Global Voices ao amin'ny Radio Open Source (2005)

(Lahatsoratra tamin'ny volana May 2005)

Nanolotra manontolo ny fandaharany faharoa ny Zoma ho an'ny Global Voices ny Radio Open Source, fandaharana vaovao amin'ny onjam-peo ho an'ny daholobe natolotr'i Chris Lydon avy any Cambridge, Massachusetts. Nahitana ny resadresaka tamin'ny finday niaraka tamin'ireo bilaogera Hossein Derakhshan (Hoder), Ndesanjo Macha, Dina Mehta, Steve McDermott, ary ny mpiara-manorina ny Global Voices Ethan Zuckerman, niaraka tamiko nipetraka tao amin'ny studio ny fandaharana.

Tsindrio eto, mihainoa, ary ampahafantaro anay izay eritreritrareo. Nieritreritra izaho sy Ethan raha tokony hiezaka hanatontosa rakipeo Global Voices tsy tapaka isika.

Izay mitondra antsika mankany amin'ny lafin-javatra hafa. Miasa amin'ny fanangonan-dahatsoratra bilaogy isika amin'izao fotoana izao… saingy tena tsy maintsy tokony manao fanangonana rakipeo isika – ary mety ho avy ihany koa ny fanangonana lahatsary – avy amin'izao tontolo izao.

Raha efa nanatontosa rakipeo, rakitsary, sns … ianao, na raha mahafantatra olona manatontosa rakipeo sy rakitsary mahaliana avy amin'ny firenena manerana izao tontolo izao. Miangavy anao mba hanome “fanehoan-kevitra” ary ampahafantra anay momba izany!!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.