Taratasim-pifandraisana RV : Torohevitra isanandro ho an'ireo mpanao tatitra mba tsy ho lavitra an'ireo fitaovana teknolojika hiaka farany

Photo by Nate Grigg and used under a CC BY-NC 2.0 license. / Sary avy amin'i Nate Grigg ary nampiaàna ny lisansa CC BY-NC 2.0 .

Fanamarihana Rising Voices: manome famintinana ireo lahatsoratra am-blaoginay farany mikasika ireo endrika maro amin'ny fampiatiana ara-niomerika izay ahitana ny fidirana sy ny fandraisana ireo fitaovana niomerika ary koa ireo fomba sy fahafahana maro ho an'ireo vondrom-piarahamonina amin'ny fandraisana anjara feno amin'ny tambajotra ny taratasim-pifandraisanay indroa isam-bolana. Vakio eto ireo edisiona taloha tamin'ity taratasim-pifandraisana ity.

Indray mandeha isanandro, ao amin'ny tranonkala iray antsoina hoe Fitaovana ho an'ny Mpitatitra, mizara torolalana miomba ny fitaovana mifandraika amin'ny teknolojia i Samantha Sunne, mpanao gazety miasa tena sady mpampianatra mba hanampiana ireo mpanao tatitra sy mpanao gazetin'olontsotra amin'ny “fanarahana ny fandehan'ity tontolo kidaladala be an'ny Aterineto sy ny teknolojia ity.” Zaraina ao amin'ny tambajotra sosialy ihany koa ireny lahatsoratra ireny, toy ny fahan'ny Twitter an'ny @tools4reporters.

Ahitana safidy azo asolo ny rindrambaiko fikiràna feo Audacity ireo fitaovana nozaraina teo aloha, amin'ny fomba fakàna lahatsary YouTube sy ny fomba fitantanana Google Docs maro be.

MARO KOKOA AVY AO AMIN'NY BLAOGIN'NY RISING VOICES

Ho an'ity andininy iray ity, tianay ianareo hifankahafantatra amin'ireo efatra vaovao mpampiantrano ny tetikasa Twitter ifandimbiasana mikasika ny fikatrohana ara-niomerika ho an'ny fiteny Afrikana (@DigiAfricanLang)! Te-hisaotra an'i Tochi Precious izahay tamin'ny fizaràna ny asany taminay tamin'ny fiteny Igbo, i Ibrahima Malal Sarr tamin'ny asany tamin'ny fiteny Fulah, Mpumie Njobe tamin'ny asany tamin'ny fiteny IsiZulu, ary i Mahuton Bienvenu Possoupe tamin'ny asany tamin'ny fiteny Fon. Mba vakio ny lahatsoratra Fanontaniana&Valiny hahafantaranareo bebe kokoa mikasika azy ireo sy ny asany!

Ary koa, ao anatin'izany andiany izany ihany, tianay ny hampahafantatra anareo ny vahiny iray vao haingana mpampiantrano ao amin'ny @ActLenguas — indizeny mpikatroka ho an'ny fiteny niomerika language Yazmín Novelo (Maya avy ao Peto, Yucatán, Mexico). Ao amin'ny lahatsoratra mombamomba azy, hahafantatra bebe kokoa mikasika azy sy ny asany amin'ny famelomana sy fampiroboroboana ny fitenyin-drazany ianao.

Ary raha mahaliana anao ny fomba hanamoran'ny Aterineto sy ny teknolojia ny ezaka famelomana ny tenin'ny tena Teratany Amerikana (Amerindiàna) sy ireo Firenena Voalohany dia tokony hijery ny zavatra lazain'ny mpampiantranonay vao haingana, @NativeLangsTech , mikasika ny asany amin'ny fikatrohana ara-niomerika ho an'ireo fiteny ireo. Atolotray ho anao ny lahatsoratra am-blaogy F&V miaraka amin'ireo mpampiantrano vao haingana G̓vu̓í (Rory Housty) (ho an'ny fiteny Haíɫzaqvḷa ao amin'ny Firenena Heiltsuk ao Amorontsiraka Afovoany ao Kolombia Britanika, Kanadà), Holly Helton-Anishinaabeqwa (ho an'ny fiteny   Anishinaabe tenenina ao amin'ny faritra Farihy Lehibe any Etazonia), ary i Bill Cook (ho an'ny fitenim-paritra “th’ ao anatin'ny fiteny Cree iresahana ao avaratra atsinanan'i Saskatchewan, Kanadaà).

HETSIKA MANARAKA & FIVORIANA

Hankalaza ny faha-10 taonany any Londona amin'ity taona ity (21-27 Oktobra) ny MozFest ary miantso tolokevitra! Manana tetikasa, hevitra, na lohahevitra tsara mba hahatonga ny Aterineto ho tsaratsara sy madio kokoa, fa manahy amin'ny taham-pahaizanao ve? Aza manahy! Ny fahasamihafana no vahaolana eto. Mba jereo eto sy eto ireo antsipirihany. Daty farany fametrahana: 1 Aogositra 2019

Ho avy amin'ity faran'ny fararano ity ny Sehatra Fifaneraserana faha-6 mikasika ny Fahalalahan'ny Aterineto any Afrika (FIFAfrica)! Karakarain'ny Fiarahamiasa amin'ny Politika ICT ho an'i Afrika Atsinanana sy Atsimo (CIPESA) ity hetsika ity ary mikendry ny hampiditra ireo mpandray anjara isan-karazany ho ao anatin'ny fifanakalozandresaka mikasika ireo fanamby isam-paritra amin'izao fotoana izao ary koa mikasika ireo fahafahana eo amin'ny toeran'ny Aterineto. Ho an'ny antsipirihany, mba jereo ity fanambarana ity. Daty: 23-26 Septambra 2019 / Toerana: Addis Abeba, Etiopia

FAMAKIANA, FIHAINOANA sy FIJERENA FANAMPINY

 

Manorata anarana  hahazo ny Taratasim-pifandraisan'ny Rising Voices

 

 

Isaorana i Eddie Avila tamin'ny nandraisany anjara tamin'ity taratasim-pifandraisana ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.