- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Frantsay noterena hiala tsiny noho ny nanaovany lahatsary mandrabiraby ny fitondra-miaramila Thailandey

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika
[1]

Pikantsarin'ny lahatsary YouTube ‘Fanavaozana ny Hira fanevan'ny Fitondra-miaramila’ nataon'i Yan Marchal.

Noterena hanao fialan-tsiny [1] sy hamafa ny lahatsarin-kirany malaza ao amin'ny YouTube izay maneso ny hiram-pirenen'ny governemanta tohanan'ny miaramila ny Frantsay iray miasa ivelan'ny fireneny.

Tamin'ny 10 Jona 2019 i Yan Marchal, mpandrafitra lalao videô izay efa nonina tao Bangkok nandritra ny 15 taona, no namoaka lahatsary iray tamin'ny YouTube izay manao ho mampihomehy [2] ny hira fanevan'ny Vaomieram-pirenena ho an'ny Fandriampahalemana sy ny Filaminana (NCPO). Naorina ny NCPO taorian'ny nandrobahan'ny miaramila ny fahefana [3] tamin'ny taona 2014. Na dia notanterahana tamin'ity taona ity ihany aza izany fifidianana izany, dia mbola mifehy ny fitantanana ny biraon'ny governemanta ao amin'ny firenena ihany ny miaramila.

Ny lahatsary mitondra ny lohateny hoe ‘Fanavaozana ny hira fanefan'ny fitondra-miaramila’ dia fampihomehezana amin'ny hira [4] ‘Mamerina ny fahasambarana ho any amin'ny vahoaka’ nosoratan'ny Jeneraly Prayut Chan-o-cha [5] izay nitarika ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2014 ary mbola filohan'ny governemanta ihany. Averimberina mandrakariva ao amin'ny radio sy ny TV io hira faneva io.

Teo amin'ny tononkira manao hoe “hihetsika araka ny fampanantenana nataonay izahay,” dia nosoloin'i Marchal hoe “tsy hotanterahanay ny fampanantenana nataonay.” Indro ny tsonga amin'ny tononkira natao ihomehezana izay natao hanesoana ny fampanantenan'ny NCPO hamerina amin'ny toerany ny fitondrana sivily:

We will break our promise
We need a lot more time
And the dictatorial system
Will live on
We will act tricky
We just need you to be gullible
And close your eyes
We shall devour your tax money

Tsy hotanterahanay ny fampanantenana nataonay
Mbola mila fotoana bebe kokoa izahay
Sy ny rafitra jadona
Hiainantsika
Hiasa amin-kafetsena izahay
Tianay fotsiny ianareo hatoky befahatany
Ary hanakipy ny masonareo
Habosibosikay ny volanketranareo

Efa nahazo jery mihoatra ny iray tapitrisa io lahatsary fampihomehezana tao amin'ny YouTube io talohan'ny nanesorana azy tamin'ny 12 Jona.

Talanjona i Marchal raha nalaza haingana sy vetivety io lahatsary io, ary notsipahany ny fiampangana fa mikendry ny hampiroborobo ny fankahalana tao amin'ny firenena izay iantranoany izy. Tao amin'ny valiny Facebook [6] i Marchal niteny hoe:

…criticizing a government and a regime does not equate to hating a country. I love Thailand, I just don't love dictators and military coups.

Tsy mira fankahalana firenena iray mihitsy ny fitsikerana ny governemanta sy ny fitondrana. Tiako i Thailandy, fa ny hany tsy tiako dia ny mpanao didijadona sy ny fanonganam-panjakana ataon'ny miaramila.

Na teo aza izany dia namoaka tsanganana vaovao hafa izy tamin'ny 12 Jona milaza fa nanapa-kevitra hamafa ny lahatsary izy taorian'ny nanasoniavany memorandum iray nokarakarain'ny polisy. Nozarainy ary fa nitsidika azy tao an-tranony ny polisy ary nitondra memorandum izay nosoniaviny taty aoriana mba hialana amin'ny mety ho olana ara-pitsarana mety ho atrehiny. Ilay antota-taratasy moa dia fialan-tsinin'i Marchal noho ny namoahany ilay lahatsary izay ‘niteraka ratra’ ho an'ny NCPO sy ny Thailandey. Indro ny tsonga avy amin'ny lahatsoratry ny memorandum [7]:

…it was improper act and now repenting for the bad action and will not do it again

I myself would like to say sorry to the government and the people of Thailand on my improper behavior which causing (sic) the damage against the NCPO and the people of Thailand

I myself make a promise not to do this action and will provide on making an apologetic clip to say sorry to the NCPO and the people of Thailand.

… fihetsika tsy nety iny ka ibabohako noho ny ratsy vita ary tsy hanao izany intsony
Ny tenako no te-hilaza fialan-tsiny amin'ny governemanta sy ny vahoakan'i Thailandy tamin'ny fihetsika tsy mendrika nataoko izay niteraka fahasimbana teo amin'ny NCPO sy ny vahoakan'i Thalindy
Ny tenako no manao fampanantenana fa tsy hanao izany hetsika izany ary hanolotra clip fialantsiny hilaza ny azafadiko amin'ny NCPO sy ny vahoakan'i Thailandy.

Nanoratra Marchal taty aoriana fa nahatsiaro ho voarahona [8] izy taorian'ny nahazoana fanehoan-kevitra mankahala avy amin'ny mpanohana ny NCPO:

One kind of attention I wish I would have gotten less of, however, is that of far-right activist groups who dug everything they could find about me on the internet (and that is a lot, as I have never been too keen on keeping things private). There were quite a few hateful comments, and even one person who posted the soi [address] in which I live.

Zavatra itodihana iray tsy tiako ho azo indrindra, anefa, ny isavasavan'ny vondrona farany havanana ny zava-drehetra mety ho hitany momba ahy ato amin'ny aterineto (ary efa betsaka izany, noho izany tsy mba mailaka mihitsy hitazon-javatra ho tsy ho hitan'ny maso hafa). Vitsivitsy ihany ny fanehoan-kevitra mankahala, ary misy aza olona iray namoaka ny lazaina [ho adiresy] misy ahy.

Indreto ny sasantsasany amin'ny setriny avy tao amin'ny Twitter:

Frantsay lavitry ny fireneny lasa olo-malaza ao Thailandy amin'ilay lahatsary maneso ny hiram-pirenen'i Prayut

[Naoty: Ny sariitatra eto ambony dia manasongadina ny voambolana ‘farang’ izay midika hoe ‘vahiny’ avy any amin'ny firenena tandrefana amin'ny teny Thailandey.]

Mampangorangoraka izany hoe matahotra mafy ireo fanaovan-tarehiratsy tsy dia mankaiza ny fitondra-miaramila ka mandefa polisy hifampiraharaha ny amin'izany. Tena mbola lavitra ny demaokrasia. 6/6

Nitatitra ihany koa ny Human Rights Watch fa efa nanery mpiantsehatra iray malaza amin'ny fampihomehezana sy mpianatry ny sekoly ambony sasantsasany ny manampahefana hamafa lahatsary amin'ny media sosialy maneso an'i Prayut sy ny NCPO. Naneho ny heviny [23] ny vondrona:

The Thai junta obviously has no sense of humor since even the slightest ridicule can result in thuggish intimidation or threats of prosecution.

Tena tsy mahalala hanihany mihitsy ny fitondra-miaramila Thailandey ka na dia rabiraby tsy dia manao ahoana aza dia mety miafara amin'ny fandrahonan-jiolahy na fampitahorana ho entina eny amin'ny fitsarana

Nisy ihany koa ireo hafa mpitsikera ny fitondra-miaramila notafihan’ [24]olon-tsy fantatra tamin'ny vola mey sy jona izay nanaitra ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona amin'ny fitohizam-pandrahonana mahazo ny zo haneho hevitra ao amin'ny firenena.

Ity ny lahatsarin’ [25]ilay hira faneva: