Niara-niasa nandritra ny tapa-bolana ny ekipan'ny tranonkala BBC News sy ny Global Voices tao anatin'ny Andiany SuperPower izay nokarakarain'ny BBC momba ny aterineto mba hahitana ny fomba hamenoan'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra ao amin'ny aterineto ny tatitra iraisampirenena sasany ataon'ny BBC sy ny mifamadika amin'izany. Ho fampiharana izany, natombokay ny fampidirana ireo rohin'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra amin'ny tantaram-baovaon'ny BBC ary notadiavina ihany koa ny toerana ahafahan'ny lahatsoratry ny Global Voices manome fomba fijery vaovao.
Rohim-baovao BBC
16 Martsa – Nifiritika rà ny lobaka mena Thailandey tamin'ny hetsi-panoherana manohitra ny governemanta
12 Martsa – Manohana ny hetsi-panoherana ‘lobaka mena’ i Thailandy
11 Martsa – Maneho ny heviny amin'ny aterineto ny indizeny Mapuche any Shily
10 Martsa – Maty teo amin'ny faha 81 taonany i Sheikh Tantawi, mpitondra fivavahana ambony ao Ejipta
09 Martsa – Nankatoa ny volavolan-dalàna mifehy ny isan'ny vehivavy ao amin'ny parlemanta ny antenimieran-doholona Indiana
09 Martsa – 62% ny taham-pahavitrihana tamin'ny fifidianana tany Iraq, hoy ny manampahefana
Global Voices managing editor, Solana Larsen is commenting on the daily process here.
-Listen to interview on BBC 5 Live's Pods and blogs-
– Listen to inteview on BBC World Service Over to You -
Naneho hevitra momba ny dingana isan'andro eto ny Tonia Mpitantana Global Voices, Solana Larsen.
- Araho ny antsafa tao amin'ny BBC 5 Rakipeo sy bilaogy mivantana-
– Araho ny antsafa tao amin'ny BBC World Service Ho Anao -
Announcing the project
Steve Herman, BBC News website editor – “As part of the BBC's SuperPower season – a special series on the internet – we will be teaming up with Global Voices, a non-profit blogging network of citizen journalists, to present a different range of perspectives and commentary from around the world.”
Ivan Sigal, Global Voices executive director - “The idea that citizen journalism is somehow opposed to or in conflict with traditional journalism is now clearly past; it's evident that both exist in symbiotic relationship to one another, with many opportunities to collaborate on the creation of news, storytelling, and distribution of content.”
Fanambarana ny tetikasa
Steve Herman , toniandahatsoratry ny tranonkala BBC News – “Ao anatin'ny andiany BBC's SuperPower- andian-dahatsoratra manokana ao amin'ny aterineto – hiara-hiasa amin'ny Global Voices izahay, tambajotra fibilaogiana tsy mitady tombontsoa ho an'ny mpanao gazety olon-tsotra, mba hanolorana ireo fomba fijery samihafa sy ireo fanehoan-kevitra manerana izao tontolo izao. “
Ivan Sigal , tale mpanatanteraka Global Voices – “Efa mazava ankehitriny fa nilaozan'ny toetr'andro ny fiheverana fa hoe manohitra na mifanohitra amin'ny asa fanaovan-gazety nentim-paharazana ny fanoratan-gazetin'olon-tsotra; Hita miharihary fa samy misy izy ireo ao anatin'ny fifandraisana mifampiankina, miaraka amin'ny fahafahana maro hiara-hiasa amin'ny famoronana vaovao, fitantaram-baovao, ary ny fizarana votoaty. “
Tranonkala malaza
- Verindrohy Twitter
– Screenafrica.com: BBC sy ny asa fanaovan-gazetin'olon-tsotra
– Bilaogin'i Steve Virgin: Miara-miasa amin'ny olon-tsotra mpanira-gazety ao amin'ny tambajotra Global Voices ny ekipan'ny BBC
– The Guardian – Miara-miasa amin'ny olon-tsotra mpanora-gazetyao amin'ny tambajotra Global Voices ny ekipan'ny BBC
– Editors Weblog: Manambara ny fiarahany miasa ny BBC sy ny Global Voices
– Korrespondent.net: Сайт Би-би-си привлекает к сотрудничеству блоггеров
– Journalism.co.uk: BBC Editors Blog: Miara-miasa amin'ny tambajotra fibilaogiana Global Voices ny BBC
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...