- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fihaonan'ny mpikambana GV tany Beirota nokarakaraina manokana sy ireo fihaonana mahafinaritra maro hafa tsy nampoizina

Sokajy: Mediam-bahoaka, Tsidika, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV, Fahatsiarovana, Fankalazana, firavoravoana, Fahafolo taona

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny 2014)

Tao anatin'ny iray tamin'ireo lahatsoratra nosoratako teto, nanoratra momba ny ahiahiko aho raha nangatahin'i Eddie [1] mba hikarakara fihaonana GV any Beirota. Zava-manahirana, nampiahiahy … na izay tianao iantsoana azy. Ny zava-misy dia natahotra ny zavatra rehetra aho …

Tsy te-handray andraikitra manokana na fanoloran-tena aho kanefa avy eo tsy hahomby …

Tao anatin'ny 7 taona no nahavitako ny boky tohankevitra Master ary nalaza ho mpangataka andro aho

Tsy te handiso fanantenana an'i Eddy na iza na iza ao amin'ny fianakaviana GV aho … noho izany dia nanapa-kevitra ny hiala amin'ny fahasahiranana aho ary nilaza hoe TSIA tamin'ny voalohany.

Saingy tsy handray valinteny TSIA i Eddie ary nanohy nandrisika hatrany … koa nihiakiaka aho

Afaka milaza ny fitarainako sy ny tabatabako noho ny tsy fahalalako izay tokony hatao sy izaho tsy te-hanao izany i Claire [2] sy Gohary [3]ary Afef [4]

Na dia niova in-5 aza ny daty.. isaky ny manontany i Eddie, dia milaza aho hoe “Miova daty izahay ary ity no farany”

Ary tamin'ny farany, noho ilay Libaney hafa mpikambana GV, nifandray tamin'ny namana tena mahafinaritra izay tena “ao tsara”, ao amin'ny tontolon'ny media sosialy Libaney aho.

Mafana fo amin'ilay hevitra ilay lehilahy ary nilaza izy fa afaka manampy antsika hahazo toerana any amin'ny Oniversite Libaney sy ny sisa ..

Ary toy ny mahazatra dia nifanaiky tamin'ny daty iray izahay… izay nifanindry tamin'ny “Herinandron'ny Fandraharahana Manerantany [5]” tamin'ny tapaky ny volana Novambra, izay mety hiantoka ny fanatrehan'ny olona marobe …

Ary mazava ho azy, fa nandefa fango sy fandaharana amin'ny antsipirihany aho …

Ary noho izany dia niezaka nanao izany aho, saingy tsy tamin'ny fo … ary somary malemilemy ny fandaharana tamin'ny hevitro ary tsy nahafa-po ahy

ary niverina tanteraka indray ny fangatahana andro mampalaza ahy…

ary nanohy nanemotra hatrany aho… mandra-pahatongan'ny herinandro iray monja sisa alohan'ny fotoana fantatra fa hanaovana ny fihaonana …

tsy nisy fanasana nalefa, tsy nisy programa nalefa …. tsy nisy na inona na inona….

Tampoka teo “Eureka” … noho ny antony sasany dia tanteraka ny fihaonana

Niresaka tamin'i Gohary, nilaza izy fa ho avy any Libanona

Hafatra avy amin'i Claire: Thalia … ho any Libanona aho

ary tsy i Claire sy Gohary ihany, fa i Amira, Afef ary olona maro hafa ho avy any Beirota koa hanatrika ny Forum momba ny Fitantanana ny Aterineto Arabo na IGF Arabo [6] sy hetsika hafa.

Tsy mampino ! Tsara lavitra noho ny fahatongavan'i Dadabe noely tao an-tanàna izany 🙂

Ka nangataka indray mba hanemotra ny fihaonana aho mba hifanindry amin'ny fahatongavan'ny olona ao amin'ny tanàna malalako!

Ary nanana ity hevitra mahafinaritra hafa ity aho … nitafatafa tamin'ny olon'ny March Lebanon [7] momba ny Mozea vortoalin'ny Sivan'izy ireo [8] aho …

Fa maninona moa aho no tsy mba nieritreritra ny hangataka azy ireo mba hiara-hampiantrano ny fihaonana ??

Tonga haingana ny valin-tenin'izy ireo 🙂 ENY

Hanomboka manodidina ny sivana sy ny fahalalahana maneho hevitra ny fivoriana.The long awaited GV Beirut Meetup [9]Tapaka ihany ny daty ho an'ity nandrasana ela “Fifanakalozana Tsy Voasivana” ity: 26 Novambra [10]. Azo jerena ato [11] ny antontan-kevitra lehibe.

Fa nisy ampahany mahafinaritra koa. Natao tao an-tranon'ny mpanomponao ny resadresaka mahasoa naharitra adiny 2, teo ambanin'ny “Orana tsy voasivana” … sy ny “Sakafo hariva tsy voasivana”.

Avelako hilaza izany ny sary

The Uncensored ExchangeA glimpse of the meetup in Beirut10420354_10152860905723277_2708468769502798385_n
unnamed (3)

Saingy tsy izany ihany fa nisy koa fifandrifian-javatra mahafinaritra iray hafa nahatonga ahy hihaona tany Berlin, andro vitsy monja taorian'i Raphael [12], Pernille [13] ary koa Solana [14] sy Awadallah [15]

10687294_10205279073758454_2281869166201277545_o10835105_10152877379838277_8976286756753745558_o

Koa andalana farany, ary aoka izay ny Blabla (lava ny resako) (misaotra an'i Eddie ary Misaotra anao GV noho ny fahatokisana ahy mihoatra noho ny nitokisako ny tenako ..

Anisan'ny zavatra tsara indrindra nitranga tamiko hatramin'izay ny fidirana tato amin'ny GV 4 taona lasa izay

Tratry ny tsingerintaona faha-10 ny fiarahamonina na fianakaviana tsara indrindra hatrizay:)

Am-pitiavana be,

Thaly