Fitokonana faobe tao Ejypta taona 2008

Egyptian protesters

Nanjary fifandonana teo amin'ny manampahefana sy ny vahoaka ilay nanomboka ho andron'ny fitokonana faobe tany Egypta tamin'ny 6 Aprily 6, ho fanoherana ny fisondrotam-bidim-piainana, ny karama ambany ary ny krizin'ny mofo.

Noheverina ho andron'ny tsy fankatoavam-bahoaka ny andro, izay hanaovana fitokonana faobe, amin'ny fijanonan'ny olona mijanona any an-trano. Nianiana hanafay ny fitokonana amin'ny daroka vy ny governemanta, ka nampitandrina ny vahoaka tsy hihaino ny antso. Nofoanana avy eo ny famoriam-bahoaka ary niafara tamin'ny fifandonana teo amin'ireo mpiasa sy polisy tao Al Mahalla Al Kobra, ao afovoan'ny indostrian'ny lamba any amin'ny Vinany Avaratra, Kairo, Ejypta.

Miasa mafy ireo bilaogera Ejypsiana mba hilaza amin'izao tontolo izao momba ny fikomian'ireo mpiasa izay mampihozongozona ny fireneny, satria an'arivony ireo manao fihetsiketsehana ho amin'ny fiainana tsaratsara kokoa. Lohalaharana amin'ny  fitroarana ireo mpiasa, izay efa nahafatesana olona dimy, naharatrana maromaro, ary mpikatroka an-tserasera, mpikarakara, mpanao politika sy mpijery tsotra tsy fantatra hoe firy izy ireo no naiditra am-ponja.

Tonga tamin'ny endrika lahatsoratra bilaogy, horonan-tsarimihetsika YouTube, Twitter, sary Flickr, hafatra Facebook ary ireo fitaovana hafa an-tserasera izay azon'izy ireo ampiasaina ny fitantarana nataon'izy ireo. Mbola mitohy ny tolona.

Lahatsoratra Global Voices

4 Jiona- Ho avy tsy hoe ela ao Ejipta ny Great Firewall (Rindrin'afo Lehibe) Shina
16 May- Ejypta: Fampijaliana bilaogera sy mpikatroka
03 May – Jordania: Miomana amin'ny fitokonana 
28 Apr – Ejypta: Rehefa miaraka amin'ny politika ny fivavahana 
21 Apr- Ejypta: Vahoaka mihamanjavona
17 Apr – Natsangana ny vondrona manohitra fitokonana ao amin'ny Facebook
10 Apr  – Ejypta: Ny tantaran'i Sounilla
09 Apr  – Ejypta: Bilaogera lohalaharana 
07 Apr  – Ejypta: Fitokonana famohazana (misy lahatsary)
05 Apr – Ejypta: Miomana amin'ny fitokonana faobe alahady

Sary

Egypt General Strike 2008
Avy amin'ilay Amerikana mpanao gazety mpaka sary, James Buck ny sary. Jereo ny kaontiny Flickr raha hijery sary maro kokoa. Nosamborina izy, ary efa navotsotra.
Egypt General Strike 2008

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.