- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manivana ireo vaovao momba an'i Isiraely sy i Palestina ve ny Facebook? (2009)

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Israely, Jordania, Palestina, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny janoary 2009)

Nahazo lohatenin-gazety [1] be mpamaky ny Facebook [2] tamin'ny herinandro voalohany volana janoary 2009 rehefa nanivana saripikan- [3]dreny mampinono ny zanany.  Raha mihalasa sehatra [4] fanomanana sy fiadian-dresaka ny Facebook, maro ireo mahatsikaritra fa nanjavona ny votoaty napetrany.

Maneho ny ahiahiny amin'ny fanjavonan'ny votoaty apetrany ao amin'ny Facebook (na dia tsinjo ho manohana ny sivana ihany koa aza ry zareo) ny Jewish Internet Defense Force [5] (JIDF na Herim-Piarovana an'Aterineto Jiosy), izay manoritsoritra azy ireo ho “vondrona tsy mampiasa herisetra maneho ny ahiahiny amin'ireo votoaty an-tserasera antisemitika, sy ireo votoaty mampiroborobo ny fampihorohoroana ao amin'ny tranonkala ahitana ny Facebook, YouTube, Wikipedia, Google Earth, Blogger, ary ireo tranonkala sy tsenankevitra (forums) manerana ny aterineto”:

* ….. by clicking on link on Facebook which takes people here, which is a story about the terrorist organization responsible for the attacks in Mumbai being involved on Facebook itself. It was a topic of a conversation in a Facebook group, which originally occurred here: www.facebook.com/topic.php?uid=2204704082&topic=6904 (as you can see in the screencap)

* However, now that conversation is gone! What happened to it, Facebook? This is not the first time we have noticed this phenomenon. Many threads in various pro-Israel and pro-JIDF groups have mysteriously disappeared!

* It seems Facebook is extremely active in censoring content which might be “anti-Facebook” to some extent, yet the Jew hatred and promotion of Islamic terrorism remains.

* We tried to send the following message out to all our JIDF Facebook group members over 5 hours ago and it is either not going to go through, seriously delayed, or Facebook is censoring our content:

* … Amin'ny fitendrena rohy ao amin'ny Facebook izay mitondra ny olona mankao, izay tantaram-pikambanana mpampihorohoro tompon'andraikitra tamin'ny fanafihana tao Mumbai mirotsaka an-tsehatra ao amin'ny Facebook ihany koa. Ity ny lohahevitry ny resadresaka tao amin'ny vondrona Facebook iray, izay niainga voalohany tato: www.facebook.com/topic.php?uid=2204704082&topic=6904 (araka izay hitanao amin'ny pikantsary)

* Koa satria moa efa lasa ilay resaka! Inona no nitranga tamin'io ry Facebook? Tsy vao sambany izahay no nahatsikaritra toe-javatra tahaka izao. Randram-baovao maro ao amin'ireo vondrona Pro-Isiraely sy Pro-JIDF no nanjavona tampoka teo!

* Hita ho mavitrika aoka izany ny Facebook amin'ny fanivanana votoaty mety ho “anti-Facebook” amin'ny lafiny sasany, nefa mbola mitoetra ao ny fankahalana jiosy sy fampiroboroboana ny fampihorohoroana islamika.

* Niezaka izahay ny handefa ity hafatra manaraka ity tamin'ireo mpikambana rehetra ato amin'ny vondrona Facebook JIDF ora 5 lasa izay fa na tsy nandeha ilay izy na taraiky dia taraiky, na nanakana ny votoatinay ny Facebook

Raha mino ny JIDF fa mitoetra ao amin'ny Facebook ny “fankahalana jiosy sy fampiroboroboana ny fampihorohoroana islamika”, dia mahita ihany koa ny mpanohana an'i Palestina sy i Gaza fa voasivana ihany koa ny votoaty apetraky ry zareo. Rebelliousgirl [6] naneho hevitra tao amin'ny Twitter fa nisoroka amin'ny fampiasany farangoteny [7] ny Facebook:

Jordaniana bilaogera Jad Madi, izay mamariparitra ny tenany ho “Tafovoany Atsinanana,” nanova ny anarany [8] ho “Gaza Jad Madi” rehefa nahatsikaritra filazana ho fitongilanana nataon'ny Facebook:

Facebook started to delete anti zionist content [9], we need to draw the maximum attention to Gaza cause, changing your first name into Gaza should help.

My name now is Gaza Jad Madi

Nanomboka namafa votoaty antisionista ny Facebook, mila mahazo fifantohana tanteraka amin'ny fanohanana an'i Gaza isika, tokony manampy ny manova ny anarana ho Gaza.
Gaza Jad Madi izao no anarako

Ny bilaogy nametrahan'i Gaza Jad Madi rohy dia ny Shuger Cuebs, izay manontany hoe: “Manitsakitsaka ny zon-tsika halalaka fiteny ve ny Facebook?” Manoratra [9] ilay Palestiniana bilaogera :

A friend of mine had to go through such an irritating experience with the facebook administration; according to Ibrahim Mughrabi, facebook has deleted content on his personal profile related to the “Zionist attacks on Gaza”. He says he’s been contacted by the administration and warned that he’d be suspended from posting stuff on facebook if he continues to do so!

So much for free speech and equal rights for everyone in this world.

Nisy namako efa tratran'ny toe-javatra mahasosotra avy amin'ny fitantanana ny facebook; araka an'i Ibrahim Mughrabi, namafa votoaty tao amin'ny mombamomba azy manokana mifandraika amin'ny “Ny fanafihan'ny Sionista an'i Gaza” ny facebook. Nilaza izy fa niantso azy ny fitantanana ary nampitandrina fa aato ny famoahany votoaty ao amin'ny facebook raha mbola manohy manao izany izy!
Be dia be amin'ny fahalalaham-pitenenana sy ny fitovian-jo eto amin'ity izao tontolo izao ity.

Niharan'ny fanivanana ve ianao tao amin'ny Facebook? Ampahafantaro anay izany.