- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fantaro i Janak Raj Bhatta, hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline manomboka ny 27 Aogositra ka hatramin'ny 2 Septambra

Sokajy: Antsafa, Mediam-bahoaka, Rising Voices

Sary nomen'i Janak Raj Bhatta

Ao anatin'ny fanentanana media sosialy hankalazana ny fimaroam-piteny an-tserasera manerana an'i Azia, hifandimby ireo mpikatroky ny teny sy mpanandrateny hitantana ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline [1] hizara ny zava-niainany tamin'ny famelomana aina indray sy fampahafantarana ireo fitenin-drazany. Niarahan'ny  Rising Voices [2], ny Digital Empowerment Foundation [3], ary ny O Foundation [4] niasa ny fanentanana.

Isa-kerinandro dia hamaly fanontaniana maromaro momba azy ny mpampiantrano tsirairay ary hanome fomba fijery fohy momba ny fiteniny. Miaraka amin'i Janak Bhatta (@JRBhatta [5]) ny fanontaniana sy valiny etoana izay manolotra ny zavatra horesahiny mandritra ny herinandro amin'ny maha-mpampiantrano azy.

Rising Voices: lazalazao anay ny momba anao azafady.

I am Janak Raj Bhatta from Darchula Nepal (currently in Lalitpur, Nepal). I am contributing on Wikimedia projects. I have actively worked on Doteli Wikipedia, Nepali Wikipedia, Commons, Incubator projects etc.

Izaho no Janak Raj Bhatta avy any Darchula Nepal (ao Lalitpur, Nepal amin'izao fotoana izao). Mpandray anjara aho amin'ireo tetikasa Wikimedia. Niasa anvitrika aho tamin'ny Wikipedia Doteli, Wikipedia Nepali, Commons, tetikasa Incubator sns.

RV: Manao ahoana ny fiteninareo ao amin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto?

About two years ago we established Doteli Wikipedia (dty.wikipedia.org [6]). Now, the Doteli wiktionary is in its incubation phase. We are trying to bring out this wiktionary from incubator. For use of Doteli language the discussions and seminars conducted by Language Commission of Nepal for the official use in province 7 (where Doteli language widely spoken). Besides this maintain language Profile, word collections, dictionary formation work going on.

Efa roa taona eo ho eo izahay no nanangana ny Wikipedia Doteli (dty.wikipedia.org [6]). Amin'izao fotoana izao izahay ao anatin'ny fikotrehana ny wiktionary Doteli. Efa miezaka izahay io hamoaka ity wiktionary ity hiala ao amin'ny fikotrehana. Teny ampiasaina ofisialy any amin'ny faritany fito (izay andrenesana betsaka ny fiteny Doteli) ao Nepal ny fiteny Doteli, iresahana sy hanaovana ireo seminera tarihin'ny Vaomieran'ny Fiteny ao Nepal. Ankilan'izany dia mandeha ihany koa ny fihazonana ny mombamomba ny fiteny, ny fanangonana voambolana, ny fananganana rakibolana.

RV: Lohahevitra manao ahoana avy no kasainao ifantohana mandritra ny herinandro hitantananao ny kaonty Twitter @AsiaLangsOnline?

I would like to focus on following topics;
  • Current status of my language
  • Challenges and difficulties of my language
  • Select words and phrases in my language
  • Future of my language
  • Our cultures and traditions
  • About relevant historical places etc.
Te-hifantoka aho amin'ireto lohahevitra manaraka ireto:
  • Sata misy ny fiteniko amin'izao fotoana izao
  • Fanamby sy fahasarotana amin'ny fiteniko
  • Voambolana sy fehezanteny notsongaina amin'ny fiteniko
  • Ny hoavin'ny fiteniko
  • Ny kolontsaina sy ny fombandrazanay
  • Momba ireo toerana manatantara sns.

RV: Inona no tena antony manosika anao amin'ny fikatrohana antserasera amin'ny fiteninao? Inona no fanantenanao sy ny nofinofinao ho an'ny fiteninao?

“Every two weeks a language dies.” I saw a report with this statement and it touched me deeply. Therefore, I am here to contribute my knowledge for my mother tongue as well as preserving other marginal and endangered language. My hopes and dreams for my language are very positive. This language will be official language (discussion is going on) of province 7 (where Doteli language widely spoken). Hopefully, this will boost its status.

“Misy fiteny iray maty isaky ny tapabolana”. Nahita tatitra nisy io fehezanteny io aho ary tena niantraika lalina tany anatiko tany izany. Na izany aza dia eto aho hanome anjara birikin'ny fahalalako ho an'ny tenin-dreniko sy hanolokolo ireo fiteny hafa atao anjorombala sy tanindonin-doza. Tena miabo ny fanantenako sy ny nofinofiko ho amin'ny fiteniko. Ho fiteny ofisialy io fiteny io (efa mandeha ny adihevitra) ho an'ny faritany fito (izay iresahana betsaka amin'ny fiteny Doteli. Antenaina fa hanondrotra avo ny sata misy azy izany.