- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Malaza eo amin'ny indostrian'ny sarimihetsika ao Pakistan ny #MeToo

Sokajy: Pakistana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta

Herintaona taorian'ny nidiran’ [1]‘ilay mpilalao sarimihetsika Meesha Shafi tao amin'ny Twitter mba hiampanga an'i Ali Zafar [2] momba ny fitondran-tena ratsy ara-nofo, iharan'ny adihevitra be indray ny indostrian'ny fialamboly Pakistaney. Tamin'ity indray mitoraka ity dia voampanga tamin'ny herisetra an-tokantrano ilay mpilalao sarimihetsika sady mpiangaly mozika Mohsin Abbas Haider [3] ary miandry fitsarana [4]. Ao anatin'ny hetsika #MeToo [5] manerantany, rehefa mahazo vahana ny antso hino ny tantaran'ny vehivavy, dia haingana avy hatrany ireo mpiserasera manohana ny mpiampanga an'i Haider.

Tamin'ny 20 Jolay 2019 tao amin'ny pejiny Facebook [6], nampangain'i Fatima Sohail [7], vadiny, ho nidaroka azy i Haider. Ahitana ny sarin'ny tarehiny miaraka amin'ny ratra hita mazava ilay lahatsoratra.

On 26th Nov 2018, I caught my husband cheating. When I confronted him, instead of being embarrassed he started Beating me. I was pregnant at that time!
He pulled me from hair, dragged me on floor, kicked me several times, punched me on face & threw me on the wall.

Ny 26 novambra 2018, tratrako namitaka ahy ny vadiko. Rehefa nifanatrika taminy aho, raha tokony ho menatra izy dia mbola nanomboka nidaroka ahy indray. Bevohoka aho tamin'izany fotoana izany!
Nosintoniny ny voloko, notaritiny tamin'ny tany aho, nodakany imbetsaka, namelaka tahamaina ahy izy ary nanipy ahy tamin'ny rindrina.

Narahana tati-baovao voalohany (FIR amin'ny teny Anglisy)  [8]ofisialy izany taty aoriana, izay nahitana filazana fa nidaroka, nanararaotra ary niherisetra [9]” tamin'i Sohail i Haider hatramin'ny nanombohan'ny fanambadian'izy ireo. Raha navotsotra vonjimaika [9] izy mandra-pahatonga ny 16 Aogositra, dia maro ireo olo-malaza manohana ny vadiny ary nijoro vavolombelona mikasika ny herisetra ao an-tokantrano niaretan'i Sohail ihany koa. Mpilalao sarimihetsika sady mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra, Dua Malik, [10] nilaza fa nahita maso ny fihetsika feno herisetra nataon'i Haider [3] nandritra ny telo taona. Nandefa fanambarana tamin'ny alàlan'ny tantara iray nalefa tao amin'ny kaontiny Instagram ofisialy [11] izy:

Pikantsary tao amin'ny Instagraman'i Malik. Sary avy amin'ny geo.tv 

Nizara ny fijoroany vavolombelona amin'ny maha nanatri-maso faharoa azy ihany koa i Mirza Gohar Rasheed [12] tamin'ny alàlan'ny siokany;

Vavolombelona tsy mivantana ny tsy rariny nitranga tamin'i #FatimaSohail [13] aho tamin'ny taona 2018 raha nitondra an'i #Fatima [14] tany amin'ny hopitaly ny namako taorian'ny nidarohan'i #MohsinAbbasHaider [15] azy. Tamin'i Fatima no nahafantarako ny tantara manontolo. Toy ny rahavaviko i Fatima amiko (1/3)

Te-hiaro ny fanambadiany sy hiantoka ny mahasoa ny zanany i SHE ka nanaja izany izahay ary nangina saingy satria efa navoakany ankehitriny ny marina (mankahery anao #fatima [17]) (2/3) #justiceforfatima [18]

Te-hiteny aho fa loza mitatao ho an'ny fiarahamonina ny lehilahy toa azy, tsy olombelona tsy misy hazon-damosina sy mampalahelo ihany no fahitako azy, fa loza mitatao koa. Mila ny rariny i Fatima ary mila FANAMPIANA ny vadiny. #justiceforfatima [18] (3/3)

Nolavin'i Haider [3] avokoa ny fiampangana azy rehetra tamin'ny alàlan'ny valan-dresaka ho an'ny mpanora-gazety [21], nilaza izy namaly faty azy i Sohail  [7]satria te-hanambady vehivavy hafa izy, izay araka ny filazany, fa zony ara-dalàna sy ara-pinoana. Nambarany fa sary tamin'izy nianjera tamin'ny tohatra tamin'ny taona 2018 ny sary mipetaka amin'ny lahatsorany:

If she was getting beaten up by me for four years, why are there no medical reports?

Raha nidaroka azy foana nandritra ny efa-taona aho, nahoana no tsy misy tatitra ara-pitsaboana?

Hoy ihany koa izy:

Why do we always play the woman card? Not every wailing woman can be right; why can't men be wronged? Go see the social experiments white people do, when a man and woman fight on the street, and the woman slaps the guy, no one bats an eye, people laugh and make videos. But if a man shoves a woman, people stop and start fighting with him.

Nahoana isika no mirona any amin'ny vehivavy hatrany? Tsy voatery ho marina ny vehivavy rehetra mitomany; nahoana no tsy tokony ho disoina ny lehilahy? Mandehana mijery ny zava-misy ara-tsosialy ataon'ny olona fotsy hoditra, rehefa miady eny an-dalana ny lehilahy sy ny vehivavy, ary mamely tehamaina ny lehilahy ny vehivavy, dia tsy misy taitra, fa mihomehy sy maka sary fotsiny ny olona. Fa raha misy lehilahy manosika vehivavy, dia mijanona ny olona ary manomboka miady amin'ilay lehilahy.

Maro ny olona tezitra tamin'ny fanambarany, ka niditra media sosialy mba haneho ny fahatezeran'izy ireo:

Niharan'ny herisetra ara-nofo ianao ary tsy hino ny teninao amin'izany ny olona fa hangataka porofo. Voadaroka lasa mangana ianao ary manana porofo an-tsary ka hilaza ny olona fa misy lafiny hafa amin'ilay tantara. Tsy afaka handresy amin'ny maha-vehivavy ianao. #MohsinAbbasHaider [15]

Maro ireo mitaky ny rariny ho an'i Fatima #JusticeforFatima. Dua Aamir nisioka hoe:

Mandrisika ny olona aho, indrindra fa ireo manam-pahefana mba hijery akaiky ny fanararaotana nihatra tamin'i #FatimaSohail [13]. Raha tsy mahazo rariny ity vehivavy be herim-po ity izay nizara ny tantarany tamin'ny olona an-tapitrisany, dia isika amin'ny maha-fiarahamonina mihitsy no manala-baraka ny tenantsika ary mandray ny herisetra an-tokantrano ho toy ny ara-dalàna.  #MohsinAbbasHaider [15]

Voaroaka tamin'ny asany amin'ny maha mpanolotra fandaharana amin'ny fantsom-pahitalavitra fanta-daza iray i Haider [3] iray andro taorian'ny nametrahana ny FIR. Nisy ny olona nanohana azy, nangataka mba tsy hanafangaro ny fiainana manokana sy ny asa:

Mino aho fa tokony tsy misy hidirany amin'ny Fiainana Arak'asa ny Fiainanao manokana. Tsy tokony nandroaka an'i #MohsinAbbasHaider [15] tao amin'ny MazaqRaat ny Duniya Newssatria satria Andriamanitra irery no mahalala ny marina.

Raha mbola ao amin'ny fitsarana ny raharaha, manohy manaporofo ny maha tsy meloka azy i Haider [3] ary hanohitra ny lafin'ny tantaran'ny vadiny. Tamin'ny 26 Jolay nandefa lahatsary [25] misy ilay mpanakanto mampiadihevitra Waqar Zaka [26] izy, nilaza i Zaka tamin'izany fa nahazo antso avy amin'ireo olona tao amin'ny trano famokarana malaza iray izy, izay nilaza fa niaraka tamin'ny olona “tsy notononony ny anarany” i Sohail [7] raha mbola nanambady an'i Haider [3].  Tsy vitany hoe tsy nahavita naneho porofo momba ny filazany i Zaka [26] fa nilaza ihany koa izy fa tsy mpitsara momba ny marina sy diso izy.

Olana lehibe ao Pakistan ny herisetra ao an-tokantrano; na izany aza, tsy zavatra resahina ampahibemaso izy io. Taorian'ny niantombohan'ny hetsika #MeToo, nanomboka niresaka momba ity lohahevitra fady ity ireo vehivavy Pakistaney.