tsara.

Diabem-pireharehana tao Port of Spain, Trinite tamin'ny 31 Jolay 2019. Sary avy amin'i Maria Nunes. Nahazoana alalana.

Faly amin'ny fivoahana, manofahofa sora-baventy, ny ambany nolovaina tamin'ny vanim-potoana niforonan-dry nenitoa Black Rock, saina avana kely mikopaka eo amin'ny takolakao, ho an'ny tsindrona sy oroka. Mirehareha miditra ao, miondrika am-pandriana, manatri-maso ny revolisiona amin'ny alàlan'ny fandefasana mivantana, mihazona ny tanan'ny sakaizanao, tilikambo manga roa mandravaka ny solosaina findainao mavokely, ny fonony plastika miravaka “Trans Lives Matter” [Misy dikany ny ain'ny Trans] ary “Manohana ny Rahavavinao, fa tsy ny Cisters anao irery.”. Mirehareha amin'ny fofona pelaka rehefa milalao amin'ny fihetsiketsehana ianao na bilaogy momba azy ireo, na mametraka ny vatanao eo amin'ny tsipika ianao na ny feonao amin'ny sioka, mihiaka.

Diabem-pireharehana tao Port of Spain, Trinidad tamin'ny 31 Jolay 2019. Sary avy amin'i Maria Nunes. Nahazoana alalana. Pride parade in Port of Spain, Trinidad on July 31, 2019. Photo by Maria Nunes. Used with permission.

Tsara ny rehareha. Ary ara-politika izany. Ary teraka avy amin'ny tantara mihoso-drà sy fikomiana izany, avy amin'ny fakan'ny fahatakarana radikaly fa tsy ny fanekena ihany tanjona azo tanterahana, farafaharatsiny fanekena avy amin'ny manatona-an'i-Kristy, avy amin'ny vondron'orinasa, avy amin'ny vitsy an'isa manampahefana, avy amin'ny evanjelika, avy amin'ny sangany. Ary na hita amin'ny diabe ny vatanao, na tsia, ny fisiana maha-pelaka no fanambinao madio hanakanana ny satan'ny fankahalana manta. Velona ianao. Ny sela rehetra ao aminao, pelaka mangilohilo. Lesbiana tsy azo ihodivirana. Sady tia lahy no tia vavy. Mpanova taovam-pananahana mahatalanjona. Intersex tsy iadian-kevitra. Tsy mijoro eo amin'ny fahadalan'ny fiarahamonina, tsy hoe rehefa tsy lahy dia vavy. Pelaka toy ny hafaliambe.

Diabem-pireharehana tao Port of Spain, Trinite tamin'ny 31 Jolay 2019. Sary avy amin'i Maria Nunes. Nahazoana alalana. 

Hijery? Diabe izany. Diabe ianao. Misafidy ny ho eto ianao, amin'ny maha anao anao, amin'ny teninao manokana, amin'ny vatanao manokana, misy. Totohondry mivonkona miakatra na tanana mitehaka. Tsy mpino na namana. Mafana fo na tsy mpanaja fitsipika. Efa nivoaka tamin'ny zavatra tranainy, mikorontana sy poizina ianao, zavatra izay naniry anao na olona toa anao mba ho faty, hiova fo na tsy miasa, amin'izao fotoanantsika izao miverina amin'ny fahiny.

Mendrika hirehareha amin'ny tenanao ianao, ny hatsaranao tsy hananam-piry. Mandrosoa, omeo hafaliana lehibe ny tenanao.

Voafantina tamin'ny Loka Felix Dennis 2018 ho an'ny angona voalohany tsara indrindra ny Angona tononkalo 2017 an'i Shivanee Ramlochan, Everyone Knows I Am a Haunting.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.