Tantara tamin'ny 23 Aogositra 2019
Mandràra ny harona plastika i Tanzania, namorona klioba 300 mitaiza tanora hiaro tontolo iainana ireo mpikatroka ao Dar es Salaam
Ampianarin'ireto mpikatroka ireto ny tanora ao Dar es Sallam ny maha-zavadehibe ny fitahirizana ny natiora sy ny loza mitatao aterak'ireo harona plastika tsy afaka ampiasaina afa-tsy indray mandeha monja.
Valintenin-kalozana amin'ny fampirantian-javakanto mitsapa ny fetran'ny fahalalaham-pitenenana ao Japana
Nitondra ho any amin'ny fitsikerana ny governemanta, fandrahonana ary farafahakeliny fisamborana olona iray, fihetsiketseham-panoherana avy amin'ny artista iraisampirenena ary fanontaniana momba ny fahalalaham-pitenenana ao Japana ilay fampirantiana zavakanto iray mampiady hevitra izay efa nofoanana amin'izao fotoana izao.
Mampiasa media sosialy i Bangladesh mba hiadiana amin'ny valan'aretina dengue
Noho ny tsy fisian'ny fisantarana andraikitra sy ny fanentanana avy amin'ny fanjakana, miditra media sosialy ny vahoaka mba hampianatra sy hanao fanentanana momba ny tazo Dengue.