- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifanakalozana Gadra teo amin'i Israely-Libanona tamin'ny taona 2008

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Marihana fa efa tamin'ny taona 2008 ny lahatsoratra Anglisy adika eto)

Toe-java-misy

Milaza izy ireo fa mpiadin'ny fahalalahana ny lehilahy iray mpampihorohoro, ary tsy dia niharihary kokoa izany raha tsy taorian'ny fifanakalozana gadra teo amin'i Israely sy Libanona tamin'ny 16 Jolay 2008. Ireo bilaogera any Afovoany-Atsinanana no vavolombelon'ireo toe-javatra nitranga mirazotra tamin'ny tontolom-pihetseham-po iraisan'ny rehetra, sy ireo manan-tsisintany hita maso iombonana.

Taorian'ny ady naharitra iray volana tamin'ny taona 2006 [1], rehefa nanafika an'i Libanona i Isiraely, sy rehefa nisy naka an-keriny tao amin'ny sisintany ireo miaramila Israeliana roa, nifampiraharaha tamin'ny fifanakalozana gadra ihany nony farany ny vondrona milisy Libaney, Hizbollah [2],  sy ny governemanta Israeliana roa taona taty aoriana.

Ho takalon'ireo miaramila Isiraeliana roa nalaina an-keriny, nandray mpiady velona efatra sy 199 maty tao an-tanindrazana i Libanona. Navoakan'i Israely ihany koa i  Samir Kuntar [3], izay malaza any an-tanindrazany ho maherifo sy mpiadin'ny fahafahana, saingy manizingizina i Israely fa namono lehilahy Isiraeliana iray, sy ny zanany vavy 4 taona, ary polisy iray tamin'ny fomba mahery vaika indrindra i Samir.

Nigadra nandritra ny 29 taona izy.

Vao mainka niharatsy ny toe-draharaha raha naverina nody an-tanindrazana tanaty vatam-paty ireo miaramila Israeliana roa, ka tena nampalahelo ny fianakaviany, izay mbola nanantena fa velona izy ireo. Nanokatra ratra marobe indray ilay tantara tokony hivalona tamin'ny adin'ny taona 2006.

Fifampiraharahana gadra teo amin'i Israely-Hizbollah,  [4]openDemocracy, 14 Jolay 2008

Lahatsoratra Global Voices:

30 jolay – Syria: Gadra adino sy Mahefo Tena izy [5]
22 jolay – Maneho hevitra momba ny fifampiraharahana eo amin'i Israely-Hezbollah ny bilaogera Iraniana [6]
21 jolay – Bilaogera miteny Rosiana miresaka momba ny fifampiraharahana fifanakalozana gadra [7]
19 jolay – Brezila: Ranomaso sy fisaorana ho an'ny gadra Afovoany Atsinanana  [8]
19 jolay – Isiraely: Nahoana ny Isiraely no nankasitraka ny fifampiraharahana Hezbollah? [9]
19 jolay – Palestina: Ny Tenin'ny Isiraeliana manohitra ny Arabo [10]
19 jolay – Tonizia: Aiza ny fandevenam-panjakana? [11]
18 jolay – Libanona: Fiverenan'ny gadra – fizarana 2 [12]
18 jolay – Angry Arab; Nalaina baraka tao Libanona i Israely [13]
17 jolay – Israely: Fihetseham-po lalina teo amin'ny fifanakalozana Gadra Hezbollah [14]
16 jolay –  Libanona: Fiverenan'ny voafonja [15]

 

Raha manana soso-kevitra momba ny lahatsoratra tokony hapetakay ianao, na raha bilaogera ianao ary te-hilatsaka an-tsitrapo [16] hanoratra ho an'ny Global Voices, dia mandefasa mailaka any amin'ny tonian'ny Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra.

[17]
Sary avy amin'ny ShaharEvron [18] ao amin'ny Tendrombohitra Hermona, Atsimon'i Libanona, Avaratr'i Israely. Nalaina tao amin'ny Jeish (Gush Halav)



Sary avy amin'ny mockstar [19], sisintany eo anelanelan'i Israely sy Libanona.