- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Israely: Tia sy mankahala an'i Yonit Levi

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Israely, Palestina, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny janoary 2009)

Yonit Levi no vehivavy mpanolotra vaovao be mpitia ao amin'ny Channel 2 any Israely. Tato anatin'ny andro vitsivitsy anefa dia lasa voahilika tao amin'ny tontolon'ny bilaogy izy noho ny fanehoan-keviny momba ny krizy misy ankehitriny ao Gaza, izay heverina fa mangoraka an'ireo Palestiniana. Araka ny lahatsoratra iray tao amin'ny Jerusalem Post [1], matetika hita amin'ny fakantsary toa mivandravandra i Levi rehefa manonona ny IDF (tafika isiraeliana), ary toa malahelo rehefa miresaka momba an'i Palestina. Niteraka fanangonan-tsonia [2] [HE] mitaky ny hanesorana azy amin'ny fandaharana ny endriky ny tarehiny, ka maherin'ny 35.000 tao anatin'ny andro vitsy monja no efa nanasonia. Efa nilaza ireo mpikarakara ny fanangonan-tsonia fa matoky izy ireo fa nanampy ny hetsika nataon'izy ireo, satria tsy manao fanehoana tahaka izany intsony i Levi. Nisy ihany koa ny fanangonan-tsonia iray manigutra natao hanohanana an'i Levi.

OneJerusalem.com naneho hevitra mafy sy haingana  [3]tamin'ny fanohanana an'i Levi:

In a post a while ago I discussed Fox News as an example of how low TV News Channels can take the news and the absurd of having to sell yourself as “Fair and Balanced” when that’s the last thing you ever will be. Yonit Levi is ACTUALLY fair and balanced and doesn’t need to sell it. She has been doing this for a long time and has been presenting the news in professional even tone, void of personal views and opinions.

In short, Yonit we love you ! Keep up the great work.

Tao anatin'ny lahatsoratra vao haingana, noresahako  nandritra ny fifanakalozan-kevitra nataoko ho ohatra ny Fox News amin'ny fomba ambany hakan'ny fantsom-baovao TV maka ny vaovao sy ny haketrenan'ny fivarotana ny tenanao ho “Ara-drariny sy Voalanjalanja” raha izao no zavatra tokony hataonao farany. Yonit Levi no marina sy voalanjalanja TOKOA ary tsy mila mivarotra izany. Nanao izany nandritra ny fotoana ela izy ary nanolotra vaovao tamin'ny fomba matihanina, tsy maneho ny fomba fijeriny sy ny heviny manokana. Raha fehezina, Yonit, tianay ianao! Tohizo ny asa tsara.

A fan poses with Yonit Levi [4]
Mpankafy maka sary miaraka amin'i Yonit Levi

Bilaogera Isiraeliana-kanadiana Lisa Goldman miresaka [5] momba ny fanehoan-kevitra ankapoben'ny haino aman-jery avy any Israely, manamarika ny raharaha Levi:

According to the polls, 90 percent of Israelis support [6] the Gaza campaign. I find that number quite worrying: public debate and a diversity of opinion are, as Ohad notes in this post [7], essential characteristics of a healthy democracy; and anyone who has expressed even the mildest anti-war sentiment can testify to the intimidating responses that have, I noticed, cowed many people into silence.

The intimidation ranges from verbal violence (”traitor!” “fifth columnist”) to the threat of being fired from one’s job – as in the case of Channel 2 anchor Yonit Levi [3]. One friend even received death threats [8] – via Facebook, if you can believe it. Assuming, though, that all the people polled about the war know that the Israeli media’s reporting has been controlled by the army spokesman’s iron fist; and assuming that everyone polled is both well-informed about what is really going on in Gaza and unafraid to voice an opinion that deviates from what we are constantly told is the mainstream, that still leaves one person out of 10 opposing the war. In this edition, Time Out Tel Aviv gives them a voice. Below are some translated excerpts.

Araka ny fitsapan-kevitra,  90 isanjaton'ny Israeliana  [6]no manohana ny (ady) ao Gaza. Hitako fa tena mampatahotra ity tarehimarika ity: toetra ilaina ho an'ny demokrasia salama tsara ny adihevitry ny daholobe sy ny fahasamihafan-kevitra, araka ny nosoratan'i Ohad tao amin'ity lahatsoratra ity [7]; ary izay rehetra naneho fihetseham-po na dia kely aza manohitra ny ady dia afaka mijoro vavolombelona ny amin'ny valin-teny mandrahona izay, araka ny nomarihako, nahatonga ny olona maro hangina.

Ny fandrahonana dia ahitana herisetra am-bava (“mpamadika!” “mpitsikilo”) hatramin'ny fandrahonana ho voaraoka amin'ny asa – tahaka ny tranga tamin'i Yonit Levi, mpanolotra vaovao ao amin'ny Channel 2 [3]. Nisy namana iray mihitsy aza nahazo fandrahonana ho faty [8] – tamin'ny alalan'ny Facebook, raha afaka mino izany ianao. Raha heverina anefa fa mahafantatra avokoa ny olona rehetra nohadihadiana momba ny ady fa fehezin'ny mpitondra tenin'ny tafika ny tatitra ataon'ny fampahalalam-baovao Isiraeliana; ary mihevitra fa samy mahafantatra tsara momba izay tena mitranga ao Gaza ireo olona rehetra nohadihadiana ary tsy matahotra ny haneho hevitra izay manalavitra ny zavatra lazain'ny fampahalalam-baovao mahazatra amintsika foana, dia mbola mahatonga ny olona iray amin'ny 10 manohitra ny ady izany. Amin'ity fizarana ity, dia manome feo azy ireo ny Time Out Tel Aviv. Ireto misy sombiny sasany nadika.

Sary nahazo lisansa Creative Commons avy amin'i YuvalH [4]