- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny tsara indrindra tamin'ny Global Voices 2008

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny taona 2008)
[1]

Taona feno hetsika ho an'ireo mediam-bahoaka ny taona 2008, izay nitombo hatrany ny lanjany sy ny heriny tamin'io taona io ho toy ny loharanom-baovao miaraka amin'ireo media mahazatra. Ankehitriny, satria hifarana tsy ho ela ny taona, namerina nijery ireo zava-misy tao amin'ny tontolon'ny bilaogim-paritra sy mitanisa ireo songadina tao anatin'ny roa ambin'ny folo volana lasa ireo mpamoaka lahatsoratra sy ny mpanoratra ato aminay, izay nangoninay eto amin'ny lisitra eto ambany:

- Azia Atsimo-Atsinanana: Adihevitra sy loza nitranga ny taona 2008 [2]
Fandinihana an'i Iran 2008 [3]
2008: Taona feno korontana ho an'i Azia Atsimo [4]
– Fahasalamana Manerantany: Fandinihana Bilaogy 2008 [5]
Fijerena indray ny Global Voices tamin'ny taona 2008 [6]
Nahatratra ny taombaovao Global Voices! [7]
Azia Avaratra-atsinanana: Fijerena ny taona 2008 [8]
Japan: Ny taona tao amin'ny bilaogy Japoney [9]
Azia Atsimo-atsinanana: Ireo mpitati-baovaon'ny taona 2008 [10]
Amerika: Jery todika ny taona 2008 [11]
Kaokazy: Fijerena ny bilaogy 2008 [12]
Karaiba: Fijerena ny taona 2008 [13]

(Fanamarihana: Maro amin'ireo lahatsoratra ireo no nadika tamin'ny fiteny samihafa avy amin'ireo mpandika teny Lingua [14], ka tsidiho azafady ny lahatsoratra tsirairay mba hahitana raha misy amin'ny fiteny hafa ny dikan-teny.)

Nangataka tamin'ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamoninay ihany koa izahay mba hampidirina rohy amin'ireo lahatsoratra tiany indrindra tamin'ny taona (2008) ao amin'ny sarintany Google eto ambany, ary manasa ny mpamaky anay ihany koa hanao toy izany. Raha misy lahatsoratra Global Voices izay tena hitanao fa niavaka tamin'ny 2008, tsidiho azafady ny sarintany Google  [15]ary ampidiro ao izany. Mba hampidirana izany sarintany izany ao amin'ny tranonkalanao na blôginao manokana, dia tsidiho ny sarintany [15] ary tadiavo ny kaody “embed (fampidirana)”.


Jereo ny sarintany lehibe kokoa View Larger Map [16]

Azonao atao ihany koa ny mitsidika ny tahiry media  [17]raha te-hahalala ny sasany amin'ireo tantaranay malaza indrindra ao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra, sy ny fizarana Fitantarana Manokana  [18]momba ireo tantara sasany izay nosoratanay betsaka indrindra.

Ary raha tianao ny zavatra hitanao, dia misorata anarana ao amin'ny mailakanay [19]fanavaozam-baovao [19]na ny fahana RSS [20] na hevero ny hanao fanomezana  [21]ho fanohanana ny asanay.

[22]