- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny fahafatesan'i Osama Bin Laden

Sokajy: Mediam-bahoaka
Osama Bin Laden. Modified from image by Flickr user Anxo Resúa (CC BY-NC-SA 2.0). [1]

Osama bin Laden. Novaina avy amin'ny sary tao amin'ny Flickr avy amin'ny mpisera Anxo Resúa (CC BY-NC-SA 2.0).

Fafana votoaty

Tamin'ny 2 Mey 2011 no nanaovana tatitra voalohany momba ny fahafatesan'i Osama Bin Laden [4]. Novonoin'ny Tafika manokana avy any Etazonia tao Abbottabad, Pakistana izy. Izy no mpanorina ny tambajotra al-Qaeda [5], izay heverina ho tompon'andraikitra tamin'ny fanafihan'ny mpampihorohoro tamin'ny 11 Septambra. Bin Laden no nitàna ny lohalaharana tamin'ny lisitr'ireo olona karohina fatratra any Etazonia tao anatin'ny folo taona. I Keith Urbahn, lehiben'ny ekipa ao amin'i Donald Rumsfeld no namoaka voalohany [6] ny vaovao fahafatesany tao amin'ny Twitter talohan'ny fanambarana ofisialy [7] nataon'ny Filoha Barack Obama.

Azafady, manorata any amin'ny Toniandahatsoratra Global Voices Azia Atsimo, Rezwan [8] raha manana rohy na hevitra momba ny tantara ianao, na te hanampy amin'ny lisitry ny loharanom-pejy ity.

Ny zavatra ataontsika: Mitatitra ny fomba ampiasan'ny mpiserasera ny aterineto sy ny tambajotra sosialy mba hampitàna ny feon'izy ireo izay matetika nadika tamin'ny fiteny samihafa ny bilaogeran'ny Global Voices [9]. Araho ny fivoaran-draharaha ho amin'ity pejy ity.

Lahatsoratra nasongadina tato amin'ny Global Voices – Ny nahafatesan'i Osama bin Laden

14 May – Indonezia: Fanehoan-kevitra avy amin'ny bilaogy tamin'ny fahafatesan'i  Bin Laden [10]
10 May – Etazonia: Tafintohana tamin'ny anaram-bositr'i Osama ny Amerindiana [11]
09 May – Pakistana: Nampiova ilay toeram-pisotroana kafe ny fahafatesan'i Bin Laden [12]
09 May – Rosia: Naneho hevitra niaraka tamin'ny fanakianana momba ny fahafatesan'i Bin Laden ny bilaogera [13]
09 May – Shina: Fahafatesan'i Bin Laden sy ny fifandonana ara-tsivilizasiona [14]
06 May – Afrika: Ny fahafatesan'i Osama : Nanampy an'i Obama ny litera O [15]
06 May – Koety:Raiki-pitia amin'i Osama Bin Laden [16]
05 May – Kyrgyzstan: Maty i Osama Bin Laden, naneho hevitra ireo bilaogera [17]

04 May – Pakistana: Mitohy ny fanontaniana momba an'i Bin Laden [18]
04 Mey – Meksika: Nametraka ny fahafatesan'i Osama Bin Laden araka ny zava-misy ny mpisera [19]
04 Mey – Tanzania: Tena maty tokoa ve i Osama Bin Laden? [20]
03 Mey – Tontolo Arabo: Fanontaniana ary Fiafaran'ny tantara Taorian'ny Fahafatesan'i Bin Laden [21]
03 Mey – Tontolo Arabo: “Ny 2011 dia ho taona voamarika anatin'ny tantara” [21]
03 Mey – Zimbaboe: Fanehoan-kevitra mifangaro tamin'ny fahafatesan'i Osama Bin Laden [22]
03 Mey – Sioka momba an'i Bin Laden: Lasa mpitati-baovaon'olon-tsotra ve ny mpanao gazety Amerikana ? [23]
02 Mey – Iran: Maneho hevitra momba ny fahafatesan'i Bin Laden ny bilaogera [24]
02 Mey – Tontolo Arabo: Misy ny misaona an'i Osama bin Laden [25]
02 Mey – Pakistana: Fanehoan-kevitra momba ny fahafatesan'i Osama Bin Laden [26]
02 Mey -Pakistana: Fitantarana mivantana an-tsiokantsera ny fahafatesan'i Osama bin Laden tany Abbottabad [27]

Loharanom-baovao

Twitter

Farangoteny: #OBL [28] | #Osama [29] | #Binladen [30]