Fantaro i Ramjit Tudu, mpampiantrano ny kaonty twitter @AsiaLangsOnline ny 3 – 9 Sep 2019

Sary natolotr'i Ramjit Tudu

Ao anatin'ny fanentanana media sosialy hankalazana ny fahamaroam-piteny an-tserasera manerana an'i Azia, isankerinandro dia hisy hifandimby hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline ireo mpikatroka sy mpanandrateny samihafa ho an'ny fiteny,  hizara ny zava-niainany tamin'ny famelomana aina indray sy fampahafantarana ireo fiteny teratany any amin-dry zareo. Ity fanentanana ity dia fiarahana miasa eo amin'ny Rising Voices, ny Digital Empowerment Foundation, ary ny  O Foundation.

Isankerinandro, ireo vahiny mpampiantrano ho avy eo dia hamaly fanontaniana maromaro momba ny làlana nodiaviny sy hanome topimaso fohy momba ny fitenin-dry zareo.Ity ny Fanontaniana sy Valiny niarahana tamin'i Ramjit Tudu (@Ramjit_Tudu) izay hanome topimaso momba izay horesahany mandritra ny herinandro maha-mpampiantrano azy.

Rising Voices: lazalazao anay ny momba anao azafady.

Izaho no Ramjit Tudu, avy any Mayurbhanj distrikan'i Odisha, India. Mpiteny teratany ny fiteny Santali aho. Mpianatra aho amin'izao fotoana izao. Mifanindran-dàlana amin'ny fianarako, dia miasa koa amin'ny fandraketana ho amin'ny endrika nomerika ireo fiteny natao an-jorom-bàla aho, toy ny Santali sy ny Ho, ankoatra ireo maro hafa. Tsy ela akory izay, natombokay ny ‘Filankevitr'ireo Vondrom-piarahamonina Voahilikilika’, fiarahana miasa amin'ny “O Foundation” (OFDN), ka izaho no mpiara-mandrindra tetikasa ao.

RV: Ahoana ny toerana misy ny fiteninareo ety anaty sy ivelan'ny aterineto?

Iray amin'ireo fiteny ofisialy ao India ny Santali, ary fitenin'ireo vondrom-piarahamonina Santal ao amin'ny fanjakan'i Odisha, Bengal Andrefana, Jharkhand, Bihar, Assam ao  India sy ny fanjakana sasany ao Nepal ary hatrany Bangladesh. Nampidirina ho ao anatin'ny fandaharam-pianarana ao Odisha, Bengal Andrefana ary Jharkhand io fiteny io. Miasa betsaka any anatin'ireo fampiharana aty anaty media sosialy ny Santali, toy ny Facebook sy WhatsApp. Na izany aza, mbola vitsivitsy ihany ireo tranonkala amin'ny fiteny Santali tanteraka. Vikashpedia sy Wikipedia no isan'ireo tranonkala vitsivitsy mitondra torohay momba ny fiteny Santali sy ireo vondrom-piarahamonina.

RV: Mikasika lohahevitra inona no kasainao hifantohana mandritra ny herinandro izay hitantananao ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline?

Satria aho miasa ho amin'ny fanomezana aina vao ny fiteny Santali, dia mitovy amin'izay no horesahako.

RV: Inona no tena antony manosika anao ho amin'ny fikatrohana an-tserasera ho an'ny fiteninao? Inona no fanantenanao sy nofinofinao ho an'ny fiteninao?

Ny fitiavako ny fiteniko sy ny tolona hitondràna azy io hilahatra amin'ireo fiteny hafa midongy sehatra no tena hery manosika ahy amin'ny fikatrohana nomerika ho an'ny fiteniko. Na mbola lavitra aza ny làlana hahatratrarako ny nofinofiko, amin'izao fotoana izao aho dia mikaroka izay fitaovana rehetra azo raisina, izay torohay na fahalalàna rehetra amin'ny resaka sehatra elektronika sy nomerika amin'ity fiteny ity sady miasa mankany amin'ny fanatratrarana io tanjona io ihany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.