- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lavin'ny praiminisitra ao Trinidad sy Tobago ny hanameloka ny lehiben'ny fitsaràna

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika
[1]

Ny Lapan'ny Fitsaràna ao Port of Spain, Trinidad. Sary an'i Debangsu, CC BY-NC 2.0.

Efa taona roa mahery izao, [2] nezahan'ny “Law Association of Trinidad and Tobago (LATT)” natao izay hanesorana amin'ny toerany ny lehiben'ny fitsaràna ao amin'ny firenena, i Ivor Archie — saingy tsy nahavita nandresy lahatra [3] ny Praiminisitra Dr. Keith Rowley mba hiroso amin'izany ny fandrisihana farany nataon'ilay fikambanana mba hampiatoana ny Lehiben'ny Fitsaràna .

Tamin'ny Desambra 2018, 150 tamin'ireo mpikambana ao anatin'ny LATT no nifidy hanomboka fanadihadiana iray momba ireo fitondrantena mamohehatra anenjehana an'i Archie ka hanolotra izany ho an'ny praiminisitra, hetsika iray kianin [4]‘ny sasantsasany ho mamofona politika.

Ny dingana [5] fanesorana amin'ny toerany ny lehiben'ny fitsaràna dia ilàna ny fanetsehan'ny Praiminisitra ny Toko faha 137 amin'ny Lalàm-panorenan’ [6]ny firenena  iresahana ny fandroahana mpitsara.  Raha vantany vao tanisaina io; dia ny filohampirenena no manendry tribonaly mba hanao fanadihadiana momba ireo fiampangàna tsy fahaizana asa na fitondrantena tsy mendrika.

Ho valin'ny taratasim-pifandraisana nalefan'ny LATT, nampahafantatra ny fikambanan'ireo mpahay lalàna ny PM Rowley fa mety tsy ho ekeny [7] ilay fandrisihana azy hitanisa ny Toko faha 137. Fototra niaingàny ilay torolàlana [8] tamin'ny Aprily 2019 avy amin'i (QC), Howard Stevens, Mpanolotsain'ny Mpanjakavavy Britanika.

Manaraka ny rafitra lalàna britanika i Trinidad sy Tobago; ny fitsarana antampony ao aminy dia ny Judicial Committee of the Privy Council [9], manana ny foibeny ao Londona. Tsy vaovao intsony ny fakankevitra ataon'ireo mpisolovava ao an-toerana any amin'ireo QCs britanika, indrindra raha raharaha mahakasika tombontsoam-bahoaka izay tena manana lanja mavesatra tokoa ao ny fomba fijery ny atao hoe tsy fitanilàna.

Nanomboka [2] ny Aprily 2017 ny fivatravatràna tamin'i Archie lehiben'ny fitsaràna, taorian'ny nanambaràn'ny Kaomisiônan'ny Lalàna sy ny fitsaràna (JLSC) ny fanendrena ireo mpitsara marobe vaovao ho ao amin'ny Fitsarava Avo. Tsy vitan'ny mpitsara iray,  Marcia Ayers-Caesar, ny nanao fanambaràna momba ireo raharaha goavana mbola tsy nifarana tao amin'ny JLSC, notarihan'ilay lehiben'ny fitsaràna. Taorian'izay i Ayers-Caesar dia nametraka fialàna [10]Heverin'ny [11] sasany ho resaka fanadinoana ara-pitantarana fotsiny ihany ilay tranga, fa ireo hafa manampahaizana manokana araka ny lalàna kosa nino [5] fa ny tsy nahavitan'i Archie sy ny JLSC naka andraikitra tamin'ilay raharaha manahirana dia niteraka fahaverezan'ny fitokisana sy  ‘ny maha-ara-drariny ny fampiharana ny fahefan'ny lalàm-panorenana nankinina tamin-dry zareo”.

Taorian'izay i Archie dia voampanga [12] ho niezaka nandresy lahatra ny fitsarana antampony mba hanova fiahiana ny fiarovana azy ireo, izay iantohan'ny fanjakàna, ho lasa iandraiketan'ny orinasan'olontsotra izay iasàn'i Dillian Johnson — isan'ny naman'i Archie ary manana raharaha momba ny hosoka sy fisandohana. Voalaza fa i Archie koa dia nanampy tamin'ny fanafainganana ny fikirakiràna ireo fangatahana trano fonenana nataon'ny fanjakàna ho an'ireo olona natolotr'i Johnsons sy ny hafa.

Denyse Renne, mpanao gazety ao amin'ny Trinidad Express izay namboraka ilay tantara, nilaza [13] fa namaky ireo hafatra WhatsApp voalaza fa nandefasan'i Archie ny fangatahany fanampiana tamin'ny Praiminisitra Rowley mba hahafahany mividy trano iray amin'ny fanjakàna — filazàna iray izay nolavin'ny praiminisitra.

Nahazendana ny valintenin'ny QC tamin'io fiampangàna io:

Ny zavamisy hoe […] toa zavatra noforomporonina ilay lazaina ho fifandraisana tao amin'ny WhatsApp dia manainga ihany koa hieritreritra ny mety ho fisianà olona mikendry ny hahavoarohirohy amin'ny tsy rariny an'ilay lehiben'ny fitsaràna.

Raha namaly ny LATT ny Praiminisitra Rowley, nolazainy [14] fa ny QC Stevens dia nanoro hevitra mifanohitra amin'ny tokony tsy hanohizana ilay hampiatoana, mifototra amin'ny tsy fahampian'ny porofo hoe fantatr'i Archie i Johnson sy ireo hafa vorohirohy amina raharaha heloka bevava, na hoe nisy fifandraisana ary mahalala zavatra momba ilay resaka trano fonenana ilay mpitsara sy ny priminisitra.

Hoy ny fanehoankeviny:

Ny fehinkevitra hitako ao anatin'ny toedraharaha rehetra dia hoe ireo fitarainana nataon'ny HDC [Housing Development Corporation] tsy ampy ho entina manamarina ny filazàn'ny praiminisitra tamin'ny filohampirenena ho mila anaovana fanadihadiana ny fanesorana ny filohan'ny fitsaràna.

Nisy fanambaràna iray tsy nitononana anarana taty aoriana — voalaza ho avy amina mpitsara niisa sivy —  nilaza [15] fa ilay fanapahankevitra dia “mitazona haharitra ny fomba fijery hoe ity firenena tsy tàn-dalàna ity dia toerana iray anjakan'ny bodo sy adala (tsy misy na iza na iza afaka tazonina ho tompon'andraikitra)”.

Justin Phelps, mpisolovava, nanakiana ilay fanambarana miafina [16] tao anatina lahatsoratra iray tao amin'ny Facebook:

Tsy toy izao no endriky ny fitsaràna mahaleotena. Tokony hampiasa loha ny lehiben'ny fitsaràna ny hoe misy iray amin'ireo mpitsara tsy tononina anarana ireo tokony halaina am-bavany momba izay raharaha mahakasika azy. Tokony fantarina ry zareo satria ho voahilika amin'ny tranga sasantsasany izy ireny ary satria ry zareo naneho tsy firaharahiana lalina ny dikan'ny atao hoe tsy fitanilàna sy fahaleovantena.

Mandritra izany, nokianin [17]‘i Kamla Persad-Bissessar, mpitarika ny mpanohitra ao amin'ny firenena, ny fanapahankevitry ny PM Rowley, raha marobe ihany koa ireo mpikambana ao anatin'ny LATT no nitaky [18] mangarahara misimisy kokoa momba ilay torohevitry ny QC Steven. Taorian'ilay fanambaràny tany am-piandohana, nanoratra taratasy iray [14]ho an'ny filohan'ny LATT, Douglas Mendes, ny PM Rowley nilazany ireo antony rehetra tsy nanekeny ny hitanisàna ny Toko faha-137.

Nanomboka teo ny LATT dia nanao fampakarana iray hafa [19] nankany amin'ny praiminisitra, nilazàny [20] hoe “tsy afapo tamin'ny valinteny izay nanoroana hevitra anao mba horaisinao”:

Amim-panajàna, Atoa Praiminisitra, tsy mety mihitsy raha ny andraikitra mavesadanja napetraky ny Lalàm-panorenana aminao araka ny Toko faha-137 mba hitazonana ho tomponandraikitra ny lehiben'ny fitsaràna, no mibahana anao tsy hihetsika tahaka izao.

Setriny, nampangain'ny [21]  Praiminisitra Rowley ho manao fijery politika mitongilana ilay fikambanana. Ry zareo samy LATT ihany koa dia toa tsy mitovy hevitra momba ilay olana, misy mpikambana sasantsasany miteny [22] fa toa mitanila ny fomba fijerin'ny fikambanana, ary ireo hafa mpaneho hevitra mitazona [23] ny hoe tokony hirosoan'ny praiminisitra ilay fampiatoana.