- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Global Voices ao amin'ny Radio Open Source (2005)

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra tamin'ny volana May 2005)

Nanolotra manontolo ny fandaharany faharoa [1] ny Zoma ho an'ny Global Voices ny Radio Open Source [2], fandaharana vaovao amin'ny onjam-peo ho an'ny daholobe natolotr'i Chris Lydon avy any Cambridge, Massachusetts. Nahitana ny resadresaka tamin'ny finday niaraka tamin'ireo bilaogera Hossein Derakhshan [3] (Hoder), Ndesanjo Macha [4], Dina Mehta [5], Steve McDermott [6], ary ny mpiara-manorina ny Global Voices Ethan Zuckerman [7], niaraka tamiko [8] nipetraka tao amin'ny studio ny fandaharana.

Tsindrio eto [1], mihainoa, ary ampahafantaro anay izay eritreritrareo. Nieritreritra izaho sy Ethan raha tokony hiezaka hanatontosa rakipeo Global Voices tsy tapaka isika.

Izay mitondra antsika mankany amin'ny lafin-javatra hafa. Miasa amin'ny fanangonan-dahatsoratra [9] bilaogy isika amin'izao fotoana izao… saingy tena tsy maintsy tokony manao fanangonana rakipeo isika – ary mety ho avy ihany koa ny fanangonana lahatsary – avy amin'izao tontolo izao.

Raha efa nanatontosa rakipeo, rakitsary, sns … ianao, na raha mahafantatra olona manatontosa rakipeo sy rakitsary mahaliana avy amin'ny firenena manerana izao tontolo izao. Miangavy anao mba hanome “fanehoan-kevitra” ary ampahafantra anay momba izany!!