Ny hetsi-panoherana ao Hong Kong imason'ny Filipiana iray mifindramonina hiasa

Dosien-tsarim-pivoriana filipino ao Central, Hong Kong manatontosa hetsika ara-kolontsaina tamin'ny Novambra 2018.

Mihoatra ny 130.000 ny isan'ny Filipiana ao Hong Kong, mpanampy an-trano ny ankamaroan-dry zareo. Maro no mivory ao Centrale, fon'ny fihariana sy ny mpaninjara, isaky ny alahady, handaniandry zareo ny antso tsy iasany. Eo ihany koa ny toerana itrangan'ny fihetsiketseham-panoheran'olona be dia be hatramin'ny Jona 2019. Miantraika tahaka ny ahoana ireny fivoriana ireny amin'ny fiainan'ny mpiasa nifindramonina? Inona ny eritreritry ry zareo momba ny fihetsiketseham-panoherana?

Hatramin'ny jona 2019 no mankaty, olona roa tapitrisa farafahakeliny izay no niara-dia tamin'ny fihetsiketseham-panoherana isa-kerinandro ao Hong Kong mitaky ny hamafana ny volavolan-dalàna iray izay ahafahana mampody ireo mpandositra sy ireo olontsotra voampanga any Shina Tanibe. Lazain'ny mpanao fihetsiketsehana fa mety hanimba ny demaokrasia ilay volavolan-dalàna amin'ny famelàna ny manampahefana any Beijing hisambotra ireo mpikatroka monina ao Hong Kong, ireo mpanivaka amin'ny fitenenana, eny fa na dia ireo mpanora-gazety mpitsikera aza. Efa nofoanan'ny governemanta ny volavolan-dalàna saingy mbola mitohy miitatra amin-javatra hafa ny fihetsiketseham-panoherana satria betsaka ny olona no mitaky ny hampiatoana ny herisetran'ny polisy, ny hamotsorana ireo mpikatroka voasambotra ary ny fiantohana ny fahazoan'ny rehetra (ampy taona) mifidy.

Tamin'ny alalan'ny imailaka ny Global Voices no niantsafa tamin'i Elena (tsy izay no tena anarany), Mpifindramonina hiasa efa niaina tany Hong Kong nihoatra ny folo taona. Mpirotsaka amin'ny tambajotra maro manandra-teny ho amin'ny zon'ny mpifindramonina miasa ihany koa izy.

Azavain'i Elena ny antony mahatonga ny ankamaroan'ny Filipiana mpifindramonina miasa ho milefaka amin'ny mpanao fihetsiketsehana:

As most of the protesters are young people, many of them grew up in households where Filipino domestic workers took care of them when they were still very young.

The Filipino community also disagrees with the proposed bill. We have not seen anyone or any group publicly expressing support for it. Some Filipinos also joined peaceful marches from Victoria Park to Central.

While we are not prohibited to join the rallies, many are reluctant because of its possible implication to their work and visa status in Hong Kong.

Satria tanora ny ankamaroan'ny mpanao fihetsiketsehana, maro amin'izy ireo no nitombo tao amin'ny tokantrano ahitana Filipiana mpiasa an-trano mikarakara azy ireo raha mbola kely ry zareo.
Tsy mankasitraka ilay volavolan-dalana ihany koa ny vondrom-piarahamonina Filipiana. Tsy mbola nahita izahay olona na vondrona ka naneho ampahibemaso ny fanohanana azy iny. Nisy Filipiana ihany koa nanatevin-daharana ny diabe niainga avy ao Victoria Parka nankany amin'ny Central.
Raha tsy voarara izahay ny hanatevin-dahafana fivoriana, maro no misalasala noho ny mety ho fiantraikan'izany amin'ny asan-dry zareo sy ny satan'ny visa ao Hong Kong

Nisy fiantraikany amin'ny fivorian'ny Filipiana mpifindramonina miasa any sy ny fifaneraseran-dry zareo isak'alahady any amin'ny faritra ankalamanjana maro ny fivoriana. Zarain'i Elena no fomba nataon'ny mpifindramonina miasa manoloana ny toe-draharaha:

Some community groups have cancelled their scheduled events in Chater Road because of the protests.

Some workers reported that their rest days are no longer fixed on a Sunday and have become dependent on the schedule of protest actions. This also affects their ability to be with their friends and relatives during rest days. Other migrants just congregate from morning until 2:00 p.m. and will leave Central before 3:00 p.m. to avoid the protests and possible disruptions in the public transportation as well as potential police confrontations.

Maro amin'ireo vondrom-piarahamonina no nanafoana ny lanonana nomanin-dry zareo ao Chater Road [lalana Chater] noho ny fihetsiketseham-panoherana.
Nitatitra ny mpiasa sasany fa tsy miraikitra ho alahady intsony ny andro tsy iasan-dry zareo ary misy miankina amin'ny fotoana hisian'ny hetsi-panoherana izany. Misy fiantraikany ihany koa izany amin'ny fahafaha-miaraka amin'ny tapaka sy namana mandritra ny andro ialan-tsasatra. Ny mpifindramonina hafa indray mivory ny maraina mandra-pahatonga ny amin'ny roa ary mandao ny Central alohan'ny amin'ny telo folakandro mba ialàna amin'ny fihetsiketseham-panoherana sy izay mety ho fahatapahan'ny fitateram-bahoaka sy izay mety ho fifanandrinana amin'ny polisy.

Manahy ny sasany fandrao very asa:

While the migrant workers are trying to understand the Hong Kong people's protest, there are of course fears among the Filipino community about their safety and job security as well.

There are also reports that some employers are taking advantage of the situation to deny their domestic workers their rest days.

Raha miezaka ny ho kaopy amin'ny hetsi-panoheran'ny vahoakan'i Hong Kong ny mpifindramonina miasa, misy koa mazava loatra ny tahotra ao amin'ny vondrom-piarahamonina filipiana amin'ny fiarovana aina sy ny fiarovana asa.
Misy ihany koa ny tatitra maromaro milaza fa manararaotra ny toe-draharaha ny mpampiasa sasany hitsipahana ny fahazoan'ny mpiasany andro fialan-tsasatra.

Nanamarika i Elena fa notsipahan'ny vondrona nifindramonina ny tolokevitry ny governemantan'i Filipina hametraka fandrarana vonjimaika amin'ny fandefasana mpiasa ho any Hong Kong:

Filipino migrants are angered by the exaggeration of the Philippine government through the Department of Labor and Employment with their proposed “ban on deployment” of Filipinos to Hong Kong. We view this as overreacting and simply a PR stunt since the current situation does not merit such a drastic policy. This proposal, if implemented, does not make us safe and will only result in financial loss and deprive many of their livelihood and employment opportunity. In fact, many feel that the situation in the Philippines is more dangerous with the Martial Law in place in some regions and with ‘death squads’ roaming the country and targeting mainly poor communities and people's rights defenders.

Tezitra ny Filipiana mpifindramonina amin'ny fanitaran-dresaka ataon'ny governemantan'i Filipina amin'ny alalan'ny departemantan'ny tsenan'asa sy ny fampiasana olona amin'ny tolo-kevitra “handrara ny fandefasana” ny Filipiana tsy ho any Hong Kong. Hitanay ho setriny tafahoatra sy seraseram-bahoaka diso izany satria tsy mendrika politika fifehezana be toy izany ny toe-draharaha amin'izao fotoana izao. Raha tafapetraka ho ampiharina io tolo-dalàna io dia tsy ho voaaro izahay ary hiafara amin'ny fahaverezana ara-bola izany sady hanaisotra zavatra maro amin'ny fiainany sy ny hirika arakasa. Ny marina, maro no mahatsapa fa ny toe-draharaha any Filipina aza no mampidi-doza kokoa amin'ny fisian'ny lalàna miaramila mihatra any amin'ny faritra sasany sy ireo “tariky ny fahafatesana” mivezivezy manerana ny firenena sy manao ho lasibatra amin'ny nakapobeny ireo vondrom-piarahamonina mahantra sy mpiaro ny zon'olombelona.

Mahatsikaritra i Elena fa mahazo tatitra media tsara kokoa ny hetsi-panoherana tamin'ity taona ity raha oharina tamin'ny ‘Revolisiona Elo’ tamin'ny taona 2014. Saingy nomarihany ihany koa ny tsy fahafenoana tsara eo amin'ny fitateram-baovao:

The coverage is highly focused on the confrontations between the protesters and the police. There is also too much projection given to the US and UK flag bearers in the protest making it appear that the people in general are supportive of the US and UK intervention when it is not really the case. The people are more angered by the HKSAR [Hong Kong Special Administrative Region] government's handling of the situation especially the police's brutality and excessive use of force in dealing with the protesters.

Mifantoka bebe kokoa amin'ny fifanandrinan'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny polisy ny fanangonam-baovao. Misy ihany koa ny fampisehoana diso tafahoatra ireo mpitan-tsainam-pirenena Etazonia sy Britanika ao anatin'ny fihetsiketsehana mahatonga azy hampihevitra fa manohana ny fidiran'i Etazonia sy ny fanjakana britanika ny vahoaka amin'ny ankapobeny nefa tsy izany loatra no izy. Ny mahatezitra kokoa ny olona dia ny fomba fitantanan'ny governemanta HKSAR (Fitantanam-Paritra Hong Kong Manokana] ny toe-draharaha indrindra fa ny herisetran'ny polisy sy ny fampiasan-kery be loatra eo amin'ny fifampiraharahana amin'ny mpanao fihetsiketsehana.

Farany, manana tolo-kevitra ho an'ny mpanao fihetsiketsehana i Elena:

Take the initiative to mobilize ordinary workers by linking the struggle to address other pressing basic issues affecting the working peoples of Hong Kong such as low wages, extremely high housing rents, deteriorating social services especially in the health, education and elderly care sector.

Manaova fisantaran-draharaha hanetsika ireo mpiasa tsotra amin'ny fampifandraisana ny tolona ho famahana ireo olana fototra hafa manindry ny tontolon'ny mpiasa ao Hong Kong toy ny fahakelezan'ny karama, ny fahalafosan'ny hofantrano be tafahoatra, ny fihasimban'ny servisy sosialy indrindra fa eo amin'ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny fikarakarana ny beantitra.

Raha hamaky bebe kokoa ny momba ny fihetsiketsehana ao Hong Kong ho fanoherana ny fampodiana voampanga, tsidiho ny pejy fitantarana manokana ato amin'ny Global Voices.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.