Soufriere, Dominica, tazanina avy any amin'ny morontsirak'i Scott's Head ao amin'ny tendro atsimo andrefan'ny nosy. Sary an'i janinephoto, nahazoana alàlana.
Iray amin'ireo fitodiana tsara indrindra ho an'ny fivezivezena eto amin'izao tontolo izao ny ao Karaiba — ary na ohatra aza ilay faritra ka matetika noheverin'ireo any ivelany ho toy ny lohasaham-bato (masoandro, ranomasina, fasika), ny faritra tsirairay, mamakivaky ilay vondronosy, dia manana endritany tazamaso, zavamaniry sy biby, fetibe sy kolontsaina miavaka.
Noho ny fiovaovàn'ny toetrandro mitondra loza mananontanona ho an'ny tany manontolo ( ary indrindra fa ho an'ireo firenena nosy manokana), lasa vao mainka zavadehibe kokoa ho an'ireo ao Karaiba ny mampifandray ny fizahantany, izay zavadehibe ho an'ny teokarena maro ao amin'ilay faritra, amin'ny fanentanana ho fahatongavantsaina momba ny tontolo iainana.
Nanao asa tsara toako ny kaonty Instagram MEP Caribbean Publishers, trano fanontàna izay mamokatra ny Caribbean Beat — hatramin'ireo fanotàna hafa mitodika amin'ny resaka fivahinianana, toy ny Discover Trinidad and Tobago — tamin'ny fanasongadinana ny hatsaràn'ny faritra tao anatin'ny ezaka iray ho fampiroboroboana ny fizahantany tomponandraikitra sy lovainjafy.
Matetika asongadin'ireo fahana ao amin'ny IG (insatagram) ho anao ireo toerana tsy mampino (vitsy mpahalàla) izay hampivanàka anao…
Black Madonna. Siparee na Supari Mai (Renin'i Siparia). Kali. Durga. Lakshmi. Ny Masina Mpiahy an'i Siparia. Ilay Reny Mpanao Fahagagàna . Sary: Ariann Thompson/MEP Publishers
Ny Renirano Ireng ao Guyana mikoriana avy ao Ireng toy ny ranomainty avy any an-tendrombohitr'i Pakaraima ary manavatsava ireo lemaka goavana any Guyana sy Brezila
Global Voices dia zakain'ny ezak'ireo mpandray anjara manolo-tena, orina mpanasoa, mpanome sy ireo serivisy mifandraika amin'ny iraka. Raha hijery torohay bebe kokoa miangavy mba vakio ny