- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niteraka adihevitra momba ny fanehoan-kevitra malalaka ny fanamelohana ilay mpanentana amin'ny tambajotra sosialy Tiorka

Sokajy: Tiorkia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta

Sora-baventy ao amin'ny Museum of Innocence any Istanbul . Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Miatrika fiampangana ny olo-malaza Tiorka iray ao amin'ny Twitter noho ny filazana fa fisoloam-bava amin'ny fihinanana zava-mahadomelina, sy ny fikasana hampiasa ny tambajotra sosialy hanonganana ny governemanta. Nilaza ity olo-malaza ao amin'ny Twitter ity, Pınar Karagöz, fa nataony hiresahana fotsiny ireo andian-tantara ao  amin'ny Netflix ny siokany.

Mirongatra ny lisitr'ireo voalaza fa heloka bevava

Karagöz, izay fanta-daza kokoa amin'ny Aterineto amin'ny solon'anarana hoe Pucca [1] dia nandefa sioka tamin'ny taona 2018 izay nilazany [2] fa “olona mahantra an-jatony no afaka mividy ny sakafony amin'ny fivarotana zava-mahadomelina”.

Notanana ho porofo tany amin'ny fitsarana ity sioka ity izay niampanga an'i Karagöz tamin'ny heloka bevava ho nampiroborobo ny fampiasana zava-mahadomelina izay heloka any Torkia [3]. Na dia nilaza aza i Karagöz fa “vazivazy” no namoahana ny sioka mba hiresahana ny andian-tantara tao amin'ny Netflix Narcos [4] izay nahitana ilay kalazalahy Kolombiana eo amin'ny  zava-mahadomelina Pablo Escobar [5] dia voaheloka [6] higadra 7 taona an-tranomaizina izy tamin'ny 12 Jolay 2019 .

Namoaka horonantsary mampihetsi-po i Karagöz rehefa nandre ny fanamelohana azy izay nilazany tamim-dranomaso hoe «reko fa voaheloka higadra 7 taona an-tranomaizina aho noho ny sioka nalefako momba an'i Escobar.”

Voasazy higadra 7 taona noho ny sioka alefany ho vazivazy ity vehivavy ity.

Taty aoriana, nahenan'ny fitsarana ho 5 taona sy 10 volana an-tranomaizina ny sazy miaraka amin'ny fandoavana lamandy mitentina 11.000 dolara Amerikana mahery. Nisioka i Karagöz avy eo hoe:

Aza mijery sy maneho hevitra momba ny andian-tantaran'i Escobar eto fa higadra 5-10 taona ianao… Firenena tena milay…

Ny fampiasana ny tambajotra sosialy hanonganana ny governemanta no heloka bevava iray hafa izay nahavoampangana an'i Karagöz. Nilaza ny fanapahan-kevitry [13] ny fitsarana fa “raha jerena ny fiantraikan'ny tambajotra sosialy eo amin'ny fiarahamonina dia azo heverina fa mahavita manongana ny governemanta ny tambajotra sosialy any amin'ny firenena sasany amin'ny alàlan'ny fampiraisana ny vahoaka amin'ny fotokevitra manokana.”

Adihevitra fahalalaham-pitenenana

Raha nanomboka nivezivezy tao amin'ny tambajotra sosialy ny lahatsarin'i Karagöz, nanamarika ny mpisera sasany fa tsy rariny ny sazy nomena azy raha dinihina ny fiampangana matetika atao amin'ireo mpanao heloka bevava toy ny mpanolana:

Voasazy higadra fito taona izy ary handoa onitra mitentina 4.000 lira. Satria tsy hoe mpamono olona izy na hoe mpanolana. Fa noho izy sady renim-pianakaviana no mpanoratra. Noho ny fijerena ny andian-tantara Narcos tamin'ny fahitalavitra ary nandefa sioka momba an'i Escobar. Nandrisika ny fampiasana ny zava-mahadomelina. Firenena tonga lafatra (!) Fitsarana tonga lafatra (!)

Tsy azoko izany. Ao amin'ny andian-tantara (Tiorka),  lasa maherifo ilay mpivarotra zava-mahadomelina antsokosoko, manambady ny olona nanolana azy ireo ny tovovavy voaolana fa migadra fito taona kosa izy (Pucca) rehefa mandefa sioka momba an'i Escobar. Miaina any amin'ny tontolo hafa ve isika. Sa mbola velona ihany ?

Na izany aza nilaza ny sasany fa mendrika ny sazy izy satria nametraka “ohatra ratsy” ho an'ny tanora Tiorka.

Tens of thousands of young people have seen your drug-promoting message. If only one of them ever wondered about this poison and tried this poison, can that young person's life match the seven year prison sentence? That young person could have been be your child. Now stop crying and look at what you have done from this perspective, try looking through that window.

Tanora an'aliny no nahita ny hafatra fampiroboroboana ny zava-mahadomelina nalefanao. Raha toa ka nisy iray tamin'izy ireo no nanontany tena momba io poizina io ary nanandrana izany, moa ve ny ain'io tanora io voavidin'ny sazy an-tranomaizina fito taona? Mety ho zanakao io olona io. Ankehitriny, ajanony ny fitomaniana ary jereo ny nataonao tamin'io fomba fijery io, manandrama mijery amin'izay varavarankely izay.

Mendrika ny ho any am-ponja i Pucca. Iza no homena tsiny, raha misy tanora iray manomboka mandray zava-mahadomelina noho izy. Tsy ampy ny 7 taona an-tranomaizina ho an'ny tanora Tiorka iray.

Tsy nampoizina fa nivadika iraisam-pirenena ny adihevitra rehefa nanatevin-daharana ny adihevitra ny zanak'i Pablo Escobar tamin'ny fanombohana nanjohy an'i Karagöz tao amin'ny Instagram.

Nanjohy an'i Pucca tao amin'ny Instagram ny zanak'i Pablo Escobar

Namoha ny adihevitra indray momba ny sivana ao Torkia ankehitriny ny resaka manodidina ny raharahan-tsiokan'i Karagöz raha nitohy nivoatra ny fanehoan-kevitra ary olona marobe no nandray anjara. Naneho ny heviny tamin'ny zavatra niainan'i Karagöz ny mpisera sasany fa nanamafy ny tahotr'izy ireo amin'ny fanoratana ny eritreriny izany, indrindra raha toa ka manakiana, na manohitra ny politikan'ny filoha Recep Erdoğan .

Matahotra ny higadra aho akehitriny noho io sioka io, kay, reraka be fotsiny aho

Tsy misy intsony tokoa ny fahalalahana ara-politika ao Tiorka tato anatin'ny taona vitsivitsy, araka ny tatitra iraisam-pirenena maro. Nilaza ny tatitra avy amin'ny Freedom House [25] taona 2019 fa mitombo ny fanivanan-tena. Araka ny tatitra:

“While not every utterance that is critical of the government will be punished, the arbitrariness of prosecutions, which often result in pretrial detention and carry the risk of lengthy prison terms, is increasingly creating an atmosphere of self-censorship.”

“Na dia tsy ny fitenenana rehetra izay mitsikera ny governemanta aza no saziana dia miteraka ny fitomboan'ny rivo-piainana amin'ny fanivanan-tena ny fanenjehana tsy ara-drariny, izay matetika miteraka ny fampidirana amponja vonjimaika ary mety ho tonga hatrany amin'ny sazy am-ponja maharitra.

Mazava fa heverin'ny Tiorka mpiseran'ny tambajotra sosialy ho fampitandremana mba hieritreretana lalina alohan'ny hanehoany ny heviny ao amin'ny tambajotra sosialy ny fanapahan-kevitry ny fitsarana tamin'ny raharaha mikasika an'i Karagöz.