- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taoriana (na fiantraikan'ny) fifidianana Kenya taona 2008

Sokajy: Mediam-bahoaka

Kenyan election day [1]

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny taona 2008)

Ny 27 desambra 2007, narahana fandoroana olona sy herisetra nateraky ny ahiahy fisian'ny fangalaram-bato ny fandresena tsy nampoizina azon'ny filoha teo aloha Mwai Kibaki [2](PNU) tamin'ny fifidianana filoham-pirenena Kenyana. Maherin'ny 200 no maty ary an'aliny no nafindra toerana. Notoherin'ny kandidan'ny mpanohitra Raila Odinga [3] (ODM) ny fandresen'i Kibaki, ary nanambara ny tenany fa mpandresy izy. Nihatra tamin'ny vondrom-piarahamonina Kikuyu, fokon'i Kibaki sy tamin'ireo orinasa Kenyana ny ankamaroan'ny herisetra, saingy nisy ihany koa ny valifaty nahazo ny vondrom-piarahamonina hafa.

Nahatonga ny bilaogera ho iray amin'ireo loharanom-baovao tena ilaina ny fandraràna ny haino aman-jery tsy handefa mivantana ny korontana.

Tantara ifotony avy amin'ny openDemocracy [4]
Sary avy amin'ny Afromusing [1].

Filaharan'ny Tantara tao amin'ny Global Voices

11 Feb – Kenya: Manantena ny fanelanelanana ataon'i Koffi Annan ny bilaogera [5]
08 Feb – Kenya: Mifototra ho amin'ny fandriampahalemana sy ny fampihavanana ny bilaogera [6]
04 Feb – Kenya: Nahitana ny lasibatra antserasera voalohany ny fankahalana ara-poko [7]
24 Janv – Miverina amin'ny fiainana “efa ho ” ara-dalàna ny bilaogera Kenyana [8]
15 Janv – Kenya: Fikatrohana antserasera taorian'ny herisetra politika [9]
10 Janv – Kenya: Sary mampihetsi-po tamin'ny fitroarana sy ny fanantenana [10]
03 Janv – Kenya: Any Kenya ve ireo milisy Ogandey? [11]
02 Janv – Kenya: Aza misalasala amin'ny herin'ny aterineto ao Afrika  [12]
29 Des – Fifidianana Kenya 2007: Tokony hankalaza ve ny mpanohana an'i Raila? [13]

Isaorana ny bilaogera White African, izay manana ny lisitry ny bilaogera miresaka ny toe-draharaha any Kenya [14] ary nindraminay mba hananganana ny famahananay ireo bilaogy nofantenana etsy ambany.

Ushahidi [15]

Ny Ushahidi.com [15] dia fitaovana ho an'ny olona manatri-maso ny herisetra tany Kenya taorian'ny fifidianana. Azonao atao ny mitatitra ny zava-miseho [16] izay hitanao, ary ho hitan'ny hafa amin'ny sarintany [antserasera].

Kenyan newspapers
Sarin'ny lohatenin-gazety ao Kenya avy amin'ny Mentalacrobatics [17].

Raha hijery sary betsaka dia jereo ny  Flickr misy ny “KenyaElections2007″ [18]