Fantaro i Adaobi Anukwu, ilay mpampiantrano ny kaonty Twitter-n'ny @DigiAfricanLang amin'ny 21-27 Aogositra

Sary natolotr'i Adaobi Anukwu.

Ny taona 2019,  ho fandraisana anjara amin'ny fanentanana an-tambajotra sosialy mba hankalazana ny hamaroam-pitey ety anaty aterineto, hifandimby hitantana ny kaonty Twitter-n'ny @DigiAfricanLang ireo Afrikàna mpikatroka sy mpiaro ny teny mba hizarana ireo traikefany tamin'ny resaka fanomezana aina vao sy fampiroboroboana ireo teny Afrikàna. Mikasika an'i Adaobi Anukwu (@ada_onyenkuzi) sy izay kasainy horesahana mandritra ity herinandro ity amin'ny maha-mpampiantrano azy ity lahatsoratrana fampahafantarana ity.

Rising Voices: Mba lazalazao aminay ny momba anao.

Adaobi Anukwu no anarako, teraka sy lehibe tany Lagos, Nizerià. Mpitana bokim-bola matihanina, mpandraharaha no sady mpikatroka ho an'ny fiteny Igbo. Liana tamin'ny fampiroboroboana ny fiteny Igbo aho rehefa tonga sainga fa nisy fihenan'ny fahalianana tamin'izany fiteny izany, indrindra fa eny anivon'ny taranaka tanora. Mihamihena ny isan'ireo mpiteny ny fiteny Igbo, izay nanosika ahy handray ny andraikitra amin'ny fampahatsiarovan-tena momba ilay fiteny sy hampiroborobo ilay kolontsaina ihany koa.

RV: Manao ahoana ny toeran'ny teninao ankehitriny ao amin'ny Aterineto sy ivelan'ny tambajotra?.

Azoko ambara angamba hoe mety ho 60:40 ny fifandanjàna eo amin'ny teny Igbo an-tambajotra sy tsy an-tambajotra. Milaza izany aho satria efa voapetraka izao ny fandrosoana ara-niomerika maro (rindrambaiko fianarana, torolalana famakianteny / fanoratana, kilalao, sns.), izay mbola tsy nisy taona vitsivitsy lasa izay. Ary azo antoka fa efa misy toerana ho an'ny fivoarana.

RV: Lohahevitra inona no tianao hifantohana mandritra ny herinandro hitantananao ny kaonty Twitter-n'ny @DigiAfricanLang?

Tiako hafantohana ny fitsipi-panoratana fototra sy fampitomboana voambolana, rindrambaiko izay manamora ny fianarana ny teny Igbo, kolontsaina sy fombafomban'ny vahoaka Igbo, ary koa lohahevitra maro samihafa. Horesahako ihany koa ny mikasika ireo ezaka ataon'ny governemanta sy ireo fikambanana tsy miankina mba hampiroboroboana ilay teny.

RV: Inona no tena mandrisika anao hanao fikatrohana nomerika ho an'ny teninareo? Ny fanantenana sy ny nofinofinao ho amin'ny fiteninareo?

Ny zotom-po amin'ny fahitana ny fiteniko resahan'ny maro, tanora sy antitra, no antony voalohany manosika ahy. Ny fahavelomany raha mbola misy olona eto ambonin'ny tany ary tsy ho tratran'ny faharinganana mihitsy no fanantenako sy nofinofiko ho an’ ilay fiteny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.