- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro i Uzoma Ozurumba Ihechiluru, hitantana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang 4 – 10 septambra 2019

Sokajy: Antsafa, Mediam-bahoaka, Teny afrikana sy Dizitaly-digiafricanlang, Rising Voices

Sary nomen'i Uzoma Ozurumba Ihechiluru.

Ao anatin'izao taona 2019 izao ho fandraisana anjara amin'ny fanentanana an-tambajotra sosialy hankalazana ny hamaroam-piteny an-tserasera [1], hifandimby hitantana ny kaonty Twitter @DigiAfricanLang [2] ireo Afrikàna mpikatroka sy mpandala ny teny hizarany ny zava-niainany tamin'ny famelomana aina indray sy fampiroboroboana ny fiteny afrikàna. Mikasika an'i Uzoma Ozurumba Ihechiluru (@uzomaozurumba [3]) sy izay kasainy horesahana mandritra ity herinandro ity amin'ny maha-mpampiantrano azy ity lahatsoratra fampahafantarana ity.

Rising Voices: Mba lazalazao aminay ny momba anao.

My name is Uzoma Ozurumba Ihechiluru; I am an Architect and a public servant in Nigeria. I am an open knowledge advocate and activist; a co-founder of Igbo Wikimedians User Group. The Igbo Wikimedians User Group is an affiliate of the Wikimedia Foundation that is committed to working on various Wikimedia projects related to Igbo language and culture.

Uzoma Ozurumba Ihechiluru no anarako; mpanao maritrano (arsitekta) sady mpiasam-panjakana eto Nigeria aho. mpanandra-teny amin'ny fisokafan'ny fahalalàna aho sady mpikatroka; Mpiara-manorina ny vondrona mpisera Wikimediana Igbo. Mikambana ao amin'ny Orina Mpanasoa Wikimedia izay nanao ho adidy hiasa amin'ireo tetikasa isan-karazany mifandraika aminny fiteny sy ny kolontsaina Igbo ny vondrona mpisera Wikimediana Igbo.

RV: Manao ahoana ny toeran'ny teninareo antserasera sy ivelan'izany amin'izao fotoana izao?

I would say the current status of Igbo language on the internet is encouraging. At the moment, the Igbo Wikipedia can boast of 1,417 articles, and the home page ranked the third most visited in February 2019. Also, the Igbo Wiktionary, which is an Igbo dictionary, is increasing in content. Although this project is still in the incubation stage, it has over five hundred words and its pronunciations, and we look forward to being hosted soon. So, I would say online and offline we are shaping up.

Te-hiteny aho hoe mahamiramirana ankehitriny ny toerana misy ny fiteny Igbo ao amin'ny aterineto. Afa-mirehareha manana lahatsoratra 1417 ny Wikipedia Igbo amin'izao fotoana izao, ary voalahatra ho nahazo ny fahatelo be mpitsidika indrindra ny pejy fandraisana tamin'ny febroary 2019. Efa mihamitombo votoaty ihany koa ny ny wiktionary Igbo, izay rakibolana Igbo. Na dia mbola ao anatin'ny dingana fikotrehana aza ity tetikasa ity, efa mihoatra ny dimanjato ny voambolana sy ny fanononana ao aminy, ary manantena  izahay fa ho voapetraka amin'ny lohamilina tsy ho ela. Koa na antserasera na ivelan'izany dia efa mihatsara volavola izahay.

RV: Lohahevitra inona no tianao hifantohana mandritra ny herinandro hitantananao ny kaonty Twitter @NativeLangsTech?

I will focus on

  • Creating awareness about Igbo names and their meanings.
  • Meaning of literacy and digital literacy
  • Empowerment through languages.

Ireto avy ny hifantohako:
Hanangana fanairana momba ny anarana Igbo sy ny dikany.
Ny dikan'ny fahaiza-mamaky teny sy ny fahaiza-mamaky teny dizitaly
Fampaherezana amin'ny alalan'ny fiteny maro

RV: Inona no tena mandrisika anao hazoto ara-nomerika ho an'ny fiteninareo? Ny fanantenanao sy ny nofinofinao ho amin'ny fiteninareo?

The prediction of the extinction of Igbo language by UNESCO was a wake-up call for me. I look forward to literacy in Nigeria not being defined as the ability to read and write in English; which seems so because most content online is in English. This issue leaves people without formal education illiterate and not empowered.

Antso fanairana ho ahy ny fanombanana mialoha nataon'ny UNESCO amin'ny hanjavonan'ny fiteny Igbo. Mitady aho mba tsy hofaritana ho fahaizana mamaky sy manoratra teny anglisy ny fahaizana mamaky teny eto Nizeria, tahaka izay no zavamisy satria amin'ny teny anglisy ny ankamaroan'ny votoaty an-tserasera. Izay olana izay no mahatonga ny olona ho tsy azo lazaina ho tsy mahay mamaky teny ara-panabeazana amin'ny fomba ofisialy nefa tsy mahazo ny vahana tokony avela ho azy.