- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nanao fangatahana tany amin'ny Firenena Mikambana sy ny Vondrona Afrikanina ireo mpiaro ny zon'olombelona noho ny fitazonana ilay Nizeriana mpitarika hetsi-panoherana

Sokajy: Afrika Mainty, Nizeria, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Omoyele Sowore. Pikantsary avy amin'ny antsafa tao amin'ny CNBCAfrica, 13 Desambra 2018.

Ny 23 Aogositra,  fikambanana mpiaro ny zon'ny fampitam-baovao sy ny fahalalahan'ny asa fanoratan-gazety miisa 48 no nanao fitarainana [1] tany amin'ny Firenena Mikambana (ONU) sy ny Vaomiera Afrikana misahana ny Zon'olombelona sy ny Zon'ny Vahoaka noho ny fitazonana am-ponja tsy ara-drariny ilay mpikatroka Nizeriana Omoyele Sowore.

Nanamafy ny vondrom-pikambanana iraisampirenena sy Afrikana, izay ahitana ny Global Voices any Afrika Atsimon'i Sahara, ny Open Society ho an'ny Afrika Andrefana, Tondro amin'ny Sivana, ary ny Article 19 Afrika Andrefana fa nanitsakitsaka ankitsirano ny zon'olombelona ananany sady nanitsakitsaka ny fahalalahan'ny asa fanoratan-gazety sy ny fanadihadiana an-gazety any Nizeria ny fitazonana an'i Sowore.

Kandidà ho filoham-pirenena [2] tamin'ny fifidianana tany Nizeria natao ny 23 Febroary tamin'ity taona ity i Sowore izay mpamoaka vaovao avy amin'ny tranokalam-baovao an-tserasera mpanao fanadihadiana Sahara Reporters [3]. Nosamborina araka ny andinin-dalàna faha 27 (1) ao amin'ny Lalànan'ny Fampihorohoroana 2011 [4] i Sowore . Mety higadra mandrapahafaty, handoa lamandy na izy roa miaraka izy raha voampanga sy meloka .

Nosamborin'ny [5] Sampan-draharahan'ny Fiarovam-pirenena (SSS) tany Lagos, Nizeria i Sowore ny 3 Aogositra  taorian'ny niantsoany ny fihetsiketsehana “#RevolisionaAnkehitriny” hanoherana ny tsy fahaiza-mitantan'ny governemanta .

Vakio bebe kokoa: Nigerian activist arrested for calling for a nationwide #RevolutionNow protest movement [6]

“Noforonina fotsiny mba hampanginana an'i Sowore” ny fisamborana sy ny fitazonana azy

Ireo vondrom-pikambanana mpiaro ny zon'olombelona sy ny fahalalahan'ny asa fanoratan-gazety miisa 48 dia nangataka tany amin'ny Vondronasa ONU misahana ny Fanagadrana tsy Ara-drariny , ny Iraka Manokan'ny Firenena Mikambana momba ny fampiroboroboana sy ny fiarovana ny zon'ny fahalalahana maneho hevitra sy miteny, ny Iraka Manokan'ny Firenena Mikambana misahana ny zon'ny fahalalahana manatanteraka fivoriambe am-pilaminana sy ny zo (hanangana) fikambanana, ary ny Iraka Manokan'ny Firenena Mikambana misahana ny toe-javatra iainan'ny mpiaro ny zon'olombelona amin'ny “fiantohana [1] ny famoahana avy hatrany an'i Sowore”. Hoy izy ireo tao anatin'ny fangatahan'izy ireo—izay nomena ihany koa ny iraka manokana misahana ny zon'ny fahalalaham-pitenenana sy ny zon’ ireo mpiaro ny zon'olombelona avy amin'ny Vaomiera Afrikana momba ny Zon'olombelona sy ny Zon'ny Vahoaka—hoe :

We request that you urgently intervene to secure the immediate release of Mr Sowore and declare his arrest and detention a gross violation of his human rights, including the right not to be arbitrarily detained as protected by Article 9(1) of the International Covenant on Civil and Political Rights (ICCPR) and Article 6 of the African Charter on Human and Peoples’ Rights (the Banjul Charter); the right to a fair trial as protected by Article 14 ICCPR and Article 7 of the Banjul Charter; the right to freedom of expression as protected by Article 19 ICCPR and Article 9 of the Banjul Charter; the right of freedom of peaceful assembly and of association as protected by Articles 21 and 22 ICCPR and Articles 10 and 11 of the Banjul Charter; and his rights as a human rights defender as outlined in the 1999 UN  Declaration on Human Rights Defenders and 2017 African Commission Cotonou Declaration on strengthening and expanding the protection of all Human Rights Defenders in Africa.

Mangataka izahay mba hidiranareo an-tsehatra haingana mba hiantohana ny famotsorana avy hatrany an'Atoa Sowore ary hanambara ny fisamborana sy ny fitazonana azy ho fanitsakitsahana tanteraka ny zon'olombelona, ​​anisan'izany ny zo tsy tokony hotànana am-ponja tsy ara-drariny araka ny voalazan'ny Andininy faha-9 (1) amin'ny Fifanarahana Iraisam-pirenena momba ny Zo Sivily sy Ara-politika (ICCPR) sy ny Andininy faha-6 amin'ny Sata Afrikanina momba ny Zon'olombelona sy ny Zon'ny Vahoaka (ny Satan'ny Banjul); ny zo hahazo fitsarana ara-drariny araka ny voalazan'ny Andininy faha-14 amin'ny ICCPR sy ny Andininy faha-7 amin'ny Sata Banjul; ny zo amin'ny fahalalaham-pitenenana araka ny Andininy faha-19 amin'ny ICCPR ary ny Andininy faha-9 amin'ny sata Banjul; ny zo amin'ny fahalalahana amin'ny fivoriana am-pilaminana araka ny andininy faha-21 sy 22 amin'ny ICCPR sy ny Andininy faha-10 sy faha-11 amin'ny Sata Banjul; ary ny zony amin'ny maha mpiaro ny zon'olombelona azy araka ny voasoritra ao amin'ny Fanambarana nataon'ny ONU tamin'ny taona 1999 momba ireo Mpiaro ny Zon'olombelona sy ny Fanambaran'ny Komisiona Afrikanina tany Cotonou momba ny fanamafisana sy ny fanitarana ny fiarovana ny Mpiaro ny Zon'olombelona rehetra aty Afrika.

Anisan'ny nanao sonia ireo fifanarahana ireo i Nizeria ka manitsakitsaka mivantana ny lalàna iraisampirenena noho izany ny fanagadrana an'i Sowore.

Nanambara ihany koa [1] ny fikambanana iraisampirenena sy eo an-toerana momba ny zon'olombelona sy ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety fa “tsy mari-pototra ny fisamborana an'i Sowore noho ny antony filazana fa nohahiahiana tamin'ny fampihorohoroana izy”:

Sowore did what he has done throughout his career as a journalist and human rights activist: exercise his right to freedom of expression and seek to bring about change through peaceful means, in this case a peaceful protest. The use of the emotive term “revolution” merely underlines his desire for transformative change in what he considers the shortcomings of the current government. There are strong suspicions that Sowore’s arrest stems from other motives than suspicions of terrorism. This is further highlighted by the fact that the authorities failed to define a charge against him for the first few days after his arrest; the investigations that were subsequently instigated against him under the Terrorism Act were clearly only created to serve the purpose of silencing Sowore.

Nanao izay tokony nataony nandritra ny asany i Sowore amin'ny maha-mpanao gazety azy sy amin'ny maha-mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona azy tamin'ny fampiharana ny zony amin'ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fikatsahana ny hitondra fanovana amin'ny fomba milamina, izay hetsika am-pilaminana amin'ity tranga ity. Manasongadina fotsiny ny faniriany hanao fanovana lalina amin'izay heveriny fa lesoka ataon'ny governemanta ankehitriny ny fampiasana ilay teny mampihetsi-po hoe “revolisiona” . Ahiana mafy fa avy amin'ny antony hafa ny fiahiahiana azy hanao asa fampihorohoroana nisamborana an'i Sowore. Mbola nasongadin'ny zava-misy tamin'ny tsy fahombiazan'ny tompon'andraikitra tamin'ny famaritana ny fiampangana azy nandritra ny andro maromaro izany taorian'ny nisamborana azy; hita mazava fa noforonina mba hampanginana an'i Sowore ny fanadihadihana natao taty aoriana araka ny Lalàna miady amin'ny Fampihorohoroana .

Mbola tsy notsaraina manoloana ny fitsarana mahefa sady tsy mbola voapanga tamin'ny fomba ofisialy i Sowore. Saingy, nanaiky ny fangatahana avy amin'ny SSS ny fitsarana tao Abuja tamin'ny 8 Aogositra amin'ny hitazonana azy mandritra ny 45 andro [7] mba hanaovana fanadihadiana araka ny Lalànan'ny Fampihorohoroana. Mbola tsy nahomby hatreto ny ezaka nataon'ny mpisolovava an'i Sowore, Femi Falana izay mpisolovava matihanina ao Nizeria, amin'ny fangatahana ny famotsorana azy.