- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny tsy fanjariana ara-tsakafo 2010

Sokajy: Mediam-bahoaka

Efa voaantoka ny foto-tsakafon'ny olona 2 miliara eo ho eo manerana izao tontolo izao. Olana sarotra izay mety hiteraka fiantraikany maro ny tsy fanjariana ara-tsakafo. Avy amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro, ny fivelaran'ny tanàndehibe, ny fitomboan'ny mponina ary ny fivoaran'ny vidin'ny solika no mahatonga ny tsy fanjariana ara-tsakafo. Ireo no antony izay tsy voafehin'ny sisintanim-pirenena firy loatra. Nosafidian'ny Foibe Pulitzer Mitatitra ny Krizy [1] ny tantaran'ny Global Voices tanisaina etsy ambany ary nosoratan'i Juhie Bhatia [2] toniandahatsoratra momba ny fahasalamana. Maka tatitra avy amin'ny tatitry haino aman-jery marolafy izy ireo izay misongadina tao amin'ny Vavahadin-tserasera Pulitzer momba ny tsy Fahazoana antoka Ara-tsakafo [3] ary nanasongadina ny rohin'ireo bilaogera miresaka momba io olana io manerantany.

Tantara mikasika ny tsy fanjariana ara-tsakafo ato amin'ny Global Voices

25 Aog – Somalia: Niparitaka ny hamehana tamin'ny fiarovana ara-tsakafo na dia teo aza ny fanampiana [4]
18 May – Ethiopia: Moa ve mitondra làlana mankany amin'ny fiarovana ara-tsakafo ny “fangoronan-tany” ? [5]
15 Apr  -Fanalahidy Hamongorana Ny Hanoanana Eran'Izao Tontolo Izao Ve Ny Fandrisihana ny Vehivavy? [mg] [6]
8 Okt – Afaka mampihena amin'ny antsasany ny hanohanana manerantany ve isika amin'ny taona 2015 ? [7]
13 Sep – Nizeria: Noana Foana Na Dia Mitobaka Aza Ny Solika [mg] [8]
10 Sep – Rosia: Niteraka sahotaka manerantany ny fandrarana ny fanondranam-barimbazaha [9]
18 Aog – Paragoay: Niteraka fifandonana ny fiakaran'ny famokarana saozaha [10]
30 Jol  – Fandrahonana manerantany tamin'ny varimbazaha mahafaty [11]
25 Jol – Mandrisika adihevitra momba ny Bioteknolojia ny fahasahiranana ateraky ny hanohanana eto Afrika [12]

Vavahadin-tserasera Pulitzer

Toerana iray hamantarana momba ireo olana ara-tsakafo manerantany, izay tsy misy mpitatitra kanefa tena manan-danja ny Vavahadin-tserasera Pulitzer momba ny tsy Fahazoana antoka Ara-tsakafo [3] . Ireto ambany ireto ny sasantsasany tamin'ireo tetikasa momba ny Tsy Fanjariana Ara-tsakafo izay notohanan'ny Foibe. Manasa anao hizara ny tantaranao manokana momba ity olana ity ny Foibe Pulitzer .

- Afaka mamonjy an'i Afrika ve ny bioteknolojia? [13]
Paragoay: Ny adin'ny saozaha [14]
Ny fihaonan-dàlana amin'ny tsy fanjariana ara-tsakafo any Nizeria, India ary Malawi [15]