Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

17 Aogositra 2019

Tantara tamin'ny 17 Aogositra 2019

Taratasim-pifandraisana RV : Torohevitra isanandro ho an'ireo mpanao tatitra mba tsy ho lavitra an'ireo fitaovana teknolojika hiaka farany

Manome rohy mankany amin'ireo fahafahana mifandraika amin'ny fampiatiana ara-niomerika izay ahitana ny fidirana sy ny fandraisana ireo fitaovana ara-niomerika sy ireo fomba marobe ho an'ireo vondrom-piarahamonina mba handraisana anjara feno an-tambajotra ny taratasim-pifandraisana faha-10-n'ny Rising Voices.

Malaza eo amin'ny indostrian'ny sarimihetsika ao Pakistan ny #MeToo

Herintaona taorian'ny nidiran''ilay mpilalao sarimihetsika Meesha Shafi tao amin'ny Twitter mba hiampanga an'i Ali Zafar momba ny fitondran-tena ratsy ara-nofo, iharan'ny adihevitra be indray ny indostrian'ny fialamboly Pakistaney. Tamin'ity indray mitoraka ity dia voampanga tamin'ny herisetra an-tokantrano ilay mpilalao sarimihetsika sady mpiangaly mozika Mohsin Abbas Haider ary miandry fitsarana.

Mozean-javamaneno nentin-drazana tokana ao Nepal miady aman'aina hanavotana zavamaneno tsy fahita firy

Miatrika fanesorana azy ity mozea tsy manampaharoa ao Nepal ity ao anatin'ny tsy fahazoana fanohanana avy amin'ny mpikaroka sy ny mpitsidika amin'ny ankapobeny. Niresaka tamin'i Ram Prasad Kadel, mpanorina sy mpanangona, ny Gobal Voices.