Fantaro i Subhashish Panigrahi, hampiantrano ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ho an'ny herinandro 6 – 12 Aogositra

Sarin'i Subhashish Panigrahi avy amin'i Sebastiaan ter Burg (CC-BY 2.0).

Ao anatin'ny fanentanana media sosialy hankalazana ny fahamaroam-piteny an-tserasera manerana an'i Azia, isankerinandro dia hisy hifandimby hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ireo mpikatroka sy mpanandrateny samihafa ho an'ny fiteny,  hizara ny zava-niainany tamin'ny famelomana aina indray sy fampahafantarana ireo fiteny teratany any amin-dry zareo. Ity fanentanana ity dia fiarahana miasa eo amin'ny Rising Voices, ny Digital Empowerment Foundation, ary ny  O Foundation..

Isankerinandro, ireo vahiny mpampiantrano ho avy eo dia hamaly fanontaniana maromaro momba ny làlana nodiaviny sy hanome topimaso fohy momba ny fitenin-dry zareo. Ity ny Fanontaniana sy Valiny niarahana tamin'i  Subhashish Panigrahi (@subhapa) izay hanome topimaso momba izay horesahany mandritra ny herinandro maha-mpampiantrano azy.

Rising Voices: Azafady lazalazao anay ny momba anao.

Ny làlana nodiaviko teo amin'ny sehatry ny asa dia ny fametrahana vondrom-piarahamonina Aterineto / loharanom-baovao / fahalalàna misokatra sy ireo fandaharanasa amin'ny sehatra tsy mampidi-bola toy ny  Internet Society, Wikimedia Foundation, Mozilla ary ny Ivon-toerana ho an'ny Aterineto sy ny Fiarahamonina. Mpamokatra hononantsary fanadihadiana aho ary telo amin'ireny no amin'ny anarako sy miresaka momba ny zo sy ireo vondrom-piarahamonina, izay tohanan'ny National Geographic. Mpanoratra amin'ny Global Voices ihany koa aho ary mpandray anjara mavitrika amin'ny Rising Voices, izay mpikotrika ihany koa ny maro tamin'ireo asako marobe ara-nomerika ahitana ny fiantsorohana sy fanohanan'i Eddie Avila, talen'ny Rising Voices. Na dia tsy miteny ny fiteny teratany aza aho, dia nanomboka niara-niasa akaiky tamin'ny vondrom-piarahamonina Santali tamin'ny taona 2014, tamin'izany fotoana izany nitarika ny tetikasa Ol Chiki tao amin'ny Fandaharanasa Fanovozam-pahalalana an'ny Center for Internet Society ka tanjona tamin'izany ny famoronana endritsoratra ho fampianarana mamaky teny sy manoratra ny Ol Chiki (fomba fanoratana ny fiteny Santali), fitaovana fanoratana sy loharano fanabeazana misokatra . Taty aoriana kely tamin'ny taona 2017, nahetsiko indray ilayy tetikasa OpenSpeaks izay noforoniko tamin'ny taona 2015 mba hamoronana loharanom-baovao misokatra (ara-pedagojika, teknika ary media) mba hanampiana an'ireo vondrom-piarahamonina hitahiry ireo fiteny andalam-pahaverezana sy ireo fiteny hafa natao anjorom-bala. Niaraka tamin'ireo namana hafa tao amin'ny Wikimedia nitovy firehana tamin'ny tena, niara-namorona ny O Foundation (OFDN) aho, fikambanana iray tsy mampidi-bola izay miasa mikasika an'ireo olana natao anjorom-bala teo amin'ny Aterineto, amin'ny fomba mangaraharaha, ny fandresena lahatra ary ny fampiroboroboana ireo media tao anatiny.

RV: Ahoana ny toerana misy ny fiteninareo ety anaty sy ivelan'ny aterineto?

Odia no tenin-drazako ary ny fiteny avy any avaratra antsoina hoe Baleswari no iresahako ao an-trano. Tsara ihany ny zava-misy, satria marobe ireo fanamby mila atrehana. Fiteny ofisialy ho an'ny fanjakana Indiana ao Odisha ilay teny ary nampiasaina tany amin'ny ambaratonga voalohany hatreny amin'ny fanomanana ‘maîtrise’, ary na dia any ivelan'ny fanabeazana aza. Tokony mbola ampiasaina betsaka koa izy any amin'ny fitantanana sy ny sehatry ny fitsarana. Misy indositria mavitrika ho an'ny horonantsary sy ireo media. Nohon'ny fisian'ireo fampiharana anaty finday, marobe ireo mpampiasa Aterineto avy amin'ireo vondron-taona rehetra no mizara votoaty ety amin'ny aterineto ankehitriny, anisan'izany ny anatin'ireo tambajotra sosialy. Misy ny Wikipedia amin'ny teny Odia ary roa amin'ireo tetikasa rahavaviny – Wikisource sy ny Wiktionary izay mbola mavitrika  amin'izao fotoana izao izay ahitana mpandray anjara an-tsitrapo manodidina ny 25 eo ho eo. Marobe ireo bilaogy sy tranokalam-baovao sy literatiora an-tambajotra ary hafa koa. Misy ihany koa ireo andiana fantsona Youtube, anisan'izany ireo vlogs iresahana sakafo.

RV: Mikasika lohahevitra inona no kasainao hifantohana mandritra ny herinandro izay hitantananao ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline?

Koa satria ny herinandro itantanako  dia atao mandritra ny Andro Iraisam-pirenena natokana ho an'ireo vahoaka teratany, andro iray nataon'ny Firenena Mikambana mba hankalazana ny fahasamihafan'ny vahoaka teratany manerantany, dia hozaraiko ny sasantsasany amin'ireo olana, fanamby ary zavatra mety atao mifandraika amin'ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika eo amin'ny faritra misy ahy – Azia Atsimo. Niaraka niasa ihany koa tamin'ireo vondrom-piarahamonina marobe aho ary ankehitriny dia miaraka miasa amin'i Ramjit Tudu, namana iray sady mpikatroka nomerika ho an'ny fiteny avy ao amin'ny vondrom-piarahamonina Santali izay mitarika ny Filankevitry ny vondrom-piarahamonina natao ankilabao ao amin'ny O Foundation – Ho zaraiko ny fianarana azo avy amin'ireo mpitarika vondrom-piarahamonina marobe natao ankilabao, avy amin'ny fihaonana voalohany nataon'ilay filankevitra

RV: Inona no tena antony manosika anao ho amin'ny fikatrohana an-tserasera ho an'ny fiteninao? Inona no fanantenanao sy nofinofinao ho an'ny fiteninao?

Raha ny marina, idiran-javatra maromaro manandanja amin'ny fiteny samihafa natao an-jorombala ao amin'ny faritra misy ahy ny asako, ary asa vitsivitsy ao anatin'ny fiteniko. Izaho manokana dia mahita ny tsy fahampian'ny loharanom-baovao ara-media, ara-teknika sy ara-panabeazana ho toy ny olana iankinan'ny ain'ny fahazoana an'ireo zo nomerika ho an'ireo vondrom-piarahamonina natao anjorom-bala. Ny fanambiko goavana sy tanjoko dia ny hamantarana ireo vondrom-piarahamonina izay tena voatohintohina tokoa ny zo nomerikany, ny hiasa akaiky kokoa miaraka amin'izy ireny sy hiaraka hamorona reo loharanom-baovao izay mety afaka hanampy amin'ny fiatrehana ireny fanamby ireny. Manonofinofy mahita Aterineto miralenta aho izay hahazoan'ny vondrom-piarahamonina tsirairay avy hiditra mitovy amin'ny fahalalana, eo amin'ny tanjaka sy loharanom-baovao ilaina mba handraisana anjara amin'ireo fahalalana iraisana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.