- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Obama tany Afrika 2009

Sokajy: Mediam-bahoaka
US President Barack Obama addresses the Ghanaian Parliament in Accra (Official Photo) [1]

Ny filoha Amerikana Barack Obama niresaka tamin'ny Parlemanta Ghaneana tao Accra (Sary ofisialy)

Niteraka adihevitra manerana ny tontolon'ny bilaogy Afrikana sy tamin'ireo sehatra fifanakalozan-kevitra an-tserasera ny fitsidihana ofisialy voalohany nataon'ny filoha Barack Obama tany Afrika Atsimon'i Sahara tamin'ny volana Jolay 2009. Nikabary tao amin'ny parlemantan'i Ghana izy ny 11 Jolay ary niteraka adihevitra betsaka izany .

Nanasongadina ny sasantsasany tamin'ireo resadresaka sy ny fisaintsainana lalina ary fahadisoam-panantenana teo amin'ny fifandraisana Amerikana-Afrikana ihany koa ireo bilaogera Global Voices. Ny lovan'i Obama any Afrika amin'ny maha zanaka Kenyana azy no matetika no lopy itsarana ny fanamarihany.

Ny lahatsoratry ny Global Voices momba an'i Obama tany Ghana

13 Jolay – Congo: Nandiso fanantenana ny kabarin'i Obama tany Ghana [2]
13 Jolay- Kamerona: Bilaogera niadihevitra momba ny kabarin'i Obama tany Ghana [3]
12 Jolay- Ghana: Maneho hevitra momba ny kabarin'i Obama ireo bilaogera [4]
10 Jolay- Afrika: Nampiasa ny tambajotra sosialy i Obama mba hiresahana amin'ny Afrikana [5]
05 Jona – Ghana: Fanombantombanana, fientanentanana ary fanantenana tamin'ny fitsidihan'i Obama [6]
15 Jona – Ghana: Nivoaka ny fanantenana sy fahatsoram-po tany Ghana taorian'ny fitsidihan'i Obama [7]
15 Jona – Ghana: Adihevitra manerantany momba ny fitsidihan'i Obama an'i Ghana [8]

Loharanom-baovao hafa

Ny lahatsoratra feno tamin'ny kabarin'i Obama [9] tao Ghana (na rakipeo [10] ).

Kabarin'i Obama tao Ghana amin'ny teny swahili [11] .

Nanao antsafa niaraka tamin'ny filoha tao amin'ny Trano Fotsy talohan'ny diany ny AllAfrica.com [12] .


Tsindrio eto [13] ho an'ny fizarana faharoa amin'ny lahatsary ity.

Nanao ezaka manokana [5] ny Trano Fotsy mba hifandraisana tamin'ny alàlan'ny SMS, onjam-peo, fandefasana sary mivantana amin'ny aterineto ary ny fifanakalozan-kevitra an-tserasera amin'ny olom-pirenena tao Afrika nandritra ny fitsidihan'ny filoha.

Nanoratra momba ny fanontaniana [14] avy amin'ny Afrikana ho an'i Barack Obama i Rafiki Kenya : “Nandritra izany fotoana izany, nizara sarintany ifarimbonana ny Trano Fotsy … Misy fanontaniana manan-danja mikasika ny fisian'ny kolikoly.”

Nanasongadina ireo fanehoan-kevitra [15] tao amin'ny bilaogy Afrikana ihany koa ny bilaogin'ny governemanta Amerikana ao amin'ny America.gov antsoina hoe By the People  taloha [16] sy taorian'ny [17] fitsidihan'ny filoha tao Ghana.