- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niteraka fihetsiketsehana sy adihevitra ny fandraràna posiposy amin'ny làlan-dehibe any Dhaka, Bangladesh

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fampandrosoana, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Tontolo_iainana, Tsidika, Zon'olombelona
Rickshaw of Dhaka recorded at Guinness World Records 2015 making heading "most cycle rickshaw in one town". In Dhaka city about 6 Lac rickshaw available.15 million people are living in Dhaka city and 40% people travelling in the city by rickshaw. Image by blackthorne57 used under Creative Commons license (CC BY-NC 2.0). [1]

Posiposy ao Dhaka. Saripikan'i blackthorne57 nampiasàna lisansa Creative Commons (CC BY-NC 2.0)

Fantatra amin'ny maha-renivohitry ny posiposy bisikileta [2] azy eto amin'izao tontolo izao i Dhaka, renivohitr'i Bangladesh. Nandritra ny dimampolo taona lasa teo, ny posiposy no tena hivezivezen'ny olona miala any an-trano mankany ampiasana ao Dhaka sy amin'ny dia tsy dia lavitra. Iray amin'ireo tanàndehibe [3] be mponina indrindra eran-tany i Dhaka ary efa ela izy no niady tamin'ny famehezana ny fitomboan'ny fifamoivoizana [4] .

Nanan-kery nanomboka  ny 7 Jolay ny fandraràna ny posiposy [5] tsy handeha amin'ny làlambe anankitelo lehibe mba hanaovana ezaka hamahana ny fitomboan'ny fitohanan'ny fifamoivoizana ao an-tanàndehibe. Na dia izany aza, niteraka hetsi-panoherana avy amin'ny mpitarika posiposy [6] sy ny mpandeha sasany ny fandraràna. Nahatonga ny olona maro hiadihevitra momba ny olan'ny fifamoivoizana ao an-drenivohitra sy hametram-panontaniana momba ny tsy fisian'ny safidy ho an'ny mpandeha ny fanapahan-kevitra handràra ny posibisikileta amin'ny làlambe sasany.

Manaja ny tontolo iainana saingy nofiratsy ho an'ny fifamoivoizana:

Tombanana [7] ho misy posiposy miisa 600.000 eo ho eo ao an-tanàndehibe na dia latsaky ny 100.000 amin'ireo fotsiny aza no nahazo alalana. Manaja ny tontolo iainana izy ireo, miadana, ary tsy atahorana loatra amin'ny lozam-pifamoivoizana. Saingy mahatonga ny fifamoivoizana tsy mampino sy mihitsoka tanteraka ny fifangaroan'ny posiposy, ny posiposy misy maotera telo kodiarana, moto, ny bisy ary ny fiarabe eny an-dalana. Matetika no tsy misy ny lalana natokana ho an'ny fifamoivoizana miadana ho an'ity posiposy ity amin'ny ankamaroan'ny làlana ao Dhaka .

[8]

Ny fifamoivoizan'ny posiposy ao Dhaka. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'i Sandro Lacarbona. CC BY-NC-ND 2.0

Nosakanan'ny manampahefana avokoa ny posiposy rehetra sy ireo posy misy maotera tsy nahazo alalana hafa, toy ny posy mandeha amin'ny vatoaratra amin'ny lalandehibe telo ary nanapa-kevitra [9] ny hanolo azy ireo amin'ny fanitarana tolotra bisy ny manampahefana.

Moa ve vahaolana ny fandraràna ny posiposy?

Taorian'ny fanambarana, nivoaka ny adihevitry ny daholobe satria nidina an-dalambe ny mpitarika posy an'arivony [11] maro mba hitokona ary naneho ny ahiahiny tamin'ny alàlan'ny sehatra tambajotra sosialy ny hafa. Nandritra ny andro maromaro, nibodo ireo làlambe ireo mpanao fihetsiketsehana izay niteraka fitohanana mahery vaika ka nihitatra hatrany amin'ny faritra manodidina.

Ny fitokonan'ny mpitarika posy ho fanoherana ny fandraràna

Nampidina an-dalambe ny mpitarika posy mba hanao hetsi-panoherana ny fandraràna ny posiposy any amin'ny faritra sasany ao an-drenivohitr'i Dhaka, tapaka ny lalana ary mijaly ny olona handeha hiasa.

Mpitarika posy ao Dhaka_Bangladesh manao fihetsiketsehana eny an-dalambe manohitra ny fandraràna amin'ny fandehanana amin'ny làlan-dehibe.

Nilaza [24] ireo mpitarika posy fa natao tsy nisy fanomezana fidiram-bola hafa na fandaharan'asa hanarenana ny fidiram-bola ho azy ireo ny fandrarana .

Ny governemanta dia nametraka ny fandraràna ny hetsiky ny posiposy amin'ny làlana sasany ao an-tanàdehibe tsy nisy

1. Fanomezana antoka amin'ny fandaharan'asa hanarenana ny fidiram-bola ho an'ireo mpitarika posy sy ny fianakaviany.
2. Fanomezana antoka ny ….

Ankoatra ireo mpitarika posy, nanatevin-daharana ny fihetsiketsehana ihany koa ireo tompony izay mivelona amin'ny fampiasana ireo mpitarika kodiaran-telo ireo ary nanao valan-dresaka an-gazety nametraka ny fanomezana ny fe-potoana farany amin'ny fanesorana ofisialy ny fandrarana [27]. Nitaraina izy ireo fa tsy niresaka tamin'izy ireo ny manampahefana ary nametraka tsy ara-drariny ny fandrarana.

Naneho ny fahadisoam-panantenany [28]  momba ireo olana atrehiny mandritra ny diany ihany koa ireo mpandeha ary nanolotra soso-kevitra hafa izay tokony ho raisina ankoatra ny (na mialoha ny) fametrahana ny fandraràna tampoka toy ny làlana natokana ho an'ny posiposy na ny famoronana rafitra fitateram-bahoaka tsara kokoa sady mametra ny isan'ny fiara mandeha eny an-dalana.

Nanoratra  ilay mpisera Facebook Dewan Maruf Shuvo [29] hoe:

রিকশা বন্ধ হয়ে গেলে আমি চড়ব কিসে, এটা যেমন চিন্তার বিষয়। তেমনি এই লক্ষ লক্ষ মানুষের কর্মসংস্থানের কথাও চিন্তা করা লাগবে।

Tiako ho fantatra ny fomba hafa ahafahako mivezivezy raha voarara ny posiposy. Ary mila mieritreritra ny fidiram-bola hafa ho an'ireo olona an'hetsiny (mpitarika posy) ireo isika.

Amin'ny fanehoan-kevitra hafa [9], nanamafy ny tokony hananana “rafi-pifandraisana iraisana” mifototra amin'ny endrika fitaterana isan-karazany ny manam-pahaizana sy ny mpandrindra ny rafitra an-tanàndehibe sy ny filana ny safidy hafa mety hanoloana ny posiposy ho toy ny fomba fitateram-bahoaka.

Nikarakara ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tao an-drenivohitra ny Ivontoerana ho an'ny Mpandamin'asa ao Bangladesh (BIP) [30] mba hiara-midinika ny vokatry ny fandrarana voalaza. Amin'izao fotoana izao, mitotaly eo ho eo amin'ny manodidina ny 40 isanjato amin'ny rafi-pitaterana ao Dhaka ny posiposy, miparitaka ny lazany noho izy tena ilaina.

Although making roads off-limits to rickshaws can be a temporary remedy, traffic congestion will not ease up if the restriction is not imposed on private cars.

Na dia mety ho vahaolana vonjimaika aza ny fametrahana ny fandrarana ny posiposy tsy handeha eny an-dalana dia tsy ho afaka hanamaivana ny fitohanan'ny fifamoivoizana izany raha tsy ampiharina amin'ny fiara tsy miankina ny famerana.

Etsy andaniny, naneho karazam-pandresen-dahatra tao amin'ny tambajotra sosialy manohana ny fandrarana ireo olona manohana ilay fanapahan-kevitra.

Nanoratra i Sumon Khan [31], mpisera Facebook hoe:

#রিকশা জাস্ট মেইন রোডে চলাচল নিষেধ করা হয়েছে। মেইন রোড থেকে ২৫/৩০ ফিট ভিতরে গলি রয়েছে সেখানে চালানো তো নিষেধ করে নাই। তাই না জেনে মন্তব্য, সমালোচনা করা ঠিক না।

Natao ho an'ny làlandehibe ihany ny fandraràna ny posiposy. Misy làlana maro sy làlankely maro izay ahafahan'izy ireo mbola mandeha (dia lavitra). Noho izany, anontanio tsara aloha ny vaovao rehetra alohan'ny hitsikerana zavatra.

Nanapongatra ny sasantsasany momba ny hevi-diso niseho tao amin'ny tambajotra sosialy i Mohammad Tauheed [32], mpiara-miasa tranainy ao amin'ny TED sady Akademika Mpandrindra ao amin'ny Ivontoerana Bengal [33]:

রিকশা মিথ

১. রিকশা জরুরি:
মোটেই না। ? হাঁটুন! ঢাকা শহরের সকল রিকশায় চড়া দূরত্বই হাঁটার যোগ্য দূরত্ব। [..]
২. রিকশা গরিবের বাহন:
রিকশা ভাড়া উবার প্রিমিয়ামের কাছাকাছি এখন [..]
৩. রিকশাওয়ালারা গরিব, অসহায়:
রিকশাওয়ালারা তেমন গরিব নয়। তাঁদের মাসিক আয় ২০ হাজার টাকার উপরে, যা অনেক চকচকে অফিসে নতুন যোগ দেওয়া স্নাতক বেতন হিসেবে পান না। [..]

Hevi-diso momba ny posiposy :

1. Ilaina ny posiposy:
Tsia mihitsy! ?Mandehana tongotra fotsiny! Afaka handehanan-tongotra ny halavirana akaiky izay handehananao amin'ny posiposy.
2. Natao handehanana miasa ho an'ireo mahantra ny posiposy: Manakaiky ny saran-dalan'ny Uber Premium ny saran-dalan'ny posiposy amin'izao andro izao .
3. Mahantra tsy misy mpiahy ny mpitarika posy:
Diso. Tsy mahantra velively izy ireo. Mahazo 20.000 BDT (237 dolara Amerikana) mahery isam-bolana ny sasany amin'izy ireo, izay mihoatra noho ny karama azon'ny olona manana diplaoma vao miditra miasa.

Nandrisika ny mpitarika posy ny manampahefana mba hampiato ny fihetsiketsehana ary nanasa azy ireo mba hifanakalo hevitra bebe kokoa. Nivoady ihany koa izy ireo [34] fa hanafoana tanteraka ny posiposy ao Dhaka ao anatin'ny roa taona manaraka.

Tokony hisokatra amin'ny taona 2021 ny lalan'ny metro [35] Mass Rapid Transit (MRT) mirefy 20,10 kilaometatra ao Dhaka. Mandra-pahatongan'izany, mbola nofinofy ny vahaolana ho an'ny fifamoivoizana saro-bahana [36] ao Dhaka.