- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Kingston Creative’ mitondra aina vao ao distrika afovoan-tanànan'i Jamaika

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Mozika, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Tsara, Zavakanto & Kolontsaina

Ry zareo mpanakanto sy ny asan-dry zareo ao Water LAane, (tanàna ambany) afovoan-tanànan'i Kingston, Jamaika. Sary an'i Stuart Reeves, nahazoana alàlana

Najoro tamin'ny 1692, ilay tanàna be mponina ary mirefy 22,7 kilaometatra toradroa ao Kingston, [1] Jamaika — antsoina amin'izao fotoana hoe “tanàna ambany” — no toerana hahitànao ireo Tranon'ny Antenimieram-Pirenena, Fitsarana Antampony, ny Ivontoeran'i Jamaika [2] (fikambanana iray efa nijoro hatry ny elabe misahana ny resaka siansa sy kolontsaina) ary toerana lova manantantara marobe.

Kanefa, lasa ratsy karakara ilay tanàna renivohitr'i Jamaika tato anatin'ny taompolo faramparany, satria nihisaka daholo ireo distrika ara-barotra sy ny toeramponenana ka lasa any an-“tanàna ambony” St. Andrew, namela ampahany vitsivitsy amin'ilay tanàna tranainy ho haolo. Fanampin'izay, ny fahitàna ny tahan'ny heloka bevava ambony be ao amin'ny tanàna ambany Kingston dia nampitsoaka ireo marobe eny amin'ny tanàna ambony — fahabangàna iray mitondra dona mitovy amin'ny fiantraikan'ny fianjeran'ny daomy.  Na dia eo an-dalam-panavaozana azy izy izao, nizaka ny mafy ireo toerana ara-kolontsaina manantantara toy ny Ward Theatre [3], na amin'ny resaka tohana ara-bola na ny fanohanan'ny daholobe.

Hidiro ny Kingston Creative [4], ezaka iray iarahana ary manana vina 10 taona mba “handrisika ireo mpanakanto sy mpandraharaha manana famoronana, hanorina vondrom-piarahamonina sy hiaraka hiasa amin'ny hafa ao anaty habaka iray feno famoronana”. Tanjon'ilay farahana ny hanome fiofanana, fitaovana ary tontolo iray  mandrisika ireo mpandraharaha hamorona amboniampanga ara-toekarena sy sosialy avy amin'ny fandraharahàna ataon-dry zareo, ary hanoritra làlana hanatratrarana ireo tsena iraisampirenena no sady misy fiantraikany ihany koa amin'ireo vondrom-piarahamonina misy azy eo an-toerana.

Miaraka amin'ny fandraisana anjara entin'ireo 100 mpirotsaka antsitrapo, ireo vondrom-piarahamonina maherin'ny 20 ary 100 ireo mpifanome tànana, ny Kingston Creative dia fikambanana iray misy olona 700 izay nahavita nahazo [5] ny fanohanana avy amin'ireo vondron'orinasa eo an-toerana ho an'ny tetikasany fandokoana sary an-drindrina #PaintTheCity [6] efa mandeha amin'izao fotoana izao.

Zavatra azo jerena ao Water Lane: ny arabe, ilaharan'ireo sary an-drindrina, dia toerana lafatra ho an'ireo fanapihana sary sy lahatsary, samy voasarika daholo ho ao amin'ilay faritra na ny olona na ny fandraharahàna. Sary an'i Stuart Reeves, nahazoana alàlana.

Fa tsy voafetra ho an'ny zavakanto fotsiny ilay hetsika. Ilay bekotro maroholatry ny fitendrena gitara Earl “Chinna” Smith, ohatra, dia nampiditra ny “Inna Di Yard Binghistra Movement” [7] — fiangaly mozika tafiditra ao anatin'ireo Groundation jam [8] fanaony isambolana— ho ao anatin'ilay tetikasa. Mazàna ny Groundation [9] dia miresaka ireo andro masina ho an-dry zareo rastafariàna izay  manamarika ny voalohany nitsidihan'i Haile Selassie an'i Jamaika tamin'ny 1966, saingy nitarin'i  Smith ilay lohakìhevitra mba hiaty ny vina avy aminy hitahiry ny fàkan'ny mozika reggae ho velona miaraka aminà taharo mozika klasika. Azo lazaina ho nahomby ny ezaka nataony: Vao haingana, nisy atrikasa nampiantranoiny momba an'i Water Lane nanasongadinany ny tarika Kumina [10] tarihan'ilay Rastafariàna mpively amponga, Bongo Shem, [11] ary nahasarika fandraisana anjara maro tokoa.

ireo mpively amponga Kumina. Sary an'i Stuart Reeves, nahazoana alàlana.

Ny Art Walks koa, izay fanao isaky ny Alahady farany amin'ny volana dia tsy mitsahatra mitombo laza. Manana lohahevitra samihafa ny andiany tsirairay amin'izany  (ankizy, sakafo, dihy, literatiora, sns…) ary tsy diso fanantenana velively ireo mpandray anjara. Ny 25 Aogositra 2019, naboraky ny Kingston Creative ny saribe an-drindrina iray nasiam-panatsaràna [12] nataon'ilay mpanakanto Bernard Hoyes. Voarakitra ao anatin'ity bitsika ity avokoa ny sasany tamin'ilay hetska:

Mitranga mandritry ny ArtWalk (fahana ) #Artwalk [13] #MoodforFood [14] #Creative [15] #AugmentedReality [16] #Mural [17] #PainttheCity [18]

Bernard Hoyes, Jamaikàna mpanakanto, mijoro manoloana ny sary an-drindrina nataony. Sary an'i Stuart Reeves, nahazoana alàlana.

Nibitsika i Andrea Dempster-Chung , ilay mpiara-manorina ny Kingston Creative :

Marobe ireo olona hitako faly naka fafiny tamin'ny tanànan-dry zareo ary tena nosemporin'ireo mpirotsaka an-tsitrapo avy amin'ny KC tamin'ny zavatra tian-dry zareo sy ny fony aho. Mankasitraka ny minisitra @fayvalwilliams [21] @NextGenCreators [22] @tTechLimited [23] @7AMMAG [24] @iamevaflow [25] @IoJ_jamaica [26] ary ireo sefo rehetra tonga nanotrona! #kingstoncreative [27] #moodforfood [28]

Fony vao nifanome tànana [5] voalohany indrindra tamin'ny vondrom-piarahamonin'ny fandraharahàna tao Jamaika ny Kingston Creative, tamin'ny Novambra 2018 mba hanampy amin'ny fanatontosana ny nofinofiny hanome aina vao ny renivohitra, ny minisi-panjakana tamin'izany fotoana nisahana ny kolontsaina, fitoviana, fialamboly ary ny fanatanjahantena, Alando Terrelonge [31], no nanamarika hoe:

Faly aho fa ankehitriny ny Distrikan'ny Taokanto eto Kingston dia mpikambana iray ao anatin'ny Tambajotran'ny Kolontsaina Erantany [32] ary manantena ny hiaraka hiasa amin'ireo mpandàla famoronana na avy eto an-toerana na avy any ivelany satria miroso hatrany isika mba hampivoatra bebe kokoa hatrany sy hanome tombony ireo indostriantsika misahana famoronana ho an'ny firoboroboan'ny kolontsaina sy ny vahoakantsika ary ny firenentsika

Mety ho sahisahy loatra ilay vina, saingy azony miandàlana ny fanohanana ilaina ho entina manova ny renivohitr'i Jamaika.