Navotsotry UAE ilay mpikatroka Osama al-Najjar rehefa nogadraina nandritra ny 5 taona raha tokony navotsotra 2 taona talohan'izao

Mbola any am-ponja foana i Osama Al-Najjar, na dia efa nahavita ny saziny aza. Sary: kaonty Twitter an'i Osama Al-Najjar

Noafahan'ny manampahefana ao amin'ny Emirà Arabo Mitambatra (UAE) ilay mpikatroka sady gadra politika Osama al-Najjar taorian'ny nanagadrana azy nandritra ny dimy taona mahery.

Voasazy higadra telo taona noho ny fandefasana sioka nanameloka ny fampijaliana ao amin'ny fonja UAE i Al-Najjar, izay nosamborina tamin'ny volana martsa 2014. Na dia efa nahavita ny saziny aza izy, dia mbola notazonina tany am-ponja nandritra ny roa taona mahery ihany, talohan'ny namotsorana azy tamin'ny 8 aogositra, hoy ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona.

Faly tamin'ny fahafantarana ny famotsorana ireo gadran'ny feon'ny fieritreretana 3 androany maraina: #OsamaAlNajjar, Badr Al-Bahri ary Othman Al-Shehi.
Manantena izahay fa hamoaka ireo gadra hafa noho ny fanehoan-kevitra izay mbola tazonina tsy amin'ny antony any am-ponja ny manampahefana #UAE .@ICFUAE @MENA_Rights @BillLaw49 @Nader_SM

Tamin'ny Novambra 2014, nosazian'ny biraon'ny fiarovam-panjakana ao amin'ny Fitsarana Tampony federaly, izay tsy azo ampiakarina ny didim-pitsarana, higadra telo taona an-tranomaizina eo ambanin'ny lalàna mifehy ny heloka antserasera ao amin'ny firenena i Osama, noho ireo fiampangana maromaro toy ny “fanomanana fankahalana” amin'ny fanjakana ary “famolavolana sy fitantanana tranokala [misy] hevitra sy vaovao maneso sy manala baraka”. Voampanga izy noho ireo siokany nanameloka ny fampijaliana ny rainy tany am-ponja sy niantso ny famotsorana ny rainy sy ireo gadra hafa noho ny feon'ny fieritreretana ao Emirà.

Iray amin'ireo mpikatroka Emiraty 94 izay nenjehina faobe tamin'ny taona 2013 noho ny fitakiana fanavaozana ara-politika tao amin'ny Emiraty ny rain'i Osama, Hussain al-Najjar tamin'ny fiampangana mifandraika amin'ny “fanohintohinana ny fiarovam-panjakana”. Migadra 11 taona an-tranomaizina izy amin'izao fotoana izao.

Tokony ho navotsotra tamin'ny 17 martsa 2017  i Osama, saingy noho ny fangatahan'ny mpampanoa lalàna, dia nolazain'ny fitsarana ho “fandrahonana” ho an'ny fiarovam-pirenena izy ary notazomina tao amin'ny fonjan'i al-Razeen malaza ratsy ao Abu Dhabi, izay misy gadra, tahaka ireo gadra politika, iharan'ny fampijaliana sy fampahoriana.

”Nisy gadra roa hafa, Badr al-Bahri sy Othman al-Shehi, ihany koa navotsotra, izay efa nifarana tamin'ny volana Aprily 2017 sy Jolay 2018 tsirairay avy ny sazin'izy ireo”, hoy ny Hetsika Iraisam-pirenena ho an'ny Fahalalahana ao UAE (ICFUAE amin'ny teny Anglisy) tamin'ny fanambarana. .

Nosamborina noho ny fifandraisan'izy ireo amin'i al-Islah, hetsika ara-politika Islamista voasoratra ara-dalàna any UAE talohan'ny nandraràn'ny manampahefana azy ny taona 2014 i Al-Bahri sy al-Shehi.

Gadra politika maro no mbola mijanona any an-tranomaizina ao UAE, na eo aza ny antso imbetsaka avy amin'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona ho famotsorana azy ireo.

Mankasitraka ny famotsorana an'i Osama Al Najjar, Badr Al Bahri & Othman Al Shehi, izay notanana am-ponja tsy amin'ny antony tao amin'ny #UAE izahay.

Mitaky ny famotsorana tsy misy fepetra ireo mpitsikera milamina rehetra sy ireo mpiaro ny zon'olombelona izahay, anisan'izany i Ahmed Mansoor, Nasser Bin Ghaith, ary ilay mpisolovava Mohamed Al Roken.

Misazy folo taona an-tranomaizina noho ny fanehoany hevitra antserasera i Ahmed Mansoor mpiaro ny zon'olombelona malaza. Talohan'ny nisamborana azy tamin'ny volana martsa 2017, nanao hetsika antserasera ho an'ireo mpikatroka nogadraina tany UAE izy, anisan'izany i Osama al-Najjar. Misazy folo taona an-tranomaizina ihany koa i Nasser Bin Ghaith noho ny sioka nanakiana ireo manampahefana UAE.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.