Tantara tamin'ny Aogositra, 2019
Momba an'i Colombo
Colombo no tanàndehibe lehibe indrindra sady renivohitra ara-barotra ao Sri Lanka. Rohy : Colombo ao amin'ny Wikipedia Sri Lanka ao amin'ny Wikipedia Colombo ao amin'ny Wikitravel Sri Lanka ao amin'ny Wikitravel Fandehanana any Colombo Misy ny zotra an'habakabaka miala sy mankany Colombo izay atolotry ny zotram-pitaterana an'habakabaka nasionaly, Sri Lankan...
Niteraka adihevitra momba ny fanehoan-kevitra malalaka ny fanamelohana ilay mpanentana amin'ny tambajotra sosialy Tiorka
Miatrika fiampangana ny olo-malaza Tiorka iray ao amin'ny Twitter noho ny fandrisihana ny fandraisana zava-mahadomelina ary niteraka adihevitra momba ny fahalalaham-pitenenana an-tserasera.
Daroka baomba tao Gaza 2008-09
Niteraka fihetsiketsehana feno hatezerana tao amin'ny tanàna Arabo ao Isiraely sy ny West Bank doboin'ny Israeliana, ary koa hetsi-panoherana tany amin'ny firenena hafa ao amin'ny faritra sy manerantany ny daroka baomba nataon'i Israely.
Fihaonan'ny mpikambana GV tany Beirota nokarakaraina manokana sy ireo fihaonana mahafinaritra maro hafa tsy nampoizina
Anisan'ny zavatra tsara indrindra nitranga tamiko hatramin'izay ny fidirana tato amin'ny GV 4 taona lasa izay
Mandràra ny harona plastika i Tanzania, namorona klioba 300 mitaiza tanora hiaro tontolo iainana ireo mpikatroka ao Dar es Salaam
Ampianarin'ireto mpikatroka ireto ny tanora ao Dar es Sallam ny maha-zavadehibe ny fitahirizana ny natiora sy ny loza mitatao aterak'ireo harona plastika tsy afaka ampiasaina afa-tsy indray mandeha monja.
Valintenin-kalozana amin'ny fampirantian-javakanto mitsapa ny fetran'ny fahalalaham-pitenenana ao Japana
Nitondra ho any amin'ny fitsikerana ny governemanta, fandrahonana ary farafahakeliny fisamborana olona iray, fihetsiketseham-panoherana avy amin'ny artista iraisampirenena ary fanontaniana momba ny fahalalaham-pitenenana ao Japana ilay fampirantiana zavakanto iray mampiady hevitra izay efa nofoanana amin'izao fotoana izao.
Mampiasa media sosialy i Bangladesh mba hiadiana amin'ny valan'aretina dengue
Noho ny tsy fisian'ny fisantarana andraikitra sy ny fanentanana avy amin'ny fanjakana, miditra media sosialy ny vahoaka mba hampianatra sy hanao fanentanana momba ny tazo Dengue.
Andiana lahatsary fanadihadiana maro manasongadina ny ady atrehan'ireo vehivavy mpikatroka any Vietnam
"Ao anatin'ny fitondrana jadona iray, tsy misy manana fahalalahana, indrindra fa ny vehivavy, ambony be raha oharina amin'ny lehilahy ny tsy fahampian'ny fahalalahan'izy ireo."
Sambany hiditra ao amin'ny NBA ny Angoley iray mpilalao basikety
Hanatevina laharana ny ekipa Philadelphia 76ers i Bruno Fernando, 21 taona.
Tsy ny filoha Jair Bolsonaro ihany no miaro ny fampiasana ny ankizy—mihevitra ireo Breziliana manankarena fa tsara ihany koa izany
Niteraka adihevitra antserasera momba ny asan'ny ankizy tao amin'ny aterineto Breziliana ny fandaharana mivantana nataon'ny filoha Breziliana Jair Bolsonaro tamin'ny 4 Jolay. Manao fandaharana mivantana ao amin'ny fantsony media sosialy isaky ny Alakamisy i Bolsonaro hatramin'ny nandraisany ny asany tamin'ny Janoary 2019.