- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Navotsotry UAE ilay mpikatroka Osama al-Najjar rehefa nogadraina nandritra ny 5 taona raha tokony navotsotra 2 taona talohan'izao

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Emirà Arabo Mitambatra, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Mbola any am-ponja foana i Osama Al-Najjar, na dia efa nahavita ny saziny aza. Sary: kaonty Twitter an'i Osama Al-Najjar

Noafahan'ny [1] manampahefana ao amin'ny Emirà Arabo Mitambatra (UAE) ilay mpikatroka sady gadra politika Osama al-Najjar taorian'ny nanagadrana azy nandritra ny dimy taona mahery.

Voasazy higadra telo taona noho ny fandefasana sioka [2] nanameloka ny fampijaliana ao amin'ny fonja UAE i Al-Najjar, izay nosamborina tamin'ny volana martsa 2014. Na dia efa nahavita ny saziny aza izy, dia mbola notazonina tany am-ponja nandritra ny roa taona mahery ihany, talohan'ny namotsorana azy tamin'ny 8 aogositra, hoy ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona.

Faly tamin'ny fahafantarana ny famotsorana ireo gadran'ny feon'ny fieritreretana 3 androany maraina: #OsamaAlNajjar [3], Badr Al-Bahri ary Othman Al-Shehi.
Manantena izahay fa hamoaka ireo gadra hafa noho ny fanehoan-kevitra izay mbola tazonina tsy amin'ny antony any am-ponja ny manampahefana #UAE [4] .@ICFUAE [5] @MENA_Rights [6] @BillLaw49 [7] @Nader_SM [8]

Tamin'ny Novambra 2014, nosazian'ny [11] biraon'ny fiarovam-panjakana ao amin'ny Fitsarana Tampony federaly, izay tsy azo ampiakarina ny didim-pitsarana, higadra telo taona an-tranomaizina eo ambanin'ny lalàna mifehy ny heloka antserasera ao amin'ny firenena i Osama, noho ireo fiampangana maromaro toy ny “fanomanana fankahalana” amin'ny fanjakana ary “famolavolana sy fitantanana tranokala [misy] hevitra sy vaovao maneso sy manala baraka”. Voampanga izy noho ireo siokany nanameloka ny fampijaliana ny rainy tany am-ponja sy niantso ny famotsorana ny rainy sy ireo gadra hafa noho ny feon'ny fieritreretana ao Emirà.

Iray amin'ireo mpikatroka Emiraty 94 izay nenjehina faobe  [12]tamin'ny taona 2013 noho ny fitakiana fanavaozana ara-politika tao amin'ny Emiraty ny rain'i Osama, Hussain al-Najjar tamin'ny fiampangana mifandraika amin'ny “fanohintohinana ny fiarovam-panjakana”. Migadra 11 taona an-tranomaizina izy amin'izao fotoana izao.

Tokony ho navotsotra [13] tamin'ny 17 martsa 2017  i Osama, saingy noho ny fangatahan'ny mpampanoa lalàna, dia nolazain'ny fitsarana ho “fandrahonana” ho an'ny fiarovam-pirenena izy ary notazomina  [14]tao amin'ny fonjan'i al-Razeen  [15]malaza ratsy ao Abu Dhabi, izay misy gadra, tahaka ireo gadra politika, iharan'ny fampijaliana sy fampahoriana.

”Nisy gadra roa hafa, Badr al-Bahri sy Othman al-Shehi, ihany koa navotsotra, izay efa nifarana tamin'ny volana Aprily 2017 sy Jolay 2018 tsirairay avy ny sazin'izy ireo”, hoy ny [1] Hetsika Iraisam-pirenena ho an'ny Fahalalahana ao UAE (ICFUAE amin'ny teny Anglisy) tamin'ny fanambarana. .

Nosamborina [16] noho ny fifandraisan'izy ireo amin'i al-Islah, hetsika ara-politika Islamista voasoratra ara-dalàna any UAE talohan'ny nandraràn'ny manampahefana azy ny taona 2014 i Al-Bahri sy al-Shehi.

Gadra politika maro no mbola mijanona any an-tranomaizina ao UAE, na eo aza ny antso imbetsaka avy amin'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona ho famotsorana azy ireo.

Mankasitraka ny famotsorana an'i Osama Al Najjar, Badr Al Bahri & Othman Al Shehi, izay notanana am-ponja tsy amin'ny antony tao amin'ny #UAE izahay.

Mitaky ny famotsorana tsy misy fepetra ireo mpitsikera milamina rehetra sy ireo mpiaro ny zon'olombelona izahay, anisan'izany i Ahmed Mansoor, Nasser Bin Ghaith, ary ilay mpisolovava Mohamed Al Roken.

Misazy [19] folo taona an-tranomaizina noho ny fanehoany hevitra antserasera i Ahmed Mansoor mpiaro ny zon'olombelona malaza. Talohan'ny nisamborana azy tamin'ny volana martsa 2017, nanao hetsika antserasera ho an'ireo mpikatroka nogadraina tany UAE izy, anisan'izany i Osama al-Najjar. Misazy [20] folo taona an-tranomaizina ihany koa i Nasser Bin Ghaith noho ny sioka nanakiana ireo manampahefana UAE.