- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Lahatsarin'ny fihetsiketsehana sy ny fandrehetan-dabozia

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika

(Lahatsoratra tamin'ny volana Jona 2009)

Niteraka korontana mahery vaika tsy nisy toy izany hatramin'ny Revolisiona Islamika [1] tamin'ny taona 1979 ny fifidianana nampiadihevitra tamin'ny 12 Jona 2009 [2] tao Iran izay namerina ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad [3] teo amin'ny fitondrana indray. Nitaky ny hanafoanana ny fifidianana ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitarika ny mpanohitra, Mir Hussein Mousavi [4]. Nahafaty olona miisa 10 farafahakeliny ny mpitandro filaminana tany Tehran ny Asabotsy, saingy nitohy ny hetsi-panoherana tany amin'ny tanàndehibe Iraniana samihafa.

Teheran, Alahady: Nihiaka ireto teny filamatra manaraka ireto ireo mpanao fihetsiketsehana: “Aza matahotra, aza matahotra, miaraka isika rehetra. Mialà ry mpanao didy jadona. “

Teheran, Alakamisy: Nandrehitra labozia teo akaikin'ny Oniversiten'i Teheran ny Iraniana tao anatin'ny fahatsiarovana ireo ‘martiora’ tao Teheran.

Tehran : Nihiaka hoe ‘Allaho Akbar’ (Lehibe Andriamanitra) ny Iraniana teny an-tampon-tranony ho mariky ny fanoherana ny valim-pifidianana.  Nanonona tononkalo mahafinaritra ny zazavavy iray nipetraka teo ambony tafo tany Téhéran.

https://youtube.com/watch?v=Ab7vk7Hw0bA

Isfahan : Mpanao fihetsiketsehana mifandona amin'ny mpitandro ny filaminana