- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampiasa media sosialy i Bangladesh mba hiadiana amin'ny valan'aretina dengue

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fahasalamàna, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Voina
[1]

Ny moka Aedes albopictus, mpitondra ny tazo Dengue. Sary tao amin'ny Wikipedia avy amin'i James Gathany, CDC. Azon'ny rehetra ampiasaina.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy lasa izay, indrindra nandritra ny vanim-potoanan'ny talio (mousson), dia nitombo ny isan'ny trangan’aretina dengue [2]tany Bangladesh. Tamin'ity taona ity, nanaitra ny fivoarany satria miisa 7179 ny fitambaran'ny tranga voarakitra – ary efa ho 2800  [3]tamin'izy ireo no nandritra ny tapa-bolana voalohan'ny volana Jolay monja.

Satria toa tsy ampy ny vola eo am-pelatananan'ny governemanta noho ny firongatr'ity trangan'aretina dengue ity vao haingana, dia mitodika ao amin'ny media sosialy ny olona mba haneho ny fitarainan'izy ireo, hizara vaovao momba ny fihanaky ny viriosy, ary hanao fanairana mikasika ny fomba ahafahan'ny olona miaro tena.

Dengue eto Bangladesh: tranga efa ho 2800 tao anatin'ny 16 andro voalohan'ny volana Jolay – Vaovaon'ny valan'aretina androany

Avo ny tarehimarika tamin'ny Jolay

Nahitana tarehimarika ambony ny 22 jolay satria mararin'ny dengue 403 vaovao  [3]no nampidirina hopitaly tao anatin'ny 24 ora. Araka ny voalazan'ireo manampahaizana [6] sasany, ny vokatry ny fiovan'ny toetr'andro, ny orana tsy mitsahatra, ny toetr'andro tsy mahazatra ary ny tsy fisian'ny fahadiovana no antony voalohany amin'ny fiakaran'ny tranganà dengue. Nizara ihany koa ny sasany fa ny aretina dengue tamin'ity taona ity no tena nahafatesana olona noho ny tamin'ny herintaona. Araka ny voalazan'ilay mpisera Twitter, Md. Saif hoe:

Tamin'ity taona ity, niova ny fiseho sy ny soritr'aretina ka mila mandeha any amin'ny dokotera avy hatrany ianao rehefa voan'ny tazo” – hoy ny dokotera manampahaizana iray ao amin'ny Hopitaly Bangabandhu Medical. Tratran'ny fahalemen'ny taova maromaro ireo marary mafy – izay toa tsy naninoa tamin'ny herintaona.

Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Bangla Tribune [8], nilaza ny Dr. Gulzar fa mora iharan'ny aretina indray ireo olona voan'ny dengue teo aloha.

এবার ডেঙ্গু ভাইরাস তার ধরন বদলেছে। আগের চেয়ে আরও বেশি দুর্ধর্ষ হয়েছে। ডেঙ্গু শক সিন্ড্রোম করছে বেশি। আরেকটা কারণ হতে পারে বিগত বছরগুলোতে ডেঙ্গুতে আক্রান্ত হয়েছেন অনেকেই। অনেকে হয়তো জানতেও পারেননি তিনি আগে আক্রান্ত হয়েছেন। দ্বিতীয়বার তারা যখন আক্রান্ত হচ্ছেন, তখন ব্যাপারটা ভয়াবহ হয়ে উঠছে।”

Nahitana fisehoany vaovao ny aretina dengue tamin'ity taona ity, izay mahafaty kokoa. Mety misy antony hafa – maro no voan'ny aretina tamin'ny taona lasa, maro no tsy nahatsikaritra. Rehefa tratra fanindroany izy ireo dia lasa mety mahafaty kokoa izany.

Miparitaka ao amin'ny haino aman-jery sosialy ny tatitra momba ireo trangan'aretina vaovao ary maro ireo mpiserasera lasa miahiahy hatrany. Shofiq Ahmed nizara sioka momba ny tranga iray notaterina:

Na dia ny mpandrindra ny mponina ao amin'ny Firenena Mikambana aza tratrany.

Mpisera Twitter Shorbo Bosonto nanamarika hoe:

Dokotera roa no matin'ny tazo Dengue, ary matahotra ny olona ankehitriny. Nampanantsoin'ny [13] Fitsarana Ambony ao Dhaka ny tompon'andraiki-panjakana ambony misahana ny fahasalamana. Mitombo ny isan'ny maty.

Ampy ve ny fepetra raisin'ny fanjakana?

Nangataka [14] tamin'ny mpamaky azy ireo ny pejy Facebook BBC Bangla mba hitatitra momba ireo ezaka rehetra ataon'ny tompon'andraikitry ny tanàna ao Dhaka amin'ny fiadiana amin'ny fiparitahan'ny moka. Mpisera Mohammad Mynuddin nitatitra [15] ny fahatarana mahagaga ataon'ny governemanta amin'ny fiadiana ny valan'aretina:

Nothing has been seen. A (City Corporation) worker has said that it would take a few weeks to import the protective drugs to decrease mosquitoes. He added that within October we would have the drugs. I was astonished ????

Tsy nisy na inona na inona hita. Mpiasan'ny Fiadidiana ny tanàna (City Corporation) no nilaza fa mila herinandro vitsivitsy ny fanafarana fanafody fiarovana mba hampihenana ny moka. Nilaza koa izy fa amin'ny volana Oktobra vao ho azo ny fanafody. Gaga aho

Noho ny fahitan'ny maro ny tsy fahampian'ny fepetra raisin'ny governemanta na dia eo aza ny firongatry ny aretina dengue, miditra media sosialy ny vahoaka hanaovana fanairana momba ilay viriosy. Nampiditra lahatsary YouTube [16] ny sehatra fampahalalam-baovaon'olon-tsotra, Health Barta, mampiseho amin'ny antsipirihany izay tokony hatao rehefa misy olona tratran'ny tazo dengue:

Betsaka no mampiasa ny media sosialy mba hanangonana rà ho an'ny marary. Mpisera Sajid Islam Khan nisioka [17] fa mila rà ho an'ny rahalahiny mararin'ny dengue izy. Hannan Gazi nandefa hafatra mitovy amin'izany:

Ireo mpiady rà rehetra ao #Dhaka
Tongava hamonjy aina
Mila rà maika izahay ?  ho an'ny mararin'ny Dengue
?Sokajin-drà: A- A Negative
?Rà ilaina: 2 haronkely
?Rahaoviana: Androany
?Aiza: Shantinagar, Dhaka?
☎Fifandraisana: 01758410473

Fampahalalam-baovao tsy miankina, The Chittagong Post, nisioka hoe:

Ny soritry ny aretina dengue sy ny tokony hatao.

Noho ny valan'aretina, nofoanan'ny [24] ben'ny tanànan'i Dhaka City Avaratra ny fialan-tsasatra ho an'ireo mpiasan'ny fanesorana fako sy ny famonoana moka. Na izany aza, mba hiarovana ny olona amin'ny tazon'ny dengue, mbola maro ny ezaka ilaina