Vovonana 2015: Fanohanana-Fiarahamiasa

Safidy sy hirika amin'ny fanohanana
Manasa ireo fikambanana sy orinasa izahay mba hanararaotra ny hirika hiara-hiasa amin'ny iray amin'ireo tetikasa mediam-bahoaka antserasera lehibe indrindra amin'ny alalan'ny fanohanana ny Fihaonamben'ny Global Voices. Mampiseho ny fanohanan'ny fikambananao ho an'ny mediam-bahoaka sy ny tombontsoa mety hoentin'izany ho an'ny olona any amin'ny firenena andalam-pandrosoana ny fanohanana ny fihaonambe. Ho an'ny vondron'orinasa, manome hirika ho fametrahana marika goavana ihany koa ny fanohanana ny fihaonambe

Ny fanomezana an-tsitrapo ho an'ny Global Voices dia mety iharan'ny hetra arakaraka ny hetra any amin'ny faritra misy anao.

Manohana mpandray fitenenana na fivoriana iray
Hiainga any amin'ny zoro efatr'izao tontolo izao ireo mpandray fitenenana amin'ny fihaonambe. Ampio izahay amin'ny fandaniana ilaina amin'ny fivoriana na mpandray fitenena manokana, na mpandray anjara avy amin'ny faritra na firenena manokana

Fipongarana mpanohana
Holazaina eny amin'ny fitaovana hitam-bahoaka rehetra sy ny fanambarana momba ny fihaonambe ary koa hampidirina ao anatin'ny famaritana ny fivoriana ny anaran'ireo mpanohana ny Fihaonaben'ny Global Voices 2015. Hipoitra ao amin'ny tranonkalan'ny Fihaonambe ny fangon'ny mpanohana. Mety hisy ny zo hafa hihatra arakaraka ny haben'ny fanohanana.

Mifandraisa aminay raha te-hahafantatra bebe kokoa! 

Raha mila fanazavana fanampiny momba ny fanohanana na momba ireo fivoriana rehetra, ireo mpandray fitenenana sy ny mpandray anjara izay mahaliana anao ny hanohana azy, dia mifandraisa amin'i Georgia Popplewell.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.