Nofaritana tamin'ireto teny telo ireo -Fanantenana- Rà -Teknolojia – ny làlana mankany amin'ny fandatsaham-bato ara-tantaran'ny firenena. Ny fifidianana ankapobeny ny taona 2013 tany Pakistana, izay nokasaina hatao ny 11 May 2013 no fotoana voalohany nisoloan'ny governemanta demokratika ny governemanta demokratika iray hafa tao amin'ny firenena. Nanaporofo ilay mpiantsehatra vaovao eo amin'ny sehatry ny politikan'ny firenena, ilay kintan'ny lalao kricket izay lasa mpanao politika Imran Khan, fa tena mpifaninana goavana ho an'ny antoko natsangana ao amin'ny firenena izy. Heverina hanova ny lalao ny fampiasan'ny antokony ny tambajotra sosialy, indrindra fa ny Facebook, izay tranonkala be mpitsidika indrindra any Pakistana.
The weeks leading up to voting day have been plagued with violence, dozens of people have been killed in bombings targeting campaigns, rallies and crowded places. In April, the Pakistani Taliban warned voters that they would step up attacks against secular politicians.
Nahitana herisetra ny herinandro nizorana nankany amin'ny andron'ny fifidianana ary olona am-polony no maty tamin'ny daroka baomba nikendry ny fanentanana, ny famoriam-bahoaka sy ny toerana be olona. Ny volana Aprily 2013, nampitandrina ny mpifidy ny Taliban Pakistaney fa hanafika ireo politisiana laika izy ireo.
Fitantarana
- 12 Mey 2013: Maro ny Pakistaney no nandatsa-bato na dia teo aza ny fandrahonana sy ny mety hisian'ny hosoka amin'ny latsabato
- May 11, 2013: Fanavaozam-baovao tamin'ny fifidianana tao Pakistana sy ny valim-pifidianana amin'ny aterineto
- 9 Mey 2013: Fanaraha-maso ny tambajotra sosialy ao Pakistana tamin'ny fifidianana manan-tantara tao Pakistana
- 8 May 2013: Nampisinda Vetivety ny Tsy Fitovian-kevitra Ara-politika Ao Pakistan Ny Ratra Nahazo An'i Imran Khan
- 5 Mey 2013: Fatwa ho an'i Imran Khan – Lasa maloto ny fifidianana ao Pakistana
- 2 May 2013: Tapitra ny lalao: nizotra nankany amin'ny fandatsaham-bato ny tanora sady mpanankarena ao Pakistana
- 25 Avrily 2013: Tsy Handray Anjara Amin'ny Fifidianana Hoavy Izao ao Pakistan Ireo Ahmadis
- 17 Aprily 2013: Làlana mihoson-drà mankany amin'ny fifidianana ao Pakistana
- 17 Aprily 2013: Mpiambina manokana ho an'ny mpifaninana amin'ny fifidianana Pakistaney
- 14 Aprily 2013: Manakorontana ny fifidianana ao Pakistana 2013 ny herisetra
Loharanom-baovao
Tenirohy Twitter : #PakVotes | #Fifidianana2013