(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny taona 2008)
Ny 27 desambra 2007, narahana fandoroana olona sy herisetra nateraky ny ahiahy fisian'ny fangalaram-bato ny fandresena tsy nampoizina azon'ny filoha teo aloha Mwai Kibaki (PNU) tamin'ny fifidianana filoham-pirenena Kenyana. Maherin'ny 200 no maty ary an'aliny no nafindra toerana. Notoherin'ny kandidan'ny mpanohitra Raila Odinga (ODM) ny fandresen'i Kibaki, ary nanambara ny tenany fa mpandresy izy. Nihatra tamin'ny vondrom-piarahamonina Kikuyu, fokon'i Kibaki sy tamin'ireo orinasa Kenyana ny ankamaroan'ny herisetra, saingy nisy ihany koa ny valifaty nahazo ny vondrom-piarahamonina hafa.
Nahatonga ny bilaogera ho iray amin'ireo loharanom-baovao tena ilaina ny fandraràna ny haino aman-jery tsy handefa mivantana ny korontana.
Tantara ifotony avy amin'ny openDemocracy
Sary avy amin'ny Afromusing.
Filaharan'ny Tantara tao amin'ny Global Voices
11 Feb – Kenya: Manantena ny fanelanelanana ataon'i Koffi Annan ny bilaogera
08 Feb – Kenya: Mifototra ho amin'ny fandriampahalemana sy ny fampihavanana ny bilaogera
04 Feb – Kenya: Nahitana ny lasibatra antserasera voalohany ny fankahalana ara-poko
24 Janv – Miverina amin'ny fiainana “efa ho ” ara-dalàna ny bilaogera Kenyana
15 Janv – Kenya: Fikatrohana antserasera taorian'ny herisetra politika
10 Janv – Kenya: Sary mampihetsi-po tamin'ny fitroarana sy ny fanantenana
03 Janv – Kenya: Any Kenya ve ireo milisy Ogandey?
02 Janv – Kenya: Aza misalasala amin'ny herin'ny aterineto ao Afrika
29 Des – Fifidianana Kenya 2007: Tokony hankalaza ve ny mpanohana an'i Raila?
Isaorana ny bilaogera White African, izay manana ny lisitry ny bilaogera miresaka ny toe-draharaha any Kenya ary nindraminay mba hananganana ny famahananay ireo bilaogy nofantenana etsy ambany.
Ny Ushahidi.com dia fitaovana ho an'ny olona manatri-maso ny herisetra tany Kenya taorian'ny fifidianana. Azonao atao ny mitatitra ny zava-miseho izay hitanao, ary ho hitan'ny hafa amin'ny sarintany [antserasera].
Sarin'ny lohatenin-gazety ao Kenya avy amin'ny Mentalacrobatics.
Raha hijery sary betsaka dia jereo ny Flickr misy ny “KenyaElections2007″