- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Asehon'ny amboarampeon'ny Katedraly Rosiana iray tamin'ny hira momba ny fandringanana nokleary an'i Etazonia fa tsy miasa aty amin'ny taona 2019 intsony ny vazivazy

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Mozika, Politika, Zavakanto & Kolontsaina, Akon'ny RuNet

Sary: Sehatra ho an'ny daholobe avy amin'ny Pixabay

Mpiserasera anaty tambajotra sosialy maro no zendana tamin'ny fivoahan'ilay horonantsarinà antoko mpihira avy ao amin'ny Katedraly manan-tantaran'i St.Petersburg, Saint Isaac, izay nanao hira iray momba ny fandringanana tanteraka ara-nokleary an'i Etazonia.

Ahitàna tonony toy izao manaraka izao ilay hira:

На подводной лодочке с атомным моторчиком
Да с десятком бомбочек под сотню мегатонн
Пересек Атлантику и зову наводчика:
“Наводи, говорю,- Петров, на город Вашингтон!”

Тру-ля-ля, тру-ля-ля,
Все могу за три рубля!
Здравствуй, новая земля
Неприятеля!


Amboninà sambo mpisitrika misy motera nokleary,
Mitondra entana milanja an'hetsiny taonina maro,
Mamakivaky ny Atlantika aho ary miantso ny mpitsikiloko:
Hey, Petrov, hoy aho aminy, Atodiho mankany amin'ny tanànan'i Washington ny fikendrenao!

Fiverenana:

Tra-la-la, tra-la-la,
Tsy misy zavatra tsy haiko atao ho an'ny robla telo!
Miarahaba anao aho, ry firenena hafahafa sy fahavalo!

Ny 23 Febroary, nohirain'ny St. Petersburg Concert Choir ilay hira, izay andro ankalazaina ao Rosia ho Andron'ny Mpiaro ny Tanindrazana [1] sy any amin'ireo firenena sasany tao amin'ny URSS taloha. Vantany vao vita ny kabarin'i Vladimir Putin mikasika ny toerana misy ny firenena [2] tamin'ny 20 febroary, nisy fahitalavi-panjakana Rosiana ihany koa nandefa ampaham-baovao iray mampiseho ny sarintanin'ireo toerana mety ho kendrena ara-nokleary ao Etazonia [3], ary maro ireo naneho ahiahy sy rikoriko manoloana ny fandokoana ara-miaramila toa mandresy ao anatin'ilay hira sy ny tsy fetezan'izy io amin'ny toe-draharaha nihiràna azy: fiangonana velona tsara ny St. Isaac ary mandray lamesa Ortodoksa Rosiana isanandro.

Nanipika ny olona sasany avy eo fa hira nosoratanà sovietika iray mpamoronkira  sady mpanohitra tany amin'ny andian-taona 1980 tany izy io ary nikendrena hamazivaziana ilay fampielezankevitra sovietika feno fandrahonana (ny tena lohateniny dia hoe: “Anaty sambo mpisitrika, na momba ny karaman'ireo mpanompo firenena [Sovietika]”), raha toa kosa ka azo raisina ho toy ny fanehoana ny maripana politika misy amin'izao fotoana izao ny fampisehoana azy farany indrindra tamin'ity taona 2019 ity:

Milaza ny olona mahalala ny tantaran'i St. Petersburg fa sangy ratsy fanahy niniana avy amin'ilay mpitarika ny antoko mpihira ilay hira momba ny fandringanana an'i Washington, DC tao am-piangonana. Rehefa nasaina hanao fampisehoana iray ho an'ny 23 Febroary izy dia nanapa-kevitra ny hamaly ny rivotra iainana mampalahelo amin'ny fitondrana izany amin'ny faratampon'ny hadalàna, tamin'ny fampiasàna ny fotokevitra hoe ” helo daholo no entin'izany rehetra izany “.

Taorian'ny nahalasa resabe ilay lahatsary teny anaty filazambaovao, namoaka fanambarana [6] tao amin'ny pejiny Vkontakte ilay amboarampeon'i Saint-Pétersbourg, nandà ny filazàna hoe  mety ho fihetsika ara-politika ilay fampisehoana :

Не можем не ответить мастерам политической аналитики:

Не стоит всерьёз вникать в рассуждения про путинские и антипутинские концерты. Это отвратительно само по себе. А для понимания того, что было на нашем концерте, достаточно знать две вещи. Во-первых, песни, которые мы поем – это документы эпохи, среды, уникальные и вполне оригинальные. Разумеется, мы не переписываем тексты ради политкорректности или какой-то ещё конъюнктуры.

Во-вторых, концерт в храме не обязывает петь только литургические произведения. Мы поздравили наших слушателей, мы показали им, что ценим их праздник, их прошлое, их труд. Что мы вместе с ними. И они были рады это услышать и прочувствовать.

Приходите на концерты, не занимайтесь политиканством!

Tsy afaka ny tsy hamaly ireo manampahaizana amin'ny fanadihadiana ara-politika izahay :
Aza mandany vovok'aina miady hevitra hoe manohitra sa manohana an'i Putin ilay fampisehoana. Maharikoriko izany. Mba hahatakaranareo bebe kokoa ny zavatra nitranga tamin'ilay fampisehoanay dia mila mahafantatra zavatra roa ianareo. Voalohany, rakitra tena izy avy tamin'ny vanim-potoany avy ireo hira nataonay, izay nanamarika manokana ny vanim-potoana nolalovany. Mazava ho azy fa tsy mamerina manoratra izany tononkira izany ho amin'ny fironana hafa indray izahay mba hampifanitsy azy amin'izay mampety ny ara-politika na hampifanaraka izany aminà toedraharaha hafa. Faharoa, tsy voafetra ho salamo na antema ihany no hirainay rehefa mihira anaty eglizy izahay. Nandrisika ny mpihaino izahay, nampiseho tamin'ireo fa mijery ny fialantsasany, ny lasany sy ny asany. Mampiseho fa iray isika. Ary nahafinaritra azy ireo ny nihaino anay sy nahatsapa fa mba misy miraharaha izy ireo.
Tongava amin'ny fampisehoanay, ajanony any ny politika!

Na dia nanizingizina aza ny mpitarika ilay amboarampeo fa sangisangy fotsiny ilay izy, tsy faly [7] amin'ilay hetsika kosa ny mpanoratra ilay hira, Andrey Kozlovsky. “Tsy misy zavatra tsara hivoaka avy amin'io”, hoy izy tao aminà tranonkala mpampita vaovao tao an-toerana rehefa nanontaniana ny heviny. Andrey Kurayev, Rosiana Ortodoksa Diakona, izay teolojiana sady manampahaizana fanta-daza, arymatetika mpitsikera ny ambaratongam.pitantanan'ny ortodoksa no nanoratra tao amin'ny blaoginy Livejournal [8] fa mety hiantefa any amin'ny sofin'ny marenina ilay vazivazy:

Песня сама по себе старая, из советского андеграунда. Тогда она была шуткой и даже сатирой на советский агитпроп. Но сегодня после путинских “мультиков” и “шуточек”, да еще в таком суперсерьезном исполнении это никак не смотрится шуткой. Питерская подворотня перестала быть подворотней. Она рулит. И исповедует принцип “ударь первым”. Потому что пролетариату нечего терять, кроме трех рублей.

Na ilay hira ihany aza dia efa ntaolo be, teraka tao anatin'ny hetsika ambany ravinahitra fony faha-Sovietika. Tamin'izany fotoana izany, natao ho sangisangy ilay izy, fandikàna amin'ny fomba maneso ny Propagandy Sovietika. Saingy amin'izao fotoana izao, taorian'ny “sariitatra” sy ny “vazivazy” natao ho an'i Putin sady tena anatin'ny toe-javatra tena saropady, dia tsy raisina ho sangisangy intsony ilay izy. Satria ireo jiolahimboto an-dalambe ao Saint-Pétersbourg [fiantsoana malaza  ny fanabeazana sarotra [9] azon'i Vladimir Putin] dia tsy jiolahimboto fotsiny amin'izao fotoana izao. Efa eo amin'ny fitondrana izy ireo. Ary ny fitsipika mitarika azy ireo dia ny hoe “Manomeza totohondry voalohany”. Satria tsy misy ho antenain'ireo mpiasa madinika intsony amin'izao fotoana izao afa-tsy ny robla telony 

Miaraka amin'ireo tantara be dia be sy ny maripàna politika misy amin'izao fotoana izao – izay ahitana ny tatitry ny toetrandro [10] amin'ny fahitalavitra Rosiana miresaka ny mety hisian'ny famelezana ara-nokleary an'i Etazonia – tsy mahagaga raha niteraka fahatezerana sy alahelo be io hira nohirain'ny antoko mpihira io. Raha tena nifanaraka tamin'ny vanim-potoanany tokoa ilay izy tamin'izany, mety efa tsy mifanentana amin'ny vanim-potoanan'ny filazambaovao sosialy intsony ny fandikana izany Propagandy Sovietika tamin'ny andron'ny Brezhnev izany.