- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tontolo arabo: Miantso an'i Gaza sy ny ady ara-teknolojika atao amin'i Israely

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Israely, Jordania, Palestina, Ady & Fifandirana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Lahatsoratra teny anglisy tamin'ny 13 janoary 2009)

Miantso ny mpamaky azy ireo bilaogera mba handray ny telefôniny ka hiantso ireo mponina ao Gaza mba hanome fanohanana azy ireo. Etsy ankilan'izany indray ny Palestiniana mpikatroka mandrisika ny mpamaky azy ireo hiantso ny manampahefana Israeliana – ary mandany ny fotoanan'izy ireo, ary mitoratoraka mailaka amin'ny fax-ndry zareo sy mameno hafatra ny fitoeran-taratasy.

Mizara ny heviny tahaka izao manaraka izao ny Jordaniana Mohd Khawahja [1], izay mibilaogy ao amin'ny Shoot 4 The Moon:

I'm sure that protesting is really a supportive action, in addition to in-kind and financial donations and other common means of support. But, I'm writing now to suggest another effective powerful way to support people in Gaza morally, and make feel them how much we do sympathize with them; it is basically to call them!?

Yes, you can really support people at Gaza by calling them and telling them how much we are proud of their persistence, braveness and resistance against this inhuman barbarian strike on Gaza. I've tried it and I can tell you how they would love to listen to us and find a listening ear from you as well.

Tena matoky aho fa hetsi-panohanana mety tokoa ny fihetsiketseham-panoherana, fanampin'ny karazam-panomezana sy endrika fanohanana hafa mahazatra. Saingy manoratra aho amin'izao fotoana izao hanolotra fomba iray mahery sy mahomby ho fanohanana ara-tsaina an'i Gaza, ary manao izay ahatsapan-dry zareo ny finamanantsika aminy; ny tsotra indrindra dia ny miantso azy ireo!?
Eny, afa-manohana ny vahoaka ao Gaza tokoa ianao amin'ny fiantsoana an-dry zareo sy milaza amin-dry zareo ny fireharehanao amin'ny faharetany, fahasahiany sy fifikirany manohitra izao daroka tsimifaditrovana atao amin'i Gaza izao. Nanandrana aho ary afa-miteny aminareo ny itiavany mihaino antsika sy mahita sofina hihaino avy aminareo ihany koa.

Tena tsotra araka izay ihainoana azy izay tokoa ny tetiny. Nampiany:

To call a random number in Gaza, all you need to do is to dial:

+970828 XXXXX (add a random number composed of 5 digits)
+970820 XXXXX
+970821 XXXXX

Raha hiantso kisendrasendra any Gaza, ny hany ataonao dia ny manendry:
+970828 XXXXX (ampiana tarehimarika kisendrasendra miisa 5)
+970820 XXXXX
+970821 XXXXX

Khawaja mandrisika ihany koa ny mpamaky handrakitra sy hamoaka ny resaka nataon-dry zareo antserasera tamin'ny olompirenen'i Gaza.

Arabo Amerikan Batoul A [2], izay manondro ny tenany ho Miozolomana Sirkasiana, nanangona ny herimpony sy ny telefonina ary niantso laharana kisendrasendra tany Gaza. Manazava i Batoul:

Today, I called Gaza. A random household, just pressed random numbers and listened for the line to be picked up… and it was. I was astonished. As if it was unexpected and I was in disbelief. My sentences became fragmented to the Palestinian lady on the other side of the line while I gathered my strength and voice back to its normal.

[…]

For a bit she spoke and I listened but I was slowly losing my strength to her words. I wanted to cry. I want to shelter her feelings somewhere dear in my heart and keep them safe. I wanted to give her warmth. Gosh, I wanted to be with her…. at least, I wouldn't be feeling so guilty so ashamed, so helpless!

Niantso an'i Gaza aho androany. Laharana kisendrasendra, nanindritsindry laharana fotsiny aho ary nihaino raha nisy nandray… dia nisy tokoa. Talanjona aho. Noho ilay izy tsy nampoizina sady tsy nino aho. Lasa tapatapaka ny fehezanteniko tany amin'ilay vehivavy Palestiniana ery an-tendron'ny antso raha namory ny heriko sy ny feoko hiverina any amin'ny nôrmaly aho.
[…]
Afaka kelikely dia niteny ravehivavy ary nihaino aho saingy very tsikelikely ny tanjako mihaino ny teniny. Te-hitomany aho. Te-hampialoka ny fahatsapany ao am-poko ao aho ary hitahiry izany. Te-hanome hafanana azy aho. Oay, te-hiaraka aminy aho… farafaharatsiny, tsy te-hahatsapa ho meloka ho menatra ho tsy mahavita na inona na inona aho!

Mandritra izany fotoana izany ny Palestiniana blaogera Haitham Sabbah [3] mitari-dalana amin'ny tsiodrivotra mahery mikendry ny hampanenoneno ny telefonina, finday, fax ary imailaka an'ny manampahefana Israeliana. mnambara ny kinendriny amin'ny fanentanana ho tahaka izao manaraka izao izy:

1. Bombard their phone/mobile/fax lines with anti-war, anti-Zionist messages. This can be in the form of calls, faxes or even sms's;
2. Waste the time of these war criminals as much as possible. Some of them are doing nothing else but jumping on the TV screens to spread lies and hatred. They justify killing Palestinian children and civilians;
3. Directly delivering to them the message that we are disgusted by what they are doing and they should stop now;
4. Show them the magnitude of support that Palestinians have after the world witnessed their war crimes in Gaza.

1.Mampitsinjatsinjaka ny telefônina, finday, fax amin'ny hafatra anti-ady, anti-sionista. Amin'ny endrika antso, fax na hatramin'ny sms aza izany;
2.Mampandany fotoana ireo jiolahy an'ady ireo betsaka araka izay azo atao. Ny sasany amin'izy ireny moa tsy manao afa-tsy ny mitsambikina ho ao amin'ny efijerin'ny TV hampiely lainga sy fankahalana. Manamarina ny famonoana ankizy palestiniana sy ny sivily fotsiny ry zareo;
3.Mandefa mivantana amin-dry zareo ny hafatra fa rikoriko amin'ny ataon-dry zareo isika ary tokony hitsahatra amin'izay ry zareo;
4.Maneho azy ireo ny havesatry ny fanohanana azon'ny Palestiniana rehefa mahita imaso ny heloka an'ady ataon-dry zareo ao Gaza izao tontolo izao.

Mampindrana ny feony ho an'ny fanentanana i Mystic's [4] Muses [4] amin'ny filazana hoe:

Dare to Join the Tech War?
Let us all jam/bombard/flood/block the landlines, mobiles, fax lines, and in-boxes of Israeli War Criminals with messages! Do not let these barbaric terrorists enjoy even a single second of the massacre they are perpetrating!

Mahasahy miditra amin'ny ady ara-teknolojika?
Andao isika rehetra hijapy/hitoratoraka/hanafotra/hibahana ny antso an-tarobia, finday, fax, fampidiran-taratasin'ireo Jiolahy an'ady ireo. Aza avela hisitraka na dia iray segondra monja aza amin'ny fandripahan'olona ataon-dry zareo ireo liandrà sy mpampihorohoro ireo!

Mampitandrina ny mpamaky azy avy eo ny bilaogera mba hitandrina amin'ny fiantohana ny fiainana antakonan-dry zareo.