- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao Alzeria, fandresen'ny avy eny an-dalmbe manoloana ny fitondràna ihany koa ny fahatongavana ho eny an-kianja iraisampirenena filalaovana baolina kitra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Alzeria, Fanatanjahantena, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika

Sabotsy 20 Jolay 2019, ny fandraisana tao Alger ny tarika mpilalao baolina kitra alzeriàna taorian'ny fandreseny manan-tantara tamin'ny CAN 2019. Sary nopihan'i Amina Grine [1] ary nahazoana alàlana ny fampiasàna azy.

Tamin'ny nahazoany fandresena tamin'ny CAN 2019 [2] natao tany Ejipta rehefa nandavo ny Senegaly tamin'ny isa 1-0, niverina naka ny toerana maha-tompondakan'ny baolina kitra afrikàna azy i Alzeria, raha efa 29 taona lasa no tapaka izany. Saingy nivoaka tanteraka ny faritry ny maha-fanatanjahantena azy io fandresena io ary naka endrika politika satria ao anaty olana mihitsy izao ilay firenena noho ireo andiana hetsipanoherana [3] nanomboka tamin'ny 22 Febroary 2019 itakiana ny fialàn'ny fitondrana amperinasa.

Zoma feno ny fihetsehampo rehetra

Ny Zoma19 Jolay 2019 dia nanamarika andro iray manan-tantara satria sady andro zoma faha-22 nihetsehana nisesy hatramin'ny nanombohan'ny hirak [4] (teny arabo midika « hetsika » sady mitondra ihany koa mankany amin'ny hoe hetsipanoherana); no andro ihany koa nanaovana ny famaranana ny lalao afrikàna nifanandrinan'i Alzeria sy Senegaly.

Tamin'ny 9 ora alina tamin'io andro io, nitodika tany amin'ny kianja iraisampirenena tao Kairo daholo ny maso rehetra, toerana nanaovana ny lalao famaranana. Vao tamin'ny minitra voalohan'ny lalao dia efa nanokatra ny isa ilay mpilalao Baghdad Bounedjah [5], ary nitazona io tombony io hatramin'ny faran'ny lalao. Nivadika ho fipoahana hafaliana tsy hay refesina ny kiririoka farany namarana ny lalao, ary an-tapitrisa ireo Alzeriàna nivoaka teny an'arabe mba hankalaza io anaram-boninahitra nandrasana fatratra io.

Madjid Zerrouky, mpanao gazety ao amin'ny Le Monde dia namoaka lahatsary iray nalaina tany anatin'ireny fankalazana fandreseana tao Alger ireny :

Dia lasa izao, ho alina lava hiravoravoana

Naneho fahavononana niavaka ny ekipam-pirenena, nomena anarana hoe les Fennecs [9]: tsy resy mihitsy na indray mandeha aza tamin'ny lalao natrehany, nahafaty baolina 13 [10] ary nidirana baolina 2 [11] monja, porofon'ny tombony lehibe ananany raha resaka fanafihana [10] sy fiarovana [11] .

Fa avy aiza io fahavononana io?

Io haromotana hitady fandresena eny ambony kianja filalaovana baolina kitra io dia hazavaina ihany koa amin'izay mitranga eny an'arabe sy ireo hetsipanoherana iainan'ny firenena efa ho volana dimy mahery izao. Fihetsiketsehana foana no manamarika ny andro Zoma nanomboka tamin'ny 22 Febroary 2019, andro nivoahan'ireo Alzeriàna an'aliny maro teny an'arabe nanerana ny firenena mba hanohitra ny fepotoana fitondrana fanindiminy misesy itondran'ny filoha Abdelaziz Bouteflika.

Raha nametraka fialàna ny 2 Aprily 2019 [12] i M. Bouteflika nony farany, ry zareo Alzeriàna kosa nanohy nanao fihetsiketsehana tao Alzeria, sy tany amin'ireo firenena ahitàna teratany Alzeriàna betsaka, toa an'i Frantsa sy Kanadà. Takian-dry zareo ny hisian'ny fiovàna hatrany ifotony sy ny tena tetezamita marina manilika ireo olon'ny fitondrana teo aloha niaraka tamin’ Atoa. Bouteflika.

Ny gazety alzeriàna ety an-tambajotra, AtlasTimes, dia nandefa momba izay, indrindra ny antsafa iray nifanaovany tamin'ilay Alzeriàna mpilalao Adlane Guedioura izay ilazàny hoe :

Ny fandresen'ny ekipam-pirenena dia noho ny Hetsika fitroaran'ny vahoaka, ny #Hirak [14] hoy i @AdleneGUEDIOURA [15]

Naverin'ilay mpanao gazety Hamdi Baala noraisina io lohahevitra io, izay namoaka sary avy amin'ireo fihetsiketsehana tamin'io Zoma niavaka io, narahany an'ireto fanehoankevitra ireto:

Efa mihazatra amin'ny feonà angidimby fa tsy ilay an'ny revolisiona arahany maso. Tao Alger ny Zoma faha-22 nanaovana hetsipanoherana no nanomboka ary tena miavaka : Hilalao ny famaranana ihany koa i Alzeria anio alina any amin'ny CAN. Ary tena manainga fanahy izany.

“Lavina ny jadona, ekena ny amboaran'i Afrika” hoy ihany koa ny nosaratan'ny tovovavy alzeriàna iray:

Ary dia “Eny” ho an'ny amboaran'i Afrika

“La casa del mouradia” [23], “la liberté” [24] sy ireo hira hafan'ireo hetsipanoherana no noventesina tamin'ny 19 Jolay nandritra ireo hetsipanoherana, avy eo ny alina indray, mba hankalazana ny fandresen'ny Fennecs.

Vehivavy egiptiàna iray mpampiasa aterineto nanatrika ny lalao famaranana nifanandrinana tamin'i Senegaly, no namoaka ihany koa lahatsary iray ahitàna ireo alzeriàna mpanohana mihira ny “la casa del mouradia” nandritra ilay lalao famaranana :

Satria tsy teo aho, dia mamelà ahy ianareo hizara sasantsasany amin'ireo fotoana nankafiziko indrindra nandritra ny lalao famaranana ny #AFCON2019 [25] , ny manandanja indrindra dia ireo alzeriàna mpankafy nihira ny La Casa Del Mouradia.

Tetezana an'habakabaka hanodinana ny sain'ireo Alzeriàna tsy ho any amin'ireo hetsipanoherana

Nandraman'ny fitondràna alzeriàna ny niloka tamin'io lalao io mba hampitoniana ireo fanoherana ao anatin'ny firenena. Araka izany, ireo manampahefana alzeriàna dia nanetsika fiaramanidina  28 mba hitaterana ireo mpanohana niisa 4.800 [28] ho afaka hanatrika ny lalao famaranana ny CAN. Saingy tonga saina reo Alzeriàna hoe ezaka hanodinkodinana ny saina io ary tsy adala ry zareo, araka ny fanamarihan'ity mpampiasa aterineto ity :

Tompondakan'i Afrika i Alzeria, saingy mitohy ny tolona hisian'ny fahalalahana! > Ny hiran'ireo mpanohana tamin'ny andron'ny lalao famaranana: « Lazao azy ireo, tsy ny baolina akory no handrebirebenareo anay. Lazao azy ireo: tsy maintsy alainay ny fahalalahana na inon-kidona, na inon-kihatra ». #Hirak [14] #Algerie [13] #CAN2019 [29]

Yazid Ouahib, lehibe mpitantana ny sampana Fanatanjahantena ao amin'ny gazety mpiseho isanandro El Watan manazava hoe [32] : “Manisa tombombarotra ny fitondrana , saingy manampin-tsofina aminì'ireo fitakian'ny mpanao fihetsiketsehana, endriky ny kolikoly izany, izay tsy hisy fiantraikany amin'ny hetsi-bahoaka, satria hatramin'ny 22 Febroary, nasehon'ny vahoaka fa tsy azo lalaovina izy”.

Ny 19 Jolay, nosoratan'ny iray tamin'ireo mpanao fihetseketseha tamin'ny takelaka notazoniny ny hoe : [33] « Hasambarana vonjimaika ny fandreseana azo tamin'ny CAN. Fa ny famerenana ny firenena dia manome hasambarana mandrakizay ».

Ny fandresen'ny vahoaka

Toy ny maripankasitrahana iray mitondra aingampanahy ho anà firenena iray manontolo mba hiroso hatrany sy hanavao ny firenena iray manontolo no fahitan'ny ankamaroan'ireo Alzeriàna ity fandresena tamin'ny fiadiana ny amboaran'i Afrika ity.

Kintana iray faharoa aloha mandra-piandry ny repoblika faharoa  #Hirak [14] #Harak [34] #Algérie [35] #TOTALAFCON2019 [36]

#HIRAK [38] ry mpitondra [39] #HAJAINA [40] Ny #VAHOAKA [41] #ALZERIANA [42] #MITAMBATRA  [43]#Misaotra [44] #NyMaitso [45] #Misaotra [44] noho ny #CAN2019 [29]
Fa tsy #Manadino [46] hoe ny Vahoaka dia faran'izay vonona hitondra ny fitroarany hatrany amin'ny #Fahatanterahan'ireo [47]  #Fitakiana [48]. #MIALADAHOLOIANAREOREHETRA [49] #TsyAdalaAkoryIzahay [50]