- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Toa maty tany am-pitazonana azy ilay ankizivavy mpianatra nalain'ny Boko Haram an-kery

Sokajy: Afrika Mainty, Nizeria, Ady & Fifandirana, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

 


Pikantsary ahitàna ilay ramatoa mpiasa ho an'ny maha-olona Grace Taku (eo afovoany), avy amin'ny lahatsary noraketina nandritra ny nitazonan'ny Boko Haram azy tao Borno. Grace Taku milaza ao anatin'ilay lahatsary [1] fa maty i Leah Sharibu, ankizivavy mpianatra izay nalain'ny Boko Haram an-kery ihany koa.

Ny 18 Jolay 2019, nalain'ny Boko Haram, vondrona milisy miara-dia amin'ny Fitondrana Islamika [fr] [2] ilay ramatoa mpiasa ho an'ny maha-olona, Grace Taku, sy ireo mpiara-miasa aminy ao amin'ilay fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakàna “Hetsika hiadiana amin'ny hanoanana”. Ny fijoroana vavolombelona an-dahatsary [1] nataon'i Grace Taku dia niteraka sahotaka be tao Nizerià: ambarany ao anatin'izany fa maty i Leah Sharibu, iray tamin'ireo ankizivavy mpianatra nalain'ny Boko Haram an-kery tamin'ny 2018.

Angamba efa maty i Leah Sharibu.

Miantso vonjy i Grace Taku mba tsy ho fatin'ny Boko Haram . Manamafy izy fa novonoin'ireo milisin'ny Boko Haram i Leah Sharibu sy izany antsoina hoe “Alice” izany, taorian'ny nandàvan'ny governemanta nizeriàna ny hanaiky ireo fitakian'ilay vondrona.

Ity manaraka ity ny antsony [5], nadikan'ireo mpanao gazetin'ny Sahara Reporters :

My name is Grace, I work with Action Against Hunger, an NGO in Borno State; my base is Damasak. We went to work on Thursday, July 18, 2019. On our way back to Damasak, by Keneri/Chamba ward, we were caught by an army called the Kaliphas and they brought us here. We don’t know where we are … I am begging, on behalf of all of us. I don’t want such things to happen to us and it also happened again with Leah and Alice, because Nigeria could not do anything about them — they were not released; they were also killed.

Grace no anarako, miasa miaraka amin'ny Hetsika hiadiana amin'ny Hanoanana aho, ONG iray ao amin'ny Fanjakana Borno; ao Damasak aho no mitoby. Nandeha niasa izahay ny Alakamisy 18 Jolay 2019. Teny an-dàlana hiverina ho any Damasak, nandalo an'i Keneri/Chamba, nosamborin'ireo tafika antsoina hoe Kaliphas izahay ary nentiny ho aty. Tsy fantatray hoe aiza ilay toerana misy anay… Mitalaho ny fanampianareo anay aho, amin'ny anaran'ny rehetra. Tsy tiako hihatra aminay ny toy izany ary indrisy, izany no nitranga tamin'i Leah sy Alice, satria tsy afaka nanao na inona na inona ho azy ireo i Nizerià – tsy navotsotra ry zareo ; novonoina ry zareo.

Tomponantoka tamin'ny fahafatesan'olona an'aliny ny Boko Haram, isan'izay ireo fanafihana nanaovana vy very ny aina sy ireo fanafihana feno herisetra nokononkononin'ireo milisin'ilay vondrona tany avaratra-atsinanan'i Nizerià, ny tany avaratr'i Kareronina ary tany Nize. Ny fakàna an-kery nataon'ny Boko Haram an'ireo ankizivavy mpianatra niisa 276 tamin'y 2014 tao Chibok, avaratr'i Nizerià dia niteraka hatezerana erantany naseho tamin'ilay tenifototra #BringBackOurGirls [6] [Avereno aminay ireo zanakavavinay].

Naneho hevitra tety anaty tambajotra ireo Nizeriàna mpampiasa aterineto, momba ilay filazàna fa hoe maty i Leah Sharibu.

“Fanontaniana iray ilàna ny valinteny avy amin'ny governemanta io”, hoy i Oby Ezekwesili, filoha lefitra fahiny tao amin'ny Banky Iraisampirenena ary mpiara-nanorina ny hetsika #BringBackOurGirls :

Fanontaniana iray ilàna ny valinteny maika avy amin'ny governemanta MBuhari io raha mbola mba mahatahiry kely toy ny voatsinampy amin'ny fangorahana ireo fianakavian'ilay ankizivavy ihany izy, izay tsy maintsy mihorohoro tanteraka noho ireny vaovao faran'izay mahatsiravina ireny. Mivavaka aho mba ho diso io vaovao io ary tena mba ho honohono tanteraka araka izay faniriantsika rehetra ao anivon'ny governemanta federaly.

Ampangain'ilay nizeriàna mpanao gazety, David Hundeyin, ny tsy fisian'ny fangorahana sy ny fiolonolonan'ireo rehetra izay miampanga an'i Leah Sharibu ho tomponandraikitra nahatonga ny fahafatesan'ny tenany ihany tamin'ny nandàvany tsy hivadika ho silamo :

Natombotsika tamin'ny fiampangana an'i Busola Dakoto, 17 taona, tamin'ny fanapahankevitry ny olona iray hanolana azy, ary faranantsika amin'ny zazavavy kely iray, 15 taona maty novonoin'ilay vondrona faharoa mpanao asa fampihorohoroana tena mpamono olona betsaka indrindra eto ambonin'ny tany.

Nahavita tsara ianareo ry zalahy.

Amin'ny manaraka, ho ampangaintsika ireo zaza tratry ny valanaretina sida nifindra avy tamin'ny reniny.

Ireo ankizivavy mpianatra tao Dapchi

Ranomaso teo ampiverenan'ireo ankizivavy mpianatra nalaina an-kery tao Dapchi. Pikantsarin'ny lahatsarin'ny  CNN [14]. [soramandry: “Navela teny amoron-dàlana izy ireo, tao an-tanànan'i Dapchi, toerana nahafahan-dry zareo namonjy ny fianakaviany.”]

Tamin'ny taona lasa, ny 19 Febroary 2018, ankizivavy mpianatra niisa 110  [15] avy amin'ny liseam-panjakana voatokana ho an'ny ankizivavy, fianarana momba ny siansa sy ny teknika ao Dapchi ao anatin'ny Fanjakana Yobe, avaratra-atsinanan'i Nizerià, no nalain'ny vondrona Boko Haram an-kery. Iray tamin'ireny i Leah Sharibu.

Feno mpanakiana miampanga ny miaramila nizeriàna ho manao fakàna an-kery. Ireo mpanao gazety avy amin'ny  Sahara Reporters dia namoaka antontan-taratasy iray tsiambaratelo [16] izay nalefa tamin'ny 6 Febroary 2018 ho an'ny mpifehy faratampon'ny tafika (herinandro talohan'ny nakàna an-kery ireo ankizivavy mpianatra tao Dapchi) ary nanairana azy momba ny “fanafihana iray goavana ataon'ny vondrona Boko Haram” ikendrena toerana maro natao ho an'ny daholobe, toy ny sekoly, maoske, tsena ary kianja any amin'ireo fanjakana ao Borno sy Yobe. Tsy vitan'ny hoe nanao tsinontsinona fotsiny ilay fampitandremana ny tao amin'ny tafika, fa koa nanàla ireo andian-tafika tao Dapchi.

Betsaka tamin'ireny ankizivavy ireny no noterana hivadika ho silamo nandritra ny naha tany am-pitazonana azy. Ny 21 Martsa 2018, volana iray teo ho eo taorian'ny nakàna an-kery ireo ankizivavy, navotsotry [17] ny vondrona Boko Haram “ny ankizy niisa 106 : 104 ankizivavy mpianatra, ary ankizivavy iray tsy nandeha an-tsekoly sy zazalahikely iray,” hoy ny BBC.

Tatitra [18] iray an'ny Firenena Mikambana no nilaza fa navotsotra ireo ankizy ho takalon'ny “volabe naloan'ny” governemanta nizeriàna. Ampian'ilay tatitra fa io “fifampiraharahana ara-bola io, tsy nisy fanarahamaso na kely aza, dia mandrisika ireo vondrona mpampihorohoro” satria vao mainka mamahana ny horohoro bebe kokoa. Ny governemanta nizeriàna dia nandà ho tsy nandoa vola [19] mba hanafahana ireo ankizivavy ireo.

Leah Sharibu, anefa, mbola voatazona tany hatrany.

Leah Sharibu nandà ny tsy hivadika ho silamo

“Leah Sharibu, ilay ankizivavy tokana tsy nety hivoady hanaraka ny finoana silamo, dia efa nanidy sahady ny fahafahany araka izany.” Pikantsary avy amin’ity lahatsary [20] tao amin'ny YouTube ity.

Tsy navotsotr'ireo milisin'ny Boko Haram i Leah Sharibu, satria azo antoka fa nandà tsy nety nanaraka ny fangatahan'ireo naka an-kery azy mba hivadika finoana. Ny “The Guardian” avoaka avy ao Nizerià dia namaritra [21] an'i Leah Sharibu ho toy ny “ankizivavy tokana tsy nety hivoady hanaraka ny finoana silamo”, ary ho setrin'izay, “nolavina tsy ho azy ny fahafahana”. Tezitra tamin'ny “fikirizany hitazona ny finoana maha-kristiàna azy”, nandeha toy ny mpandresy nankao amin'ny tanànan'i Dapchi ireo naka an-kery azy mba hamotsotra ireo ankizivavy hafa.”

Ny 28 Aogositra 2018, volana dimy taorian'ny namotsorana ireo ankizivavy hafa, nisy rakipeo iray [20] nipoitra tety anaty aterineto nahitàna an'i Leah Sharibu niteny avy any amin'ny toerana nitazonana azy. Tao anaty famerenan'ny CNN nandefa  izany [22], Leah Sharibu, niteny tamin'ny fiteny hausa, tenindreniny, nitalaho tamin'ny filoha nizeriàna, Muhammadu Buhari, mba hiantoka ny famotsorana azy :

I am Leah Sharibu, the girl that was abducted from Government Girls Science Technical College, Dapchi. I am calling on government and people of goodwill to get me out of this problem. I am begging you to treat me with compassion, I am calling on the government, particularly, the president, to pity me and get me out of this serious situation.

izaho no Leah Sharibu, ilay anikivavy nakaina an-kery tao amin'ny liseam-panjakana fianarana ny siansa sy teknika, natokana ho an'ny ankizivavy ao Dapchi. Miantso ny governemanta sy ireo olona tsara sitrapo rehetra aho mba hamoaka ahy amin'ity olako ity. Mitalaho aminareo mba handinika ny amiko miaraka amin'ny fangorahana, miantso ny governemanta aho, ary indrindra fa ny filohampirenena, iantrao aho ka ampio mba ho tafavoaka amin'ity toedraharaha mahatsiravina ity.

Nanampin-tsofina tamin'ilay antso mahavaky fo nataon'i Leah Sharibu ny governemanta.

Tsy nisy na inona na inona niova.

Ny andro voalohany nahatsiarovana ny tsingerintaona nitazonana an'i Leah Sharibu, ny 11 Febroary 2019, toran-tomany ny reniny, Rebecca Sharibu, nitalaho ny mba hamotsorana an-janany vavy.

Pikantsary tamin'ny lahatsary YouTube [23] nahitana ny renin'i Leah, Rebecca Sharibu, mitomany mangataka ny hamotsorana an-janany vavy.

Rebecca Sharibu, miteny amin'ny fiteny hausa, nilaza, araka ny antontan-kevitry ny [24] “The Guardian” :

I am the mother of Leah and I am here begging the government not to forget my daughter. I want the government not to forget the promise made to us that my daughter would be set free. The president called me and we spoke on phone. He assured me that Leah would come back and that the government was working hard on it. He also sent three ministers who came and assured me that my daughter would return. After that, it was silence because we haven’t seen Leah. By next week, my daughter would have spent a year in captivity. That is why I am begging the president … not to forget the promises made to me by ensuring that my daughter is freed.

Izaho no renin'i Leah ary eto aho mitalaho aminareo governemanta mba tsy hanadino ny zanako vavy. Tiako ny governemanta mba tsy hanadino ilay fanomezantoky nataony taminay hoe ho afaka ny zanako. Niantso ahy ny filoha ary niresaka an-telefaona izahay. Nanome toky ahy ny hiverenan'i Leah izy sy hoe niasa mafy ho amin'izany ny governemanta. Minisitra telo koa no tonga tany an-trano nanome toky ahy ny hiverenan'ny zanako vavy tsy ho ela. Taorian'izay, nangina tanteraka satria tsy nahazo vaovao intsony momba an'i Leah izahay. Amin'ny herinandro hoavy, ho feno herintaona ny nitazonana an-janako vavy any. Izany no antony italahoako amin'ny filoha…mba tsy hanadino ilay fanomezantoky nataony momba ny famotsorana an-janako vavy.

Dia mbola toy izay indray ihany koa, nangina tanteraka, hatramin'ny namoahana ety anaty tambajotra ilay lahatsarin'i Grace Taku.

“Ary aza matahotra an'izay mahafaty ny tena nefa tsy mahay mamono ny fanahy” – Matio 10:28

Tsy misy iraharahiana an'izany, tsy ho voakitika ary ho fotsy mangatsakatsaka ny fanahin'i Leah Sharibu  : (vao mainka ho velona noho ny fanahy mampihoron-koditra ananan'ireo devoly mpihatsara ivelantsihy tsy nahavita akory mba nanampy azy).

Mivavaha ho an'ity Leah Sharibu be herimpo ity, na aiza izy na aiza.

Manamafy [26] ny governemanta nizeriàna fa mitohy ny fifampiresahana ho famotsorana an'ireo ankizivavy rehetra sy ireo mbola tavela any an-tànan'ny Boko Haram.