Ny tsara indrindra tamin'ny Global Voices 2008

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny taona 2008)

Taona feno hetsika ho an'ireo mediam-bahoaka ny taona 2008, izay nitombo hatrany ny lanjany sy ny heriny tamin'io taona io ho toy ny loharanom-baovao miaraka amin'ireo media mahazatra. Ankehitriny, satria hifarana tsy ho ela ny taona, namerina nijery ireo zava-misy tao amin'ny tontolon'ny bilaogim-paritra sy mitanisa ireo songadina tao anatin'ny roa ambin'ny folo volana lasa ireo mpamoaka lahatsoratra sy ny mpanoratra ato aminay, izay nangoninay eto amin'ny lisitra eto ambany:

- Azia Atsimo-Atsinanana: Adihevitra sy loza nitranga ny taona 2008
Fandinihana an'i Iran 2008
2008: Taona feno korontana ho an'i Azia Atsimo
– Fahasalamana Manerantany: Fandinihana Bilaogy 2008
Fijerena indray ny Global Voices tamin'ny taona 2008
Nahatratra ny taombaovao Global Voices!
Azia Avaratra-atsinanana: Fijerena ny taona 2008
Japan: Ny taona tao amin'ny bilaogy Japoney
Azia Atsimo-atsinanana: Ireo mpitati-baovaon'ny taona 2008
Amerika: Jery todika ny taona 2008
Kaokazy: Fijerena ny bilaogy 2008
Karaiba: Fijerena ny taona 2008

(Fanamarihana: Maro amin'ireo lahatsoratra ireo no nadika tamin'ny fiteny samihafa avy amin'ireo mpandika teny Lingua, ka tsidiho azafady ny lahatsoratra tsirairay mba hahitana raha misy amin'ny fiteny hafa ny dikan-teny.)

Nangataka tamin'ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamoninay ihany koa izahay mba hampidirina rohy amin'ireo lahatsoratra tiany indrindra tamin'ny taona (2008) ao amin'ny sarintany Google eto ambany, ary manasa ny mpamaky anay ihany koa hanao toy izany. Raha misy lahatsoratra Global Voices izay tena hitanao fa niavaka tamin'ny 2008, tsidiho azafady ny sarintany Google ary ampidiro ao izany. Mba hampidirana izany sarintany izany ao amin'ny tranonkalanao na blôginao manokana, dia tsidiho ny sarintany ary tadiavo ny kaody “embed (fampidirana)”.


Jereo ny sarintany lehibe kokoa View Larger Map

Azonao atao ihany koa ny mitsidika ny tahiry media raha te-hahalala ny sasany amin'ireo tantaranay malaza indrindra ao amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra, sy ny fizarana Fitantarana Manokana momba ireo tantara sasany izay nosoratanay betsaka indrindra.

Ary raha tianao ny zavatra hitanao, dia misorata anarana ao amin'ny mailakanay fanavaozam-baovao na ny fahana RSS na hevero ny hanao fanomezana ho fanohanana ny asanay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.