- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tatitra manokana 2010: BBC News sy ny Global Voices

Sokajy: Mediam-bahoaka

Niara-niasa nandritra ny tapa-bolana ny ekipan'ny tranonkala BBC News sy ny Global Voices  tao anatin'ny Andiany SuperPower izay nokarakarain'ny BBC [1] momba ny aterineto mba hahitana ny fomba hamenoan'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra ao amin'ny aterineto ny tatitra iraisampirenena sasany ataon'ny BBC sy ny mifamadika amin'izany. Ho fampiharana izany, natombokay ny fampidirana ireo rohin'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra amin'ny tantaram-baovaon'ny BBC ary notadiavina ihany koa ny toerana ahafahan'ny lahatsoratry ny Global Voices manome fomba fijery vaovao.

Rohim-baovao BBC

16 Martsa – Nifiritika rà ny lobaka mena Thailandey tamin'ny hetsi-panoherana manohitra ny governemanta [2]
12 Martsa  – Manohana ny hetsi-panoherana ‘lobaka mena’ i Thailandy [3]
11 Martsa  – Maneho ny heviny amin'ny aterineto ny indizeny Mapuche any Shily [4]
10 Martsa  – Maty teo amin'ny faha 81 taonany i Sheikh Tantawi, mpitondra fivavahana ambony ao Ejipta  [5]
09 Martsa  – Nankatoa ny volavolan-dalàna mifehy ny isan'ny vehivavy ao amin'ny parlemanta ny antenimieran-doholona Indiana [6]
09 Martsa  – 62% ny taham-pahavitrihana tamin'ny fifidianana tany Iraq, hoy ny manampahefana [7]

Solana LarsenGlobal Voices managing editor, Solana Larsen is commenting on the daily process here [8].


-Listen to interview [9] on BBC 5 Live's Pods and blogs [10]-
Listen to inteview [11]on BBC World Service Over to You [12] -

Naneho hevitra momba ny dingana isan'andro eto [8] ny Tonia Mpitantana Global Voices, Solana Larsen.

- Araho ny antsafa [9] tao amin'ny BBC 5 Rakipeo sy bilaogy [10] mivantana-
Araho ny antsafa [11] tao amin'ny BBC World Service Ho Anao [12] -

 

Announcing the project

Steve HermanSteve Herman [13], BBC News website editor – “As part of the BBC's SuperPower season – a special series on the internet – we will be teaming up with Global Voices, a non-profit blogging network of citizen journalists, to present a different range of perspectives and commentary from around the world.”

Ivan Sigal Ivan Sigal [14], Global Voices executive director - “The idea that citizen journalism is somehow opposed to or in conflict with traditional journalism is now clearly past; it's evident that both exist in symbiotic relationship to one another, with many opportunities to collaborate on the creation of news, storytelling, and distribution of content.”

Fanambarana ny tetikasa

Steve Herman [13] , toniandahatsoratry ny tranonkala BBC News – “Ao anatin'ny andiany BBC's SuperPower- andian-dahatsoratra manokana ao amin'ny aterineto – hiara-hiasa amin'ny Global Voices izahay, tambajotra fibilaogiana tsy mitady tombontsoa ho an'ny mpanao gazety olon-tsotra, mba hanolorana ireo fomba fijery samihafa sy ireo fanehoan-kevitra manerana izao tontolo izao. “

Ivan Sigal [14] , tale mpanatanteraka Global Voices – “Efa mazava ankehitriny fa nilaozan'ny toetr'andro ny fiheverana fa hoe manohitra na mifanohitra amin'ny asa fanaovan-gazety nentim-paharazana ny fanoratan-gazetin'olon-tsotra; Hita miharihary fa samy misy izy ireo ao anatin'ny fifandraisana mifampiankina, miaraka amin'ny fahafahana maro hiara-hiasa amin'ny famoronana vaovao, fitantaram-baovao, ary ny fizarana votoaty. “

Tranonkala malaza 

 

- Verindrohy Twitter  [15]
– Screenafrica.com: BBC sy ny asa fanaovan-gazetin'olon-tsotra [16]
– Bilaogin'i Steve Virgin: Miara-miasa amin'ny olon-tsotra mpanira-gazety ao amin'ny tambajotra Global Voices ny ekipan'ny BBC [17]
– The Guardian – Miara-miasa amin'ny olon-tsotra mpanora-gazetyao amin'ny tambajotra Global Voices ny ekipan'ny BBC [18]
– Editors Weblog: Manambara ny fiarahany miasa ny BBC sy ny Global Voices [19]
– Korrespondent.net: Сайт Би-би-си привлекает к сотрудничеству блоггеров [20]
– Journalism.co.uk: BBC Editors Blog: Miara-miasa amin'ny tambajotra fibilaogiana Global Voices ny BBC [21]