- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy nahomby taorian'ny valifatin'i doxxing ny fikasan'ny sehatra fifaneraserana mpomba an'i Shina izay nikendry ny hanenjika ireo mpanao fihetsiketsehana tany Hong Kong

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Fanoherana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia
[1]

Pikatsary avy tamin'ny antso ho an'ny fanampiana nataon'i Diba tao amin'ny Facebook.

Niezaka ny hanetsika ireo mpampiasa ao aminy ny Diba [2], sehatra fifaneraserana ho an'ireo teratany Sinoa mpomba ny governamanta Sinoa, mba hanarahan-dia ireo mpanao fihetsiketsehana tsy miombon-kevitra amin'ny fanolorana olomeloka ao Hong Kong ao amin'ny Facebook sy ny sehatra fifaneraserana antsoina hoa LIHKG [3] mitovitovy amin'ny Reddit, . Haingana dia nivaly tany amin'ireo mpampiasa doxxed [4] tany Hong Kong, mpikambana ao amin'ny fitantanana ny Diba, ilay fikasàna tamin'ny famoahana ny laharan'ny karapanondron-dry zareo, ny taratasy firaketan'ny banky, ny adiresiny, sns.

Tamin'ny faha-22 n'ny volana Jolay, nanomboka niantso “rodobe” ho any amin'ny sehatr'ireo tsy mpomba ny fanolorana olomeloka any Hong Kong ireo mpitantanana ny sehatra fifaneraserana Diba taorian'ny nanipazan'ny sasany tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tsy mpomba ilay fanolorana olomeloka baomba-na ranomainty teo amin'ny sary fanevam-pirenena ivelan'ny Biraom-pifandraisan'i Shina ao Hong Kong. Nilaza ireo mpitantana ny Diba fa ny hiady amin'ny fahaleovantenan'i Hong Kong sy ny hampiseho ny fanohanany ny polisin'i Hong Kong no iraka efainy. Mba hanampiana azy ireo, nampiditra mpampiasa aterineto teo amin'ny 12.000 teo ireo mpitantana ary nanomana sary mandraikitena marobe.

Tamin'ny 23 Jolay, nameno ny Facebook izy ireo ary namela fanehoankevitra maneho ny fombàny an'i Shina teny amin'ireo pejy tantanan'ny fikambanana demokratika any Hong Kong toy ny Mandatehezan'ny Zon'olombelona Ara-tsivily [5].

Na izany aza, vetivety dia hitan'ireo mpisintona lakolosy tao amin'ny Diba fa tsy afaka miditra ao amin'ny LIHKG izy ireo satria nila mailaka voarakitra aminà ISO ao an-toerana ilay sehatra fifaneraserana mba hidirana ao aminy sy hamelana hafatra. Vao mainka ratsy, fantatr'ireo mpitantana ny Diba avy eo fa nabaribary tao amin'ny resaka vondrona tao amin'ny rindrambaiko am-pindain'ny LIHKG ny mombamomba sy ny vaovao manokana mikasika azy ireo.

Nandray ny fepetra fandraketana ny anarana tena izy i Shina ho an'ireo sehatra an-tambajotra rehetra, vokany, mora tamin'ireo mpampiasa aterineto tao Hong Kong ny nahita ny mombamomba azy ireo sy ny torohay manokana nanaraka izany. Navoaka an-tambajotra ny anarana tena izy, ny laharan'ny karapanondro, ny adiresy manokana, ny laharan'ny finday, ny laharana QQ [6], ny kaonty fandoavam-bola an-tambajotra, ny laharan'ny karatra banky sy ny toebolan'ny kaonty bankin'ireo mpitantana ny Diba.

Avy eo nampiasain'ny LIHKG ny mombamomba ireo mpitarika ilay rodobe mba hisoratana anarana ao amin'ny Tafiky ny Fanafahana ny Vahoaka.

Ny 24 Jolay, nilavo lefona ary namela hafatra tao amin'ny Weibo [7]ireo mpitantanana ny Diba, niantso ny fanafoanana drafitra voalohany avy amin-dry zareo:

为保护大家的个人隐私和人身安全,以及减少大家不必要的麻烦,管理组决定解散集团军粉丝群,对于前晚跟随行动后造成个人资料外泄的问题,管理组深感抱歉。

Mba hiarovana ny fiainanareo sy ho fiarovana anareo rehetra ary ireo olana rehetra, nanapa-kevitra ny hanafoana ilay vondron-tafika an-tambajotra ny ekipan'ny fitantanana. Naneho ny fialantsininy ny ekipan'ny mpitantana noho ireo fiporitsahana  rakitra manokana nateraky ny hetsika tamin'ny 22 Jolay.

Nikarakara iraka maro mba hanaparitahana hafatra mandala ny tanindrazana any ivelan'ilay Aroafo Lehibe ny Diba. Nitranga tamin'ny 2015 [8] ny tena malaza indrindra tamin'izy ireo nandritra ny fifidianana filoham-pirenena tany Taiwan [8]. Ny hanamafy ny fanahiny tao anatin'ilay ady an-tambajotra no teny filamatry ny tafika mpisintona lakolosin'ny Diba, “Na aiza na aiza faritra takatr'ireo tafika iraky ny Diba, tsy misy na dia tapa-bozaka aza ho avela”.

Noresahina be tao amin'ny tambajotra sosialy Sinoa ny tsy fahombiazan'izy ireo izay ny maro tamin'ireo mpampiasa dia nanararaotra izany mba hanesoana ireo mpitantana ny Diba. Tsy afaka ny tsy haneso ilay tafika zazavao tao an-tambajotra i Xiakedao, mpitsikera malaza ao amin'ny People's Daily. Nanoratra izy hoe “resy nefa tsy mbola niditra tao anaty ady akory” (出師未捷身先死)ary nanampy “emoji mihomehy mila ho faty”.

Mampiseho ihany koa ny fihetsehampo tia tanindrazana an-tambajotra izay nalain'ireo mpanao hira rap, ilay horonantsary CD REV vao nivoaka [9], “Kung Fu China”, tohanan'ny Antoko Kaominista, ilay tetikasan'ny Diba hanaraha-maso ireo sehatra manohitra ny fanolorana olomeloka. Manolo-kevitra amin'ny fampiasana ny kungfu sinoa mba hiarovana ny hajan'ny tanindrazany ilay hira rap.

Matetika henjana kokoa noho ny fampielezankevitra ofisialy ny fitiavan-tanindrazana miandehandeha eraky ny tambajotra sosialy ao Shina. Raha toa ka mamaritra ilay hetsika fanolorana olomeloka any Hong Kong ho toy ny hetsika fitakiana fahaleovantenan'i Hong Kong izay tohanan'ny fahavalo vahiny ireo haino aman-jery ofisialy, miantso hetsika mivaingana kokoa mba hiarovana ny hambom-po nasionaly ireo taranaka tanora tia tanindrazana an-tambajotra.

Toa tonga hatrany Aostralia ity hevitra ity. Tamin'ny 25 Jolay, nifanandrina tamin'ny mpanao fihetsiketsehana mpandala an'i Hong Kong tao amin'ny Oniversiten'i Queensland [10] ny vondrona iray misy ireo mpianatra mpomba an'i Shina, nandritra ny fampriambahoaka firaisankina  amin'ireo hetsika mpanohitra ny fanolorana olomeloka ao Hong Kong.

Raha toa ka manana mandatehezana iraisam-pirenena tena matanjaka be ny fampielezankevitra mpanohitra ny fanolorana olomeloka ao Hong Kong, mety hisy fifanandrinana toy izany koa hitranga any amin'ny faritra sasany manerana ny tany.

Mba hamakiana bebe kokoa mikasika ireo hetsika fanoherana ny fanolorana olomeloka ao Hong Kong, tsidiho ny pejy manoka [11]n'ny Global Voices.