Fifandonana Isiraely-Gaza 2012

Gaza house burning

Sary nozarain'i @KhaledShawa mampiseho ny tranon'ny mpifanolobodirindrina aminy tao Gaza nirehitra taorian'ny daroka baomba ny 15 Novambra 2012

Niha-nitombo ny isan'ny sivily maty tao anatin'ireo fifandonana farany teo amin'i Israely sy ny tetezan-tanin'i Gaza. Ny 10 Novambra 2012, nitifitra balafomanga fiara mifono vy an'ireo miaramila Isiraeliana mpanao fisafoana tao amin'ny faritra Isiraeliana ny mpitolon'ny Gaza, ao amin'ny sisintanin'i Gaza sy Isiraely. Novalian'i Israely tamin'ny daroka baomba an'habakabaka tao Gaza izany ary avy eo novalian'ireo vondrona mitam-piadiana hafa sy ny Hamas tamin'ny tifitra balafomanga ihany koa. Taorian'ny fifampiraharahana hanatsahatra ny ady, izay efa teo am-pijanonana ny tifitra balafomanga avy ao Gaza, novonoin'ny tantelimby an'ny tafika Isiraeliana ny lehiben'ny miaramila Hamas, Ahmad al-Jabari. Balafomanga variraraka kosa no namalian'ny mpitolon'i Gaza izany. Niseho tamin'ny valintenin'ny governemanta sy ny fitantaran'ny fampitam-baovao ny voka-dratsin'ny fisaraham-bazana tamin'ny fifandonana Israeliana-Palestiniana, ary samy nampiasa ny tambajotra sosialy avokoa ny Israeliana sy ny Palestiniana rehefa mahatsapa izy ireo fa aseho amin'ny fomba diso na adino . Nanampy tamin'ny fanambarana ny zava-misy momba ny ady ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra an-tserasera amin'ny sehatra samihafa izay nampiseho ny fifandonana ary indraindray misy ihany koa ny fahasamihafana ara-politika tsy azo tsapain-tànana izay manampy amin'ny fahatakarana bebe kokoa.

Tantara ato amin'ny Global Voices

21 Nov – Poa-Basim-Pifaliana No Nanamarihana Ny Fampitsaharana Ny Adin'Isiraely sy Gaza
21 Nov – Bus Nipoaka Afovoan'i Tel Aviv Ora vitsivitsy Mialoha ny Fampiatoan'Ady
20 Nov – Fanomanana an'i Gaza amin'ny fahatapahan'ny aterineto raha misy fahatapahan'ny fifandraisana:
20 Nov – Efa Atsy Ho Atsy Ve Ny Fampitsaharana Ny Poa-basy Hamas/Isiraely?
18 Nov – Ny Ankizy No Mizaka Ny Vokatry ny Ady Ao Gaza
18 Nov – Isiraely: Ny Fiainana Anaty Fidobodoboky ny Balafomanga
18 Nov – Manohitra Ny Ady Miaramila Atao Ao Gaza ny Isiraeliana
18 Nov – Palestina: Mifanditra ny Tambajotra Sosialy, Efa-taona Izay
15 nov -“Niraraka Toy Ny Orana Ny Baomba Tao Gaza”
15 Nov – Maika Hihaona Momba an'i Gaza Amin'ny Ahoana ny Ligy Arabo?
15 Nov – Isiraely: “Mahatsiaro Toy Ny Anaty Faritra An'ady i Ashdod

Fitantarana manokana teo aloha:

Twitter

Lisitry ny mpisera Twitter mavitrika tao Gaza avy amin'i @olanan.

Farangonteny: #Israel #GazaUnderAttack #IsraelUnderAttack #PrayforGaza

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.