Ny andro manerantany iadiana amin'ny SIDA taona 2010

Fankalazana faha-22, manintona ny sain'ny olona mihoatra ny 33 tapitrisa miaina miaraka amin'ny VIH ny Andro manerantany iadiana amin'ny SIDA  fanao isaky ny 1 Desambra. Tamin'ny taona 2009, ankizy maherin'ny 1000 maneran-tany no tratran'ny VIH isan'andro.

Miorina amin'ny firaisankina manerantany ny Andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny SIDA, ary amin'ity taona ity, dia mandeha ny fanentanana Hazavana ho an'ny Zo. Mandrisika ny olona any amin'ny tanàna manerana izao tontolo izao mba hampihena ny jiro eo amin'ny sehatra manan-danja ny fanentanana mba hahatsiarovana ny loza mahatsiravina ateraky ny fiantraikan'ny SIDA, ary hampiharihary ny zo fototra iarahantsika rehetra. Ny jiro ho an'ny zo dia hitranga any amin'ny kontinanta rehetra ary azonao atao ny manaraka ny any akaikinao amin'ity sarintany ity.

 

Mibilaogy miabo [=miaina miaraka aminy]

Blogging PositivelyHirika lehibe hizarana fahalalana sy hanapariahana hevitra mampivoatra mahakasika ity aretina mandringana ity ny Andro Manerantany iadiana amin'ny SIDA. Mampiseho ny fomba ahafahana mampiasa ny mediam-bahoaka amin'ny aterineto ny torolalan'ny Rising Voices “Mibilaogy miabo” mba hanaovana fanentanana sy hiresahana momba ny VIH/SIDA manerana izao tontolo izao .

Ny 2 desambra (11 ora maraina EST na 4 hariva GMT), manohana fifanakalozan-dresaka mivantana [antserasera] ny Rising Voices mba handinihana izay tokony ho dingana manaraka ho an'ny Toro-lalana Mibilaogy miabo, ao anatin'izany ny fomba ahafahana mampiasa azy amin'ny fiarahamonina samihafa. Raha liana amin'ity lohahevitra ity ianao ary manana hevitra mikasika ny fomba ahafahan'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra manampy amin'ny fanentanana momba ny VIH/SIDA manerana an'izao tontolo izao na raha te-hahalala bebe kokoa momba ny Rising Voices ianao, dia miaraha aminay ao amin'ny fifanakalozan-dresaka mivantana ato.

Ny lahatsoratra Global Voices voatsonga tamin'ny taona 2010 mikasika ny VIH/SIDA

30 Sep – Afrika: Natao momba, niharan'ny fanavakavahana ary nahilikilika ireo vehivavy miaina miaraka amin'ny VIH
06 Sep – Shina: Mendrika hasambarana i Tian Xi 
03 Apr – Ozbekistan: Nafenina ny otrikaretina VIH, nosaziana ireo mpanao fanentanana manohitra ny SIDA
03 Feb – Satria efa milamina i Liberia, manomboka miresaka momba ny firaisana ara-nofo ny tanora
24 Jan – Arabia Saodita: mihemotra ny fitsaboana ny SIDA

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.